· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Oman tamin'ny Desambra, 2010

Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

  25 Desambra 2010

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa "ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika".