2009-05-24
Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray
11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny mozika Mawazine.
Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja Hay Nahda hipooky ny mpijery ...
2009-05-21
Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby
Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA). Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby sy mpiandraikitra ...
2009-03-11
Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”
Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy.
Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...
2009-03-07
Morocco: namoaka ny sangan’asa voalohany ny mpanoratra Morokan-Amerikana
Efa ho taona vitsivitsy izay no nanoratany ny bokiny voalohany, vokatra azo avy amina fanakambanan tantara mitondra ny lohateny hoe Hope and Other Dangerous Pursuits (Fanantenana sy ny Fanenjehana hafa atahorana), no navoaka. Tafiditra tao anatin’ny mpanoratra fanta-daza ao Morocco I Laila Lalami. Rehefa voadika tamin’ny teny Anglisy ny asa soratra vitsivitsin’ny Marokana, eny fa na ny an’ireo mpanoratra vehivavy vitsivitsy koa aza, dia nameno ny banga eo amin’ny fifandraisan’ny literatiora Morokana amin’ny literaora tandrefana ny bokin’I Lalami voasoratra amin’ny teny Anglisy.
2009-02-26
Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!
Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina).
Mahalala ...
2009-02-24
Maghreb: Nifampiresaka tamin’I Polisario ny solotenan’ny firenena mikambana mpiandraikitra an’i Sahara andrefana.
Tonga tao Alzeria I Christopher Ross omaly, solotena manokana avy amin’ny firenena mikambana misahana ny raharaha Sahara andrefana, mba hifampireska amin’ny fiadidian’ny Polisario, araky AFP. Mamehy ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy manoloana ny faritry Maghreb momba ny fandrosoana faranay i Jillliana York.
2009-01-22
Nakaton'i Maraoka ny ambasadiny any Caracas
Nanambara i Maraoka tamin'ity herinandro ity fa hakatony ny ambasadiny any Venezoelà noho ny faneken'ity firenena ity an'i Repoblika Arabo Saharawi Demaokratika (SADR) ho firenena, Ilay faritra fantatra hoe “Sahara andrefana manko” die eo ambany fanapahan'i Maraoka. Firenena 48 no manaiky ny fijoroan'i SADR ary ny 13 amin'ireo dia manana ...
2009-01-21
Faritra Arabo: Fanehoan-kevitra @ fitokanana an'i Obama
Androany (20 janoary) no fotoana manan-tantara eto Etazonia hanaovan'i Barack Obama fianianana amin'ny maha-prezidà faha-44 azy. Raha nihanihena ny fanohanana an'i Obama any @ tontolo arabo nandritra izay volana vitsy nanginany sy nanginan'ny governemantany nandritra ny fahafihan'ny Isiraely tany Gaza izay, dia mbola manana zavatra maro hotenenina kosa ny ...
2009-01-17
Maraoka: Firenena nisara-kevitra noho i Gaza
Ary satria moa mivory any Doha ny mpitarika Arabo, dia lasalasa saina ihany izao tontolo izao te-hahalala hoe amin'ny fomba ahoana moa ahafahan'izy ireo mampitsahatra ny fifanandrinana misy any Gaza. Omaly no nipoaka ny vaovao fa tsy ho any Doha na fihaonana an-tampony hafa ny mpanjakan'i Maraoka Mohammed VI, satria ...
2009-01-06
Mpitoraka blaogy Maraokana, Toniziana, be no mampita ny zera baomba ao: ‘Ny tsy manantsiny no mandoa ny sarany [mitondra faisana]'
Manohy hatrany ny fampitam-baovao momba ny zera baomba ataon'i Israely ao Gaza, ireo dikanteny avy amin'ny hafatra nosoratan'ireo mpitoraka blaogy ao Maraoka sy Tonizia dia samy mitantara momba ny herisetra nitranga tsy ela akory izay.
Avy any Tanger, Maraoka, baraka dia mampahatsiahy fa baomba amerikana daholo ary nalatsaka avy amina fiaramanidina ...




