The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Saudi Arabia Tahiry Firenena

RSS ho an i Saudi Arabia

2009-07-14

Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson

Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary ...

2009-06-05

Tontolo Arabo: Fa inona no andrasan'i Arabo?

Mpitoraka blaogy roa avy amin'ny lafin-tany arabo roa samihafa no mikamenona amin'ny zavatra iainan'ireo arabo, manomboka any amin'ny Ranomasimbe ka hatrany amin'ny Gôlfa . Ny iray manontany hoe mandra-pahoviana isika no hipetraka ho mpitazana fotsiny foana raha ny firenen-kafa kosa miezaka mampanaraka ny teotr'andro sy  mampivoatra ny tahirim-pitaovam-piadiana eo am-pelatanany  ...

2009-05-17

Arabia Saodita: Hanohintohina ny Hajj ve ny gripan-kisoa?

Silamo anarivoarivony no mizotra isan-taona mankany Lameka hanatontosa Hajj (fivahiniana masina), iray amin'ny andry dimin'ny finoana Islamo. Ho voantohintohin'ny viriosy A/H1N1 na ny gripan-kisoa ve ny Hajj amin'ity indray mitoraka ity? Mametraka ny heviny ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra. Ao amin'ny CrossRoads Arabia, i John Burgess no manazava: Mpikaroka Saodiana iray ...

2009-05-11

Arabia Saodita: Tafio-drivotra iray voarakitra an-tsary

Fakantsary tsotra sy fandraisana sarimihetsika eny an-tanany, nandrakitra tafio-drivotra mahery vaika niharo fasika namely  an'i Riyad renivohitra ireo mpitoraka blaogy saodiana,izay tsy nahita-mitsinjo na dia metatra vitsy monja eo akaiky eo aza ary dia nitsahatra teo koa ny endri-piainana rehetra. Ao amin'ny YouTube, i Riyadh Travels dia nametraka ity sarimihetsika ity izay ...

2009-02-19

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!Video post

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.

2009-02-17

Tontolon’ny Arabo: Very eny an-dalana ny asa?

Araka ny lohatenim-baovao izay milaza mazava ny faharavan’ny toekarena dia manohy ny famehezan-kibony tahaka ny governemanta ireo orinasa sy ny isam-batan’olona, ireo mpitoraka blaogy manerana an’I tontolon’ny Arabo dia miditra an-tsehatra ary manontany hoe: “ho avy eto aminay ve ny tsy fisian’ny asa?”

2009-02-15

Andro manokana StValentin: Misy ny fitiavana ve eny amin’ny lanitry proche Orient?

Raha misy dikany anarivony ny sary iray, dia io no sarin'i Cece, izay miorina anelanelan'i Bahrain sy Kuwait, nalefany amin’ny bolongana mba hamehy ny fahatsapany mikasika ny fetin’ny mpifankatia (saint Valentin). na dia tsy irery aza izy amin’ny fanazavana ny fombafomba, izay mbola vaovao tanteraka ho an’ny faritra, ny hafa kosa ...

2008-12-27

Ejypsiana ampangain'i Arabia saodita ho mpitsikilo

Any am-ponjan'i Riyadh ampangaina ho mitsikilo eto amin'ny Fitondram-panjaka ankehitriny ny mpandamina fandaharana serasera (internet) sy haitao 27 taona Youssef Al Ashmawy. Manoratra i Zeinobia: Saudi Arabia is detaining Egyptian Internet activist Youssef Al Ashamawy. Youssef is being accused of spying on the kingdom for the Egyptian intelligence!! Youssef is detained ...

2008-09-16

Gender ,
Politika

American Bedu no maminavina raha azo atao olom-pirenena Saodiana filamatra i Sarah Palin: “Manohana ny fampianaram-pamoronana ny tany sy ny eo aminy izy fa tsy ny fampianaram-pivoaran'ny tontolo…Tsy manaiky ny fanalan-jaza izy… Ary ‘tokony' hahalala zavatra maro momba ny solika izy satria avy any amin'ny fanjakana mpamokatra izany any Amerika.”