The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Qatar Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Qatar

2008-04-05

Qatar,
U.S.A.

Emgee ao amin’ny Qatar Living (miaina i Qatar) no manome rohy amin’izay tantarain’i Al Jazeera izay milaza fa:

“Nisy fiaramanidina mpiady Amerikana iray tra-doza tao amin’ny tobim-pamaharana tao al-Udeid any Qatar. Nanana olana ara-teknika ilay mpandatsaka baomba B1 teo ampidinana ary nipoaka raha vao nikasi-tany tao amin’ny toby miaramila izay miala tokony ho 35km avy eo Doha renivohitra tamin’ny Zoma alina.”

2008-04-03

Qatar : Maro ny vehivavy noho ny lehilahy

Manontany tena ao amin'ny blaogy Qatar Living i Diesel1210 izay mety ho vokatry ny “tsy fisahalana” [tsy fifandàjan'ny isa] misy amin'ny isan'ny lahy sy ny vavy any Qatar : Ever Wondered what is Qatar best know for, other then the Olympic ambition, the booming economy, the 2nd worlds largest Natural Gas reserve… Well ...

2008-04-02

Iraq,
Qatar,
South Africa

Miarahaba ny ekipam-pirenen’i Qatar amin’ny baolina fandaka i Saddavi ao amin’ny Qatar Living tamin’ny nahazoany isa telo voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka erantany izay hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 (Fifa World Cup), raha nandresy ny tompondakan’i Azia Iràka tami’ny isa 2-0.

2008-03-29

Qatar

Ngourlay no milaza fa nosakanan'ny Qatar Telecoms ny fampiasana (tranonkala) ny Facebook sasantsasany. Nalahatry ny mpamaham-bolongana ny antony dimy mahatonga ny fanakanana ny vohikala: pôrnôgrafia ( na fampisehoana sary mamoha fady), fitsikerana politika ny firenena ao amin'ny Helodrano ary fananganana vohikala fanoherana ny fivavahana Islamo; ny vohikala sasany indray moa dia voasakana ‘tsy nahy' ary ny hafa indray dia voasakana satria mety ho manakiana olona fotsiny.