· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Marsa, 2011

Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana

  28 Marsa 2011

Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary momba an'i Syria.” Araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao Syriana (SANA) dia nampangaina ho mandray “imailaka...

Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”

  27 Marsa 2011

Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe "Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!". Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona mpikatroka Hezbollah any Libanona.

Syria : Horonantsarin'ny famoretana tao Daraa

  26 Marsa 2011

Mitohy ny famaizana ny fihetsiketsehana ao Daraa ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona maty sy maratra, misy ny  sary nalaina tao amin'ny YouTube an'ireo  olo-tsotra mpaka-sary ao an-tanàna, YouTube izay tranokala vao noesorina vao haingana ny fanivanana azy tao Syria. Nalaina tamin'ny 23 martsa ireto horonantsary manaraka ireto izay mampiseho ny famoretana tao...

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

  25 Marsa 2011

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

Syria: Famonoan'olona maro, nanjavona ny Bilaogera sy Mpanao gazety

  25 Marsa 2011

Mbola mitohy ny fifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa, Syria . Vao maraim-be, tafika manokana no namono farafahakeliny olona 6 nandritra ny fanafihana tao amin'ny Moské Al Omari mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nanao ny toerana ho toeram-pivoriana sy hopitaly feno harena. Nitatitra ny televiziona Syriana eto amin'ny firenena fa andia-jiolahy...

Syria: Mitohy Miha-Mahazo Vahana ny Hetsi-Panoherana

  22 Marsa 2011

Ny Alatsinainy 21 Martsa 2011. mitohy ny hetsi-panoherana ao Daraa, any atsimon'i Syria, izay isian'ny tatitra milaza fa mpanao fihetsiketsehana dimy no maty omaly ary iray hafa androany.. Raha ny tati-baovao milaza fa nandoro tranom-panjakana avy eo ireo mpanohitra, ny mponin'ny aterineto sy ireo mafàna fo kosa manamafy fa ny tafi-panjakana no nandoro ireny trano ireny. Mandritra izany, maro ireo ao amin'ny Twitter no manamafy fa i Daraa no mety ho ny Sidi Bouzid an'ny Toniziana.

Syria: Fihetsiketsehana manerana ny firenena, 6 ireo namoy ny ainy tao Dara'a

  20 Marsa 2011

Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo,  dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy amin'ireo tanàna marobe kosa ny fiantsona indray  hidina an-dalambe ny 14 martsa, tao anatin'izany ny renivohitra, Damascus sy Aleppo. Raha...

Syria: Hetsi-panoherana Ho Fanafahana Ireo Gadra Politika, 38 No Voasambotra

  17 Marsa 2011

Tamin'ny 15 Martsa, nanaraka ny "Androm-pahatezerana" tao Syria, andian'olona 150 teo ho eo, mpanao fihetsiketsehana, no nifamory teo ivelan'ny Ministeran'ny Atitanytao Damaskaosy, nangataka ny hamotsorana ireo gadra politika rehetra. Raha kely indrindra dia 38 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo no voasambotra.