· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Febroary, 2012

Syria: AFAKA i Razan Ghazzawi Sy Ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

GV Mpisolovava  20 Febroary 2012

Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, izay voasambotra fanindroany indray tany ampiandohan'ity herinandro ity , dia nafahana ny Sabotsy teo niaraka tamin'irei vehivavy mpiara-miasa aminy. Ireo lehilahy mpiara-miasa aminy ao amin'ny Birao Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskaosy dia samy mbola voatana any am-ponja avokoa.

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

  19 Febroary 2012

Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...

Syria: Razan Ghazzawi Nosamborina … Indray

  19 Febroary 2012

nosamborin' ny mpitandro ny filaminana Syriana i Razan Ghazzawi, mpamahana bolongana sy mpitolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, miaraka amin'ny namany 13. Mitatitra i Hisham Almiraat.Syrian security forces have arrested Syrian blogger and freedom of speech advocate Razan Ghazzawi again, along with 13 of her colleagues. Hisham Almiraat reports.

Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

  16 Febroary 2012

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao namoy ny ainy izao. Nifandimby ny alahelo sy ny dona tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny valantserasera, tao ireo nanontany ny antony...

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

Isiraely: Ny Lainga, Ny Marina ary ny Meme (momba ilay Miaramila sy ilay Tovovavy)

  05 Febroary 2012

Nivezivezy tany amin'ny tranonkala sosialy any andro vitsivitsy lasa izay , ity sary eto ambany ity, izay ahitana miaramila manitsaka zazavavy kely, lazaina fa miaramila Isiraeliana sy zazavavy Palestianiana. Wesley Muhammad izay namoaka azy ity dia nilaza ho nahita azy ity avy tany an-kafa, ary manontany tena tamin'ny nahatonga azy ho nalaza...