· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Avrily, 2012

Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

  29 Avrily 2012

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...

Tontolo Arabo: Ireo Teknolojia Niasa Nandritra Ny Fotoanan'ny Revolisiona

  22 Avrily 2012

Efa niteraka adihevitra ny  fanovana nentin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknolojian'ny finday teo amin'ny fitroarana Arabo. Na inona na inona anefa ny fehin-kevitra avy aminao, azo heverina tokoa fa nampiasa ireo taranjan-teknolojia vaovao ireo ny mpikatroka ary hitarataratra ny sasantsasany amin'izy ireny isika amin'ity lahatsoratra ity. Mitatitra ny fisamborana anao Maro ny bilogera...

Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”

  17 Avrily 2012

Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny "Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay", dia ny mpitendry zava-maneno Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy iaraka amin'izy ireo. Voasambotra ihany koa izy noho izany fikasana izany.

Syria: Nogadraina i Ali Mahmoud Othman, Ilay “Mason'ny Baba Amr”

  07 Avrily 2012

Mpitolona amin'ny fanatontosana Lahatsary i Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny tranom-piasana fampahalalam-baovao ao Bab Amr, no tratran'ny governemanta Syriana. Nihevitra ny mpiara miasa aminy sy ny namany fa nampijaliana mafy tsy misy indrafo izy. Miteraka loza ho an'ny mpitolona rehetra ao amin'ny tranom-piasana ny fanagadrana azy ary dona mafy ho an'ny...