· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Desambra, 2011

Syria: AFAKA ilay bilaogera Razan Ghazzawi!

  19 Desambra 2011

Navotsotra ny alina teo ilay Siriana bilaogera, taorian'ny nandanianty 15 andro tany am-ponja Siriana. Ghazzawi, izay manoratra bilaogy avy ao Syria eo ambanin'ny tena anarany marina , dia nosamborina tany amin'ny sisintany manasaraka an'i Syria sy Jordania, raha iny izy an-dàlana hanatrika atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety hatao an'y Aman iny indrindra. Nanakiana ny fisamborana azy daholo ny mpiondana aterineto maro manerana izao tontolo izao.

Syria: Voaheloka i Razan Ghazzawi, Manohy Ny Fanentanany Ireo Bilaogera

  13 Desambra 2011

Valo andro taorian'ny nisamborana azy, voaheloka i Razan Ghazzawi, araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny Lebanese Daily Star, voampanga aminà "fananganana fikambanana mikendry ny hanova ny mpitarika ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin'ny firenena" ary "manao izay hamparefo ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenena, ka manandrana mandrehitra ny afon'ny fifankahalàna isam-paritra" sy "mandemy ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenen" -- ireo rehetra ireo izay mitondra mankany amin'ny fanamelohana 15 taona an-tranomaizina.Manohy ny fanentanany ireo bilaogera mba ho famotsorana azy.

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

  05 Desambra 2011

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.