· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Marsa, 2012

Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid

  21 Marsa 2012

Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.

Fanafihana ao Gaza, Malaza Ny #TerroristIsrael Ao Amin'ny Twitter

  13 Marsa 2012

Nanaparitaka vaovao tsy an-kiato mikasika ny  #GazaUnderAttack tao amin'ny Twitter ny Palestiniana sy mpitolona Palestiniana hatramin'ny 9 Martsa 2012, noho ny fanafihana miseho ao Gaza izay niteraka fahafatesana  Palestiniana 23 sy maratra maherin'ny 100, ka maratra mafy ny sasany amin'izany. Tamin'ny 11 Martsa, mpitolona tsy afaka mivoaka ny trano nampiasa tenifototra vaovao antsoina hoe #TerroristIsrael mba...

Palestina: Voatafika Indray i Gaza

  13 Marsa 2012

Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.

Espaina: Nandrahona Mpitolona Amin'ny Fehikibony ny Filohan'ny Mpanao Gazety

  10 Marsa 2012

Nanantosa fampiratiana sary fiarahan'i Israely sy i Espaina tamin'ny Alarobia 7 Martsa teo tao Granada, Espaina ny Filohan'ny Mpanao Gazety ao Granada, Antonio Mora, raha nitsofoka tao amin'izany efitrano izany ireo mpitolona manohitra ny fibodoana avy amin'ny fikambananna antsoina hoe Plataforma Andalucía con Palestina (Sehatra Andaloziana miaraka amin'i Palestina). Nitondra saina Palestiniana izy ireo ary...