· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Marsa, 2012

Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

  27 Marsa 2012

Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.

Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora

  23 Marsa 2012

Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny manam-pahefana nandritra ny hetsi-panoherana ny didy jadona, izay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy ireo. Avy any Bahrein, Sayed...

Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid

  21 Marsa 2012

Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.

Syria: Rehefa Miongana I Assad

  19 Marsa 2012

Tahaka ireo Arabo nanohitra ny mpitondra mpanao didy jadona tany aminy avy dia manana faniriana sy fanantenam-piainana aorian'ny fionganan'ny mpano didy jadona ao aminy antsoina hoe Bashar Al Assad ny Syriana. Mifampizara ny nofinofiny ny Syriana amin'ny fampiasana tenifototra #WhenAssadFalls

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

  18 Marsa 2012

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

Syria: Mitohy ny Teritery Atao Amin'ireo Mpanao Gazety, ao Anatin'ny Fankalazana Ny Tsingerin-taonan'ny Revolisiona

  15 Marsa 2012

Miaraka amin'ireo an'arivony maty, nampijaliana, nosamborina sy nanjavona, mitohy ny tolon'ny vahoaka Siriana ao anatinà herisetra tsy mbola nisy toy izany. Ao anatin'ny ezaka ataony hampanginana ireo mafana fo, nohamafisi'ny fitondrana ny fepetra faneritereny ireo mpanao gazety, bilaogera ary ireo maàna fo amin'ny famokarana lahatsary. Salma Yafi, mpianatra ho mpanao gazety sady mpikambana ao amin'ny Antoko National Development Party, dia iray amin'ireo faramparany nizaka ny nataon'ny fitondràna.

Syria: Fanentanana Ho Fampitsaharana Ny Herintaonan'ny Rà Mandriaka

  14 Marsa 2012

Ho fanamarihana ny faha-herintaonan'ny herisetra nandritra ny revolisiona Syriana, izay nanomboka tamin'ny faha-15 ny volana Martsa, nisy ny fanentanana natao ho an'ny daholobe ho fankalazana izany, ka nitarika ireo mpisera Twitter sy fikambanana ONG (CIHRS, FIDH, etc.) manerana izao tontolo izao hanao antso avo amin'ny mpitondra manerantany mba hitambatra sy...

Brezila: Tantaran'Ilay Mpifindra Monina Syriana 93 Taona

  09 Marsa 2012

Teraka tany Hwash tanàna ambanivohitra any amin'ny faritra andrefan'i Syria any amin'ny faritanin'i Homs i 'Sito Badia', 'Bebe Badia' amin'ny teny Arabo - araka ny ilazan'ny zafikeliny azy. Nifindra tany Brezila niaraka tamin'ny fianakaviany izy 80 taona lasa izay, fony fao 13 taona monja izy. Ity tantara manaraka ity no mampahatsiahy ny fifindramonin'i Arabo anisan'ny voalohany tany Brezila sy Amerika Latina.