2008-12-09
Ezypta: Famaritana ny fampihorohoroana
Mpamaham-bolongana Ezypsiana City Bird no nanao ity lahatsoratra manaraka ity:
قالت مدرسة الرسم : ارسموا موضوعا عن الإرهاب
رسم الطفل هذا الرسم
قالت المدرسة : إيه الهباب اللي انت راسمه ده؟؟ إحنا عايزين ملتحين بيقتلوا الناس
Nampanao sary ny mpianany ny mpampianatra iray ka momba ny fampihorohoroana izany.
Ary nanao io sary eo ambony io ...
2008-12-06
Ezypta: Alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000
Ny Mobinil an'i Naguib Sawiris no lohalaharana amin'ny orinasam-pinday any Ezypta.
Naka hevitra avy amin'ny dokambarotry Mobinil hoe " alaivo sary an-tsaina ny mety ho vitan'ny Ezypsiana 20 000 000" i Scene & Heard.”
2008-12-05
Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas
Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.
Ezypta: Sarobidy kokoa ny mahavirijiny noho ny famonoana olona
Voasariky ny tantaran'ny famonoana olona mampihoronkoditra iray indray i Ezypta, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo roa ireto nisy namono teny an-tohatra tany amin'ny tanànan'ny 6 oktobra (mampahatsiahy an'i 67ha lahy izy izany!) fivondronan'i Sheikh Zayed ireto. Zanaka vavin'ny mpihira Maraokana Laila Ghofran ny iray tamin'ireo novonoina.
Ity vono olona ity dia nanaraka ...
2008-12-04
Ezypta: Boky amerikana
Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.
2008-12-03
Ezipta: Very Bolongana Ry Ezipsiana mpamahana azy
Maro amin'ny mpamaham-bolongana Ezipsiana no very bolongana... Moa ve niniana naaton'ny mpampiatrano vohikala ireny bolongana ireny sa misy tanana tsy hita maso milalao any ambadiky ny sehatra? Vakio eto ary ny tenenin’ny mamaham-bolongana amin’ity fivoarana vaovao ity.
2008-11-28
Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai
Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.
2008-10-21
2008-10-15
Ezypta: Voafonja asesika toy ny Sardine
Gadra atao antontany ao anaty baravy? Nampiseho fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ny bolongany malaza Misr Digital indray ilay Ezipsiana mpamaham-bolongana Wael Abbas efa nandrombaka loka.
Wael no manazava:
هذه الصورة أرسلت إلي عن طريق المسنجر وقد إلتقطت بالتليفون المحمول لغرفة الحجز في أحد أقسام الشرطة - لا نعرف أي قسم حتى الآن - ...
Iran: fitokonana noho ny hetram-barotra vaovao
Nitokona ho fanoherana ny hetra momba ny varotra 3% vaovao - na fanampin-tsandan-ketra nandritra ny roa volana ny mpivarotra any amin'ny Bazariben'i Teheran, sy ireo any amin'ny bazarin'ny tanàna lehibe Iraniana tahaka an'i Tabriz, Isfahan ary Mashad.
Nahanton'ny fitondrana moa ny fampiharana ilay lalàna, ary manondro ny mpitatitra sasany fa niverina ...





Ny famorana ve, vaksinin'ny SIDA?
- mafinaritra le adihevitra fa inona kay ny tena anton'ny famorana hoan'...
Tohiny »