· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Desambra, 2012

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Krismasy ao Bethlehema

  25 Desambra 2012

Krismasy ny ao Bethlehema, amoron'i Jordana, Palestina, toerana nahaterahan'i Jesoa Kristy. Inona moa ny fomba tsara kokoa hankalazana ity fotoana ity tahaka ny fizarana sary sy ny fihetseham-pon'ny mpiserasera amin'ity fotoana ity, izay ankalazain'ny olona amina miliara manerantany.

Lanja Miakatra “Saimbolika” Azon'i Palestina Ao Amin'ny Firenena Mikambana

Matimaty [tsy mafana tsy mangatsiaka] ihany ny fomba nandraisan'ny mpiserasera ny toetra avy amin'ny “fisiana manokana” misy an'i Palestina mankamin'ny maha-“fanjakana tsy miankina” ao amin'ny Firenena Mikambana – izay manontany izay azon'i Palestina amin'izany fihetsika ‘saimbolika’ ao amin'ny Firenena Mikambana izany, indrindra ho an'ireo miaina amin'ny fibodoana Isiraeliana sy ireo...