· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Desambra, 2012

Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad

  30 Desambra 2012

Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona maty tamin'io fanafihana tany amin'ny tanàna io raha ny vinavina, izay lazain'ireo mpikomy fa navotsotr'izy ireo avy amin'ireo tafik'i Assad....

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter

  28 Desambra 2012

Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana mampiseho an'i Makdissi nifandray taminy nandritra ny volana maromaro. Izany angamba, araka ny anarana nomen'ireo mpisera Twitter no atao hoe,...

Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila

  18 Desambra 2012

Hiatrika fitsarana miaramila ao Syria i Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana Bassel Safadi ihany koa, ary tsy navela haka mpisolovava izy. Tany am-ponja foana ity mpilatsaka an-tsitrapo manam-pahaizana manokana momba ny rindrambaiko misokatra sy Creative Commons ity nanomboka ny volana Martsa. Nanatontosa hetsika  #FastforBassel tao amin'ny Twitter ireo mpanohana azy manerantany mba hanentana...

Tafaverina Ny Aterineto Ao Syria Miverina koa Ny Mpisompatra ireo Mpikatroka Syriana

GV Mpisolovava  07 Desambra 2012

Niara-nanatontosa ny lahatsoratra izay efa navoaka voalohany tao amin'ny eff.org i Eva Galperin sy Morgan Marquis-Boire no . Tamin'ny herinandro lasa teo raha nanakatona ny aterineto manerana ny firenena nandritra ny telo andro ny fitondran'i Assad, anisan'ny iray amin'ireo adiresy IP vitsy tafatoetra hatrany ao amin'ny aterineto ireo adiresy voarohirohy amin'ny hetsika mandeha anaty aterineto...

Syriana 40.000 No Namoy ny Ainy Tao Anatin'ny 20 Volana

  07 Desambra 2012

Vahoaka maherin'ny 4 tapitrisa no fantatra fa hila fanampiana ao Syria amin'ny fiandohan'ny taona 2013. Izany no lohateny navoakan'ny gazetin'ny Firenena Mikambana miresaka ny momba ny maha-olona ao Syria tamin'ny 11 Novambra 2012 [pdf]. Ankizy sy tanora avokoa ny 2 tapitrisa amin'izany, izay tsy manana foto-pivelomana ary mijaly ny ratram-panahy ara-tsaina ateraky ny...

Syria: “Damaskaosy ity!”

  03 Desambra 2012

Miaraka amin'ilay ady izay tsy mampiseho mihitsy marika fisiàna fitonitoniana ary ny serasera manjary miha-sarotra na tsy azo antoka intsony, nisy "fanentanana ho fanehoana firaisankina [ar] amin'ireo vahoaka Siriana" natomboka tao amin'ny aterineto. "This Is Damascus!" na "Damaskaosy Ity" no anarany

Niverina Nandeha Indray ny Aterineto ao Siria

  01 Desambra 2012

Niverina nandeha indray ny aterineto ao Siria - na farafaharatsiny amin'ny toerana sasatsasany, araka ny voalazan'ireo Siriana any ivelany, izay niezaka fatratra te-hifandray amin'ireo hava-tsy foy nandritra izay telo andro tsy nisian'ny fifandraisana sy aterineto izay.