The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Saudi Arabia Tahiry Firenena

RSS ho an i Saudi Arabia

2008-09-16

Gender ,
Politika

American Bedu no maminavina raha azo atao olom-pirenena Saodiana filamatra i Sarah Palin: “Manohana ny fampianaram-pamoronana ny tany sy ny eo aminy izy fa tsy ny fampianaram-pivoaran'ny tontolo…Tsy manaiky ny fanalan-jaza izy… Ary ‘tokony' hahalala zavatra maro momba ny solika izy satria avy any amin'ny fanjakana mpamokatra izany any Amerika.”

2008-09-10

Fanabeazana ,
Zon'olombelona

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny fahasamihafan'izy ireo hampisongadina ny  fiaraha-monina Saodita miohatra amin'ny fiaraha-monina hafa amin'ny ankapobeny.”

Hevitra

Stranger in this Dunya (vahiny eto amin'ity Dunya ity) no mitaraina fa toa tsy misy mampiasa adiresy ny eto Arabia Saodita: “Ny fanoroan-dalana no toa mora kokoa: ‘Eto amin'ny lalana Takhasussi isika izao, ilay tena manaraka ny Bankin'i Riyadh indrindra ary andamosin'ny fivarotana xyz. Ilay trano lehibe misy voaloboka amin'ny sisiny io.' “

2008-09-07

Fifidianana ,
Gender

Mpamaham-bolongana mipetraka any Arabia Saodita Nzingha, manan-janaka dimy, no mahatsapa fa diso ny masontsivana itsarana an'i Sarah Palin: “Tsy tokony hisy ny tsy hanohana azy noho ny mahareny azy fotsiny tahaka ny tsy tokony hanohanana an'i Palin satria vehivavy izy. Tsy miankina amin'ny nonony tsy akory ny fahafahany manatontosa ny asa, fa miankina amin'ny safidy politikany, ny traikefany, ary ny vina hataony ho an'ny fireneny rehefa voafidy izy.”

2008-09-03

Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any ...

2008-08-13

Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika

Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ...

2008-08-12

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy ...

2008-08-03

Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?

“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny ...

2008-07-23

Arabia Saodita: Ifanavahana hatramin'ny rohy

Efa diso fantatry ny rehetra fa iainana andavanandro ny fifanavahana ny lahy sy ny vavy - fa mba manaoahaoana kosa ny aty an-tserasera? Moa afaka ampiarahana amin'ny vondron-drohy iray ve ny anaran-dahy sy ny anaram-bavy? Nivanivany tamin'ilay hevitra ny mpamaham-bolongana Saodiana iray.

2008-07-22

Arabia Saodita: Harona mainty fitoeram-pako

Monina ao Arabia Saodita ilay Amerikana vavy Sabra … ary tsy maintsy manao toy ny vehivavy Saodiana rehetra rehefa hoe tsy maintsy misarona hatrany an-tampon-doha hatrany am-paladia raha hivoaka ny tranony. Mikasika ny abaya, fisalobonana lehibe entin'ny vehivavy ao Arabia Saodita, dia hoy i Sabra: Anaovako ny abaya-ko rehefa miala ny toeram-ponenana ...