2008-08-12
Israel,
Jordan
Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 - raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra - izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.
Iran
Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.
2008-08-11
Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna
2008-08-07
Turkey
Tsy voasokatra hatrany Torikia hatramin'ny faharoa aogositra 2008 lasa teo ilay tranonkala fifampizarandahatsary Firantsay Dailymotion.com. Tsy misy fanazavana ny antony nanakanana ny tranonkala hoy i Erkan Saka, mpamaham-bolongana mipetraka any Istanboul.
2008-08-03
Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?
2008-08-02
Israel
Avy any Isiraely, Not a Fish (tsy trondro) no nanoratra ny fianarana momba ny lalàm-pifamoivoizana ho an'ny mponina tsy jiosy any Isiraely - ary ny tanjona amin'izany dia ny hampihenana lozam-pifamoivoizana. Mpitondra fivavahana 250 no nanatrika nandritra ny indray andro ny lesona momba ny fiarovana ny ankizy, fisorohana ny loza ary ny finoana silamo momba ny anjara izay mifanohitra amin'ny andraikitry ny tsirairay. Hatramin'ny voalohan'ny taona manko dia Arabo 86 amin'ny fitambarany 244 no matin'ny lozam-pifamoivoizana.
2008-07-31
Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana
Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.
Israel,
Lebanon,
Syria
“Firifiry ny isan'ny misolelaka any amin'ny fitondrana Siriana (manohitra an'Isiraely) mandritra ny herinandro? Ny valiny: feno. Koa miangavy re: teneno ny fitondrana Siriana tsy hiteny amin'ny anaran'ny Arabo manontolo raha mampanantena fandriampahalemana sy mandrindra fihavanana amin'Isiraely izy. Ary tsarovy ihany koa fa efa nampanantena toy izany i Sadat (filoha eziptiana taloha nisy namono) tamin'ny androny,” hoy ilay Libaney Dr As'ad Abu Khalil ao amin'ny The Angry Arab News Service.
Lebanon,
Palestine
“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.





Arzantina:Nolavin'ny loholona ny fampiakarana ny haba amin'ny fanondra...
-
Muy bueno tu sitio, cuando estes muuuuy aburrido pasate por el mi...
Tohiny »