· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Jolay, 2010

Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany

  19 Jolay 2010

Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.

Palestina: miaina miaraka amin'ny gropy elektrozena ny any Gaza

  10 Jolay 2010

Aizina ao Gaza, nalaina tao amin'ny Flickr Free Gaza Movement Nakatona vonjy maika ny toby famatsiana herinaratra tokana ao Gaza ny 25 jona lasa teo, noho ny disadisam-pandoavam-bola teo amin'ny Hamas sy ny fanjakana palestiniana ao Ramallah izay nahalany ny solika. Mizaka izany fahatapahan-jiro izany ny mponina ao Gaza ankehitriny,...