· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Septambra, 2012

Arabia Saodita: Mandrahona Ny Hanakana Ny YouTube Ny Manampahefana

  21 Septambra 2012

Notaterin'ny Sampan-draharaham-baovao ofisialy Saodiana (SPA) androany vao maraina fa naneho ny heviny tamin’ilay horonantsary “Innocence of Muslims (Tsy fahalalàn'ny miozolomana)” ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ka nandrahona ny hanidy ny YouTube, izay efa nanakatona horonantsari-mihetsika iray ihany koa farafahakeliny hatramin’ny namoahana ny fanambarana. Toy izao ny tatitry ny SPA [ar]: قامت هيئة...

Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra

  15 Septambra 2012

Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakàn-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.. Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny Kaonsily Nasionaly momba ny Lalàna, saingy ilay fanitsiana natolotra dia mety hanome fahafahana ho an'ny fanamelohana ho faty tsy ho voahozongozon'ny hevitry ny maro.. Ataon'ireo mafàna fo re manerana ny Twitter ny fanoheran-dry zareo.

Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza

  08 Septambra 2012

Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh  vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona...

Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be

  08 Septambra 2012

Ny korontana politika vao haingana tany an-toerana sy ny fakàna olona an-keriny any Libanona no mampandositra ny mpizaha tany, indrindra ireo avy any Golfa. Naneho hevitra ny amin'ny fivoaran-draharaha ireo mpiserasera amin'ny aterineto