The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Palestine Tahiry Firenena

RSS ho an i Palestine

2009-03-01

Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza

Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka 'rôkety' any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy ...

2009-02-28

Angaredon’ny mpamaham-bolongana Arabo manohitra ny Jodaisma ao Jerosalema

Nesorin'ny fitondra-panjakana israelianina ny mponina Arabo ary narodan'izy ireo ny tranony tao Jerosalema, tsy handalo fotsiny ity raharaha ity ho an'ny mpitoraka bolongana. Niantso ny mpitoraka bolongana iray hafa mba hanendry herinandro iray hanipazana bolongana mahakasika an'i Jerosalema.

2009-02-20

Palestina : Ny tantaran'ilay “martiora” avy any GazaSary post

Mangirifiry ny fahafatesan'ny olona akaiky anao, nefa atao ahoana no hahazaka ny fahoriana raha ilay olona no naniry ny ho faty ? Ilay mpitoraka bilaogy avy any Gaza, Samaher Al Khazandar no nanoratra mikasika ny zanak'anabaviny antsoina hoe Mu’min Musa Al Khazandar, izay nanaraka ny miaramilan'ny Hamas, ary nanapa-kevitra fa ...

2009-02-13

Ejipta : tsy mitsahatra ny fisamborana ireo mpitoraka bilaogy

Mbola lasibatry ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana hatrany ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana. Nandritra ny herinandro fotsiny izao dia efa mpitoraka bilaogy 2 no voasambotra. Ny nanombohan'ny tantara anankiray amin'ireo dia ny diabe natao hoe "ho any Gaza" nokarakarain'ny mpanao pôlitika mahery fihetsika 14 avy any Ejipta, Etazonia, Angletera, ...

2009-02-03

Israely: Tatitry ny Rosiana iray, mpanao gazety an-tsary

Dmitry Kostyukov (LJ user kostyukov), mpanao gazety Rosiana, dia mamita iraka any Israely amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Aogositra 2008, nandrakotra ny ady tany Osetia atsimo izy, ary ity misy fampisehoana mandritra ny 6 minitra ny sary nalainy tany: Hatramin'ny namoahany iny sary iny tao amin'ny blaoginy tamin'izy efa tany Israely, ...

2009-01-28

isiraely: Fa aiza i Mahmoud al-Zahar?

Loharanom-baovao Palestiniana iray no voatsonga tao amin'ny Sunday (alahady) raha nilaza fa naratra nandritra ny andro farany nanaovan'ny Isiraeliana fanafihana tany Gaza ny Loholona ambony ao amin'ny Hamas Atoa Mahmoud Zahar. Nolazain'ny gazety fa nalefa haingana tany Kairo ny tenany mandra-pahatongan'ny ekipana mpitsabo tany aminn'y toerana misy azy. Tsy nisy ...

2009-01-23

Palestina: “Zava-poana ny rehetra eto Gaza - ny fifohana rivotra, ny fihazakazahana, ny fanantenana”

Ato anatin'ity topimason'ny blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika ny antsipirihan'ny fanafihana ny toeram-pitsaboana Al Quds ao amin'ny faritry Tel al-Hawa any amin'ny tananan'i Gaza , avy amina Aostalianina mafana fo izay teny an-toerana tamin'iny fotoana iny, ary Italianina iray manoritsoritra lehilahy maratra tsaboina ao amin'io toeram-pitsaboana io, izay ...

2009-01-22

Nakaton'i Maraoka ny ambasadiny any Caracas

Nanambara i Maraoka tamin'ity herinandro ity fa hakatony ny ambasadiny any Venezoelà noho ny faneken'ity firenena ity an'i Repoblika Arabo Saharawi Demaokratika (SADR) ho firenena, Ilay faritra fantatra hoe “Sahara andrefana manko” die eo ambany fanapahan'i Maraoka. Firenena 48 no manaiky ny fijoroan'i SADR ary ny 13 amin'ireo dia manana ...

2009-01-19

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena ...

2009-01-18

Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady

Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo tao an-toerana – sy ny hoe nahoana no ny fisintahana an'i Gaza sisa no azo antoka indrindra ...