· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Janoary, 2012

Syria: Tolona ho amin'ny Fahafahana Sy Famaranana Ny Fahanginana

  14 Janoary 2012

Hatramin'ny volana Martsa 2011, tonga hatrany Syria ny fitroarana niainga tao Tonizia sy Ejypta, an'arivony ireo namoy ny ainy tamin'izany ary an'aliny kosa ireo nosamborina sy tsy hita popoka. Miatrika famoretana tsy mbola nisy hatrizay sy ady atao amin'ny haino aman-jery hanalana endrika fanoherana amin'ny endriny rehetra ny mpikatroka Syriana....

Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad

  11 Janoary 2012

Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony. Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao toerana misy azy izao. Ity misy fanaovana bango tokana ireo fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter tamin'i Al Assad niresaka tamin'ny vahoakany - dia tsy iza fa ireo vahoaka ireo ihany izay novonoina noho ny fihetsehany ho an'ny zony ara-demaokratika.

Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna

  07 Janoary 2012

Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary. Ireo lahatsary sasany mivezivezy any anaty aterineto dia mampiseho mazava tsara ny fisian'ny fanamboamboarana, hoy i Leila Nachawati Rego manoratra.

Tontolo Arabo: Taona Iray An-ttsary – Ny Fantin'ireo Mpanoratray

  04 Janoary 2012

Satria nataontsika veloma mandrakizay ny taona 2011 ary mibanjina indray ny taona 2012, dia nangataka ireo mpanoratray izahay mba hizara aminareo ireo sary izay manamarika iny taona lasa iny eo imason-dru zareo tany amin'ny fireneny isanisany avy. Ity fantina manaraka ity no maneho ny safidin'izy ireo.

Syria: Famonoana Feno Habibiana Iray Tamin'ny Krismasy

  01 Janoary 2012

Mihoatra ny 250 ireo Syriana nisy namono nandritra ireo roa andro lasa, izay niafara tamin'ireo onjam-pahatairana erak'izao tontolo izao. Avy any amin'ny Filan-kevitra Nasionalin'ny Syriana mpanohitra (SNC) ny tatitra momba ireo "famonoana mampihorohoro" ireo, izay nanitrikitrika ny hanamelohan'ny Vondrona Arabo ireo famonoana ireo sy ny handraisan'ny Firenena Mikambana fepetra mba hiarovana ny olon-tsotra. Mihetsika manoloana ny famonoana nitranga tamin'ireo olom-pirenena Syriana ireo mpampiasa aterineto eo ambanin'ny tenifototra Twitter #ChristmasMassacre