· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Novambra, 2012

Manohana An'i Palestina i Pakistana

  28 Novambra 2012

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady. Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra...

Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?

  21 Novambra 2012

Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro nisian'ny herisetra. Tao Gaza, Hoy i Ismaeil Mohaisen nitatitra: @IsmaeilFadel: VAOVAO FARANY: hanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny lehiben'ny...

Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay

  21 Novambra 2012

Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2008, nandritra ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza izay namoizan'ain'olona mahery ny 1400 (olo-tsotra avokoa ny 700 mahery), nampiasa ny tambajotra sosialy ny olona manerantany mba haneho hevitra mikasika ny fanafihana sy ny politika ambadik'izany.  Twitter, izay mbola sehatra fampiasan'ireo tanora, no toerana niadian-kevitra, raha toa kosa ka...

Ny Ankizy No Mizaka Ny Vokatry ny Ady Ao Gaza

  20 Novambra 2012

Mahavaky fo ny mahita ny sarin'ireo ankizy Palestiniana namoy ainy izay niparitaka tamin'ny fampahalalam-baovao sosialy androany, ho fanaraina ny saina manoloana ny voina miseho amin'izao fotoana izao ao Gaza, satria mbola manohy mifampitifitra foana i Isiraely sy ny Hamas. Androany no andro fahadimy hatramin'ny fandarohana baomba nataon'i Isiraely ao Gaza...

Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

  19 Novambra 2012

Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo.

Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “

  18 Novambra 2012

Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna olona efatra. Novalian'i Isiraely tamin'ny alalan'ny tifitra an'habakabaka izany tao Gaza; ary avy eo novalian'ireo antoko miaramila sy ny Hamas...

Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”

  18 Novambra 2012

Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."

Miomana Hanao Fanafihana An-tanety Ao Gaza Ve Israely?

  17 Novambra 2012

Niomana hiatrika andro iray hafa hisian'ny zara baomba tsy an-kiato ny mponina ao Gaza, satria mandeha be ny vaovao momba ny mety hisian'ny fananiham-bohitra hataon'ny israeliana.Toy ny omaly, ilay Palestiniana biloagera ao Gaza dia nanome fanavaozam-baovao hatrany ho an'ireo mpanaraka tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy, isan'ora