GlobalVoices anaty

Tonizia

Tahiry Firenena · 151 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Tonizia

12/04/2013

Sary Lahatsoratra
Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy

Tohin'ny lahatsoratra

Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013],...

17/03/2013

Mitohy Ireo Fandoroana Tena Any Tonizia

Tohin'ny lahatsoratra

Dimy amby roapolo taona taorian'ny nandoroan'ilay mpivarotra voankazo an-dalambe, Mohamed Bouaziz, ny tenany, mbola mitohy io tranga io any Tonizia. Noho ny fahaverezam-panantenany momba ny sosialy sy tearena, nandoro ny tenany i Adel Khadri, mpivarotra sigara an-dalambe ny 12 Martsa tany amin'ny renivohitr'i Tunis. Maty [13 Martsa] ny tenany.

13/03/2013

Tontolo Arabo: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy

Niara-nitepo tamin'izao tontolo izao ireo Arabo mpisera anaty aterineto androany niandry vaovao mikasika izay ho Papa vaovao, izay hisolo toerana an'i Papa Benoit XVI. Ary vantany vao nivoaka ny setroka fotsy avy ao amin'ny Chapelle Sistine, manambara fa voafidy ny Papa, dia niainga avy any koa ny fanehoankevitr'izy ireo.

18/01/2013

Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?

Tohin'ny lahatsoratra

Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà...

06/01/2013

Mpanakiana Ny Tafika Toniziana Voasazy Higadra Taona Iray Sazy Mihantona

Tohin'ny lahatsoratra

Nampitomboin'ny fitsarana miaramila iray ao Tunis ny sazy mihantona famonjàna ho an'i Ayoub Massoudi, raha 4 volana dia lasa taona iray. Voaheloka i Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, higadra efatra volana, sazy mihantona, noho ny fiampangàna azy ho "nanala-baràka" ny tafika sy "fanaovana tsinontsinona ireo mpitondra ambony ao amin'ny tafika", tamin'ireo fanambaràna [en] nataony tanaty fahitalavitra mikasika ny fandroahana hiala an'i Tonizia ho any Libia natao an'ilay Praiministr'i Muammar Gaddafi teo aloha, Baghdadi Mahmoudi Massoudi.

21/11/2012

Sary Lahatsoratra
Mpanakanto Toniziana Roa Niatrika Fitsarana Noho Ny Graffiti Nataony

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny 3 Novambra, nosamborin'ny polisy ireo mpanakanto mpanao sariitatra, Oussama Bouagila sy Chahine Berriche satria nanao sarisary tamin'ny rindrina tao Gabes, ao Atsimo-Atsinanan'i Tonizia. Mpikambana ao amin'ny Zwewla [ar] [...

26/10/2012

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Tohin'ny lahatsoratra

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay...

Tontolo Arabo: Fotoana Mahasosotra Ny Salafista

Tohin'ny lahatsoratra

Salafista, fantatra amin'ny volombavany lavabe, sy ny akanjony (thobe), ary manaraka fitsipika sarotiny amin'ny fomba Islamo, no kendren'ny vazivazy tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #SalafiAwkwardMoments. Taorian'ny fionganan'i Zine El Abidine...

27/08/2012

Tonizia: Miatrika Fitsarana Miaramila Ny Mpanolotsaina Fahinin'ny Filoha Noho Ny Fanakianan'ny Tafika

Tohin'ny lahatsoratra

Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi). Nolazainy fa "famadihana ny Fanjakana" ilay fampodiana.

16/08/2012

Video Lahatsoratra
Tonizia: Sidi Bouzid Mitroatra. . . Indray

Tohin'ny lahatsoratra

Sidi Bouzid, ilay tanàna Toniziana niaingàn'ny onjanà revolisiona tany amin'ny tontolo Arabo efa ho herintaona sy tapany mahery, dia toa mangotrangotraky ny andianà hetsi-panoherana vaovao indray. Manosika ny vahoaka ireo olana ara-toekarena, sosialy sy politika, ny vahoaka izay maneho tsy fahafaham-po misonga hatrany amin'ny governemanta eo an-toerana amin'izao fotoana.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny