· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Oktobra, 2012

Syria Anaty Fahapotehana

  31 Oktobra 2012

Mampiseho, mizara ary mandrakitra ho tahiry ny fitroarana tany Syria amin'ny alalan'ny fampirantiana sarim-pahapotehana ny mpaka sary Syriana manerana ny firenena. Na dia voafetra aza ny loharanom-pampahalalam-baovao dia mampihoronkoditra kosa ny zavamisy iainan'ny Syriana ao an-toerana

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

  26 Oktobra 2012

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao. Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria...

Syria: Nogadraina Ilay Mpanao Sariitatra Satria Mitsikera An'i Assad

GV Mpisolovava  24 Oktobra 2012

Nahazo sazy henjana ilay mpanao sariitatra Syriana sahy nampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Tamin'ny 25 Aogositra 2011, notaritaritina sy novonoinà telo lahy misaro-tava i Ali Ferzat, mpanao sariitatra malaza 60 taona, tapaka ny tanany tamin'izany. Akram Rslan, mpanao sariitatra iray hafa miasa ao amin'ny gazety Fedaa [ar] eo ambany fitantanan'ny governemanta. Nogadraina...

Syria: Revolisiona Mandeha Amin'ny Fiteny Maro

  16 Oktobra 2012

Tsy hoe tery an-tanin'ady ihany akory no nàka toerana ny Revolisiona tao Syria, teo anelanelan'ny làlana tao Daraa na ny toeram-pitiliana ao Aleppo. Fa misy koa ny ady goavana atrehan'ireo mpifanandrina, na ny mpanohana ny fitondrana izany, na ny mpanohitra, ety anaty aterineto, ahitàna taratra ny ady tsy misy indra fo ifamelezan'ny andaniny sy ny ankilany. Nitafatafa tamin'ny mpanangana ny pejy "La Revolution Syrienne en Français" (Ny Revolisiona Siriana amin'ny Fiteny Frantsay) izahay mba hahalalàna ny antony mandrisika azy ireo hanangana pejy toy izany amin'ny fiteny Frantsay manokana ary ny fomba eritreretin-dry zareo ho fandraisany anjara amin'ny revolisiona - amin'ny fomba virtoaly.

Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

  15 Oktobra 2012

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany. Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny...

Tontolo Arabo: Voatsikera ny Fandaharan'asan'i Romney Momba an'i Afovoany Atsinanana

  11 Oktobra 2012

Notsikerain'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny kabarin'i Mitt Romney momba ny politika ivelany . Mitohy hatrany ny fanontaniana ao amin'ny Twitter mikasika ny politika ivelan'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana, araka ny nambaran'i Romney [kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy izao] tao amin'ny Ivon-toerana Miaramila ao Virginia: Raha lany izy, dia vonona...