Global Voices teny Malagasy » Morocco
Maraoka:Mitohy ny ady atao amin'ny mpanao gazety
Manamafy ny fanenjehana ireo mpanao gazety miahy tena ny manampahefana Maraokana. Mahàlana izany hoe herinandro iray tsy ahitana ny fanjakana  manameloka mafy ny asa fanaovan-gazety izany, na ny an-tsoratra na ny media amin'ny aterineto. Ny mpiaro ny fahalalahana manao gazety toy ny Reporters Without Borders izao dia mitsara ny zava-mitranga amin'ny fahalalahana manao gazety ao amin'ny firenena ho “sarotra”, amin'ny fanamelohana “rafi-pitsaràna mamoaka andian-tsazy noforonina mba hanakivy sy hanakenda ny lafiny ara-bolan'ny fanaovan-gazety tsy miankina.”
Ny   fanenjehana farany voarakitra izao dia ny didy famonjàna navoakan'ny fitsaràna ao Casablanca ny Alatsinainy teo ho an'i Said Laâjal, mpanao gazety ao amin'ny Al Massa'e, gazety mpivoaka isan'andro tena be mpamaky, sy ny mpiandraikitra ny fanontàna azy, Rachid Nini, mpanoratra “chroniques” fanta-daza. Ireo mpanoratra roa ireo moa dia samy voarohirohy ho “namoaka vaovao tsy marina” mifandraika amina lahatsoratra mahakasika raharaha-na zava-mahadomelina. Nanambara i Nini fa tsy hanao fampakarana ny didy nivoaka izy. (loharanom-baovao: AFP) Niady hevitra momba izany sy ny fizotry ny raharaha ireo mpitoraka blaogy.
eatbees, mpanoratra Amerikana, mpaka sary ary mpitoraka blaogy monina any Maroka dia manahy momba izay tena tanjon'ireo mpampanoa lalàna. Manoratra izy:
Fanamelohana an-kitsirano sy tsy ahoan-tsy ahoana ny fanaovan-gazety izao. Manao hadisoana sy mitatitra vaovao mety tsy ho marina ireo mpanao gazety indraindray. Misy ireo fomba famahàna izany, nefa tsy anisan'ireny ny fandefasana ireo mpanao gazety any am-ponja. Manahy mafy aho fa nanaovana tsindrihazolena i Nini sy Laâjal, tsy noho ity zava-nitranga ity, fa noho izy ireo manohitonhina olona manana  toerana ambony. Na mety ho fomba hanenjehana an'i Nini fotsiny izao, izay amin'ny maha-mpamoaka ny gazety Maraokana be mpamaky indrindra sy mpanoratra ny fanehoan-kevitra be mpamaky indrindra azy any Maraoka, dia lasa ivon-kery amin'ny zony manokana.
Raha tena tapa-kevitra ny tsy hampakatra marina ny didy momba azy  i Nini, ka mandeha any am-ponja, dia ho fihetsika maneho herim-po sy tsy fankatoavana sivily izany. Hahatonga azy ho maritiora ho an'ny fahalalahana manao gazety eo imason'ny Maraokana an-tapitrisany izany. Mazotoa amin'izany, ry firenena Maraokana.
Tsara ny manamarika fa efa eo ambany vesatry ny  onitra goavana noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ilay mpanao gazety, izay mety hahaborona ny fanontàna iray manontolo, araka ny nosoratan'ilay mpitoraka blaogy Ibn Kafka [Fr], mikasika taratasy iray nolazaina ho nosoratan'i Nini, mangataka ny famelan'ny mpanjaka:
Rachid Nini vit légitimement fort bien de cette florissante entreprise de presse (dans le contexte ravagé de la presse marocaine)…
[Il] aurait adressé une supplique au Roi […] dans laquelle il demande l’absolution des pêchés – en clair, la grâce pour son journal. Rien ne permet de garantir cette information, qui en soi n’est pas infâmante.
Mahavelona tsara an'i Nini io orinasam-panaovan-gazetiny io (mifandraika amin'ny tontolo rotika misy ny haino aman-jery Maraokana) …
Mino ny sasany fa nandefa taratasy fitalahoana tany amin'ny mpanjaka i Nini nangatahany fanafoanana ireo helony - raha tsorina, fangatahana famotsoran-keloka ho an'ilay gazetiny. Tsy misy fanamarinana izany vaovao izany, izy tsy maharikoriko rahateo koa.
Vao haingana no nisy adihevitra mifanohitra momba an'i Rachid Nini  tamin'izy nitsipaka am-pahibemaso iray tamin'ireo mpanao gazety tao aminy izay naneho ny fanohanany mpiara-miasa iray voarahona sy voahenjiky ny governemanta. Larbi, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Comme une bouteille jetée à la mer!, dia milaza [Fr] fa tsy tokony hampidirana an'i Nini any am-ponja izany na handraisana ilay mpanao gazety ho mahery fo. Manoratra izy:
[H]eureusement que tout le monde n’a pas la même conception de la liberté d’expression et liberté de la presse que celle de Monsieur Nini. La place des journalistes n’est pas la prison mais dans leurs rédactions. Cela vaut pour tous les journalistes. Cela vaut pour Monsieur Nini . Et encore plus pour le journaliste Saïd Laâjal. La place de Rachid Nini et de Saïd Laâjal n’est pas la prison mais dans leur rédaction. Je suis bien entendu solidaire avec Rachid Nini et Saïd Laâjal. Parce que la peine de prison ferme qui leur est infligée est injuste au vu de ce qui leur est reproché. Et parce que même Monsieur Nini a a droit à ce qu’il a toujours dénié aux autres : exercer son métier de journaliste et s’exprimer librement, sans intimidations et sans procès arbitraires débouchant sur des peines infamantes.
Soa ihany fa tsy mitovy ny fahatakaran'ny rehetra sy Atoa Nini ny fahalalahana maneho hevitra sy ny falalahana manao gazety. Tsy any am-ponja no toerana tokony hisy ireo mpanao gazety fa any amin'ny biraony. Ho an'ny mpanao gazety rehetra izany. Ho an'Atoa Nini inhany koa. Ary na ho an'i Said Laâjal aza. Tsy any am-ponja no tokony hisy an'i Rachid Nini sy Said Laâjal fa any amin'ny biraony tsirairay avy. Mazava ho azy fa manohana an'i Rachid Nini sy Said Laâjal aho, satria ny sazy fampidirana am-ponja azy ireo dia tsy rariny raha jerena ny zavatra iampangàna azy. Ary satria na Atoa Nini aza dia manana zo amin'izay nolaviny foana tamin'ny hafa: izany hoe ny fanaovana ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy ary malala-pitenenana, tsy misy fampitahorana sy fitsaràna tsy marina mitondra amina sazy mahasosotra.
Hevitra iray nozarain'i Naoufel izay manazava[Ar] fa tokony ho an'ny tsirairay ny Fahalalahana fanaovan-gazety, na ho an' Atoa Nini aza. Manoratra izy:
هو بالنسبة لي شخص وقح .. انتهازي و متملق، يكتب ضد أي شيء إلا الملك..يحاكم الحكومة و الشعب و زملائه في الصحافة لكنه لا يتجرأ أن يقترب من مربع القصر رغم أن اصغر طفل في المملكة التي لم تعد شريفة يعرف أن أصغر قرار لا يمر دون دراية الملك..كتب ضد من كانوا زملائه[…]
الآن..هل نتضامن معه؟
لا خيار آخر
Amiko i Nini dia tia midera tena, mpanararaotra ary mahasosotra (sic). Manoratra zavatra mifanohitra amin'ireo rehetra izao izy, afa-tsy ny mpanjaka… Mametraka ny governemanta, ny vahoaka ary ireo mpiara-miasa aminy eo anoloan'ny fitsaràna nefa tsy sahy mandeha n'aiza n'aiza manodidina ny rovan'ny mpanjaka, na ny zandriny indrindra amin'ireo zaza ao amin'ny fanjakàna Sherifian (taranaky ny mpaminany) aza dia mahafantatra, izay marihana fa tsy Sherifian intsony, fa na ny fanapahan-kevitra faran'izay kely indrindra aza dia tsy manan-kery raha tsy mandalo any amin'ny Mpanjaka.. Nanoratra manohitra  ireo mpiara-miasa aminy izy… Ankehitriny, tokony hanohana azy ve isika? Mieritreritra aho fa tsy manan-tsafidy ankoatra izay isika.
Maraoka: Indro tonga ny Masoandro
Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizàra ny eritreriny.
Mahita ny mazava aho,  avy  amin'i si David ao amin'ny Flickr
Ny vinavina, nambara ampahibemaso tany amin'ny tanànan'i Ouarzazate, andrefan'i Maraoka, nandritry ny lanonana natrehan'ny mpanjaka  Mohammed VI sy ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton dia, araka ny nolazain'ireo masoivohom-baovao ao an-toerana, hahafahan'ny firenena mizara amin'ny fomba mitovy ny famokarana ireo angovo azo havaozina ao Maraoka azo avy amin'ny masoandro, ny rivotra ary ny tohodrano amin'ny taona 2020. Amin'izay fotoana izay, ireo angovo azo havaozina dia hanome ny  38% -n'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena, raha ny voalazan'ny loharanom-baovao.
Taha Balafrej, mitoraka blaogy ao amin'ny  Vue du Maroc [Fr], dia manazava fa mety hisy fototra sy ainga vao ara-toekarena ho an'ny fironana politika vaovaon'ny firenena. Manoratra izy:
Dans le milieu des affaires, un intérêt grandissant est perceptible. Il faut reconnaître que l’effet Obama n’est pas étranger à cette prise de conscience animée par les opportunités économiques qu’elle engendre. Un pays comme le Maroc qui dépend presque entièrement des importations pour son énergie, et dont les ressources en eau se raréfient, a tout intérêt à rejoindre les pays qui y croient et y investissent.
Misy fahalinana misonga eny anivon'ny mpandraharaha. Ary tsapan'ny rehetra fa manana anjara ao anatin'io ny “tandindon'i Obama”, miaraka amin'ny vintana ara-toekarena napoitrany. Ho an'ny firenena toa an'i Maraoka, izay miankina betsaka amin'ny fanafàrana raha ny resaka angovo, ary ireo loharanony efa miharìtra, dia tombontsoa tanteraka ny fanarahan-dia ireo firenena  izay mino sy mampiasa vola amin'ny angovo madio.
Ny tetikasa masoandro, izay sady mahazo famatsiam-bola avy amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana, dia hahazo tombony avy amin'ny haitao Amerikana momba ny masoandro sy ny ‘termika', izay toa misovoka ny tsenan'ireo mpandraharaha nentim-paharazana -  ny Frantsay no lohalaharana - zavatra izay tena nankasitrahan'i thestrategist, mitoraka blaogy ao amin'ny  Genesis Morocco tokoa :
Tena ivelan'ny vala ny Eraopeana tamin'ity indray mitoraka ity. Tsara kendry [ ho an'ireo mpandraharaha Amerikana]. Momba tanteraka azy ity aho, ry zareo Eraopena tsy mbola afaka hilahatra mihitsy amin'ny fahaiza-mifehin-dry zareo Amerikana raha resaka  fitantanana asa goavana…
thestrategist, namoaka taratasy misokatra ho an'ny mpanjaka Maraokana, avy eo manazava [Fr] ny antom-panohanany. Hoy izy manoratra:
[Cette technologie pourrait] nous libérer des aléas de la pluviométrie en utilisant l'énergie abondante et renouvelable […], afin de dessaler l'eau de mer et approvisionner outre les besoins de l'industrie et des ménages, un système d'irrigation nationale en appoint, voire en remplacement, de la stratégie des barrages…
[Ity haitao ity dia mety] hanafaka antsika amin'ny fiankinan-doha amin'ny fiavin'ny orana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna angovo azo havaozina tsy manam-petra […], mba hanalàna ny sira amin'ny ranomasina sy hamatsiana, ankoatry ny filàn'ny indostria sy ny isan-tokantrano, ny tambajotram-pirenena tsara petraka ho solon'ny tetikasa fananganana tohodrano…
Raha ny ankamaroan'ny mpitoraka blaogy no manohana ilay vinavina, tsy ny rehetra kosa no resy làhatra. Jebli, mitondra fanamarihana [Fr] ao amina hafatra iray nivoaka tamina gazety mpiseho amin'ny aterineto, Hesspress [Ar], dia mahita fa toa lafo loatra ilay tian-katongàvana. Manoratra izy:
[C]e projet solaire va produire 2000Mega Watt/h, pour un cout de 9 milliards de dollars, ce qui est TROP TROP TROP cher.
Une centrale nucléaire, sa construction de bout en bout coute 1,5 milliard de dollars et produit 1000Mega watt/heure.
Ainsi, avec 9 milliards de dollars le Maroc aurait pu créer 6 centrales nucléaires, et aurait produit 6000Mega watt/heure.
Franchement, je ne comprend pas le choix de nos dirigeants, ils choisissent des téchnologies au hasard, sans réflichir, vraiment ils gaspillent l'argent public.
Ity tetikasa masoandro ity dia hamokatra  2000 Mega Watt / ora, amin'ny vidiny  9 lavitrisa $, izay TENA lafobe tokoa. Ny fanangànana foibe nokleary iray dia andaniana eo amin'ny  1.5 lavitrisa  dolara eo ary mamokatra 1000 Megawatt / ora. Raha 9 lavitrisa  dolara, afaka manana foibe nokleary 6 sy hamokatra  6000 Megawatt / ora i Maraoka. Mba marina e, tsy takatry ny lohako ny safidin'ireo mpitondra antsika. Mifidifidy haitao fahatàny ry zareo, tsy mandanjalanja tsara.  Tena mandanilany foana ny volam-bahoaka mihitsy ry zareo .
Mitondra fanamarihana amin'io lahatsoratra io ihany, i Hay Bin Yaqdanin [Ar], ao anatin'ilay tetikasa dia mahita fitsabahan'ny tànan'ny hery vahiny amin'ireo loharanon-karem-pirenena . Hoy izy manoratra:
نرجو أن لا يخصخص هذا المشروع و نصبح في رحمة شركة ما (في الغالب فرنسية).
لمذا انتظر الملك حتى زيارة كلنتون للإفتتاح صحبتها؟ نظرتي نحو هذا المشروع هو تكريس هيمنة الدول المتقدمة “أمريكا” مثلا
Iriko mba tsy ho tena tsy miankina tanteraka ity tetikasa ity, mba tsy hitrosonantsika any amin'ny ampihimamban'ireo fikambanana vaventy “corporations” ( frantsay ny ankamaroany). Fa nahoana no niandry ny fitsidihan'i Clinton ny mpanjaka? Raha ny fomba fijeriko  an'ity tetikasa ity dia fitaovana izy io hanamafisana ny vahohon'ireo firenena efa mivoatra be, toa an'i Amerika
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany  Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail.  Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny fianakavian'ny mpanjaka”.  Voatondro ihany koa ny fampiasana manokana ny Kintan'i Davida tao amin'ilay kisarisary, ary “mampanontany tena ihany koa ny tanjona tian'ny namoaka ny sary aseho izay mivandravandra fa mampirona any amin'ny fanavakavahana ny Jiosy sy ny ‘jodaisma'.”
Ilay mpitoraka blaogy Analitikis dia mieritreritra fa very ny kivazivazy fanaon'i Maraoka, nefa manontany tena momba ilay mpanao gazety izay nilaza fa ilay kintana dimy tendro eo amin'ny sainam-pirenena Maraoka no tiany naseho tamin'iny, amin'ny fitenenana fa:
Mazava loatra fa fotoana fanararaotran'ny Minisitry ny atitany mba handrarana famoahana ny iray amin'ireo gazety tsy miankina vitsy dia vitsy eo amin'ny firenena…Raha manohana ny falalahan'ny mpanao gazety maneho hevitra aho dia manontany tena momba ny kabariny vao haingana izay nanambarany fa nafangaro tamin'ny Kintan'i Davida ilay kintana raha ilay Maraokana efa mahazatra izy ity. Noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hampiasa ny fahaizana kely ananako amin'ny fikirakirana Photoshop mba hitsapana ny fahamarinan'ny teniny… Ianao no mitsara
Avy eo dia niezaka ny tendro dimin'ny kintana izy saingy tsy nahatafavoaka mihitsy…
Mampiseho ireo tena tendron'ilay kintana ilay mpitoraka blaogy Analitikis
…ary namintina hoe: “Manontany tena aho raha misy idiran'ny fiaviana Alemana avy amin'ny vadin'ny Printsy ity tantara ity…”
Mandinika ny toe-javatra ilay mpitoraka ny blaogy A Moroccan About the World Around Him , amin'ny filazany fa:
Mampanahy be ihany ny governemanta Maraokana ireo gazety tsy miankina, satria miresaka lohahevitra fady izy ireo. Ny fanenjehana ara-pitsarana sy ara-pôlitika mahazo ny mpanao gazety sy mpanakanto tsy miankina, mbamin'ireo gazety sy gazetiboky iasan-dry zareo dia mifanohitra amin'ny filazany ho mampiroborobo fa misolo vava sy miaro ny falalahan'ny fanaovan-gazety izany. Nanamarika ny mpitazana fa ny governemanta no mahazo tombontsoa amin'izao fanenjehana olona izao, ary mikiky tsikelikely ihany koa ny gazety tsy miankina.
Rehefa fantatra ny antony nampisara-dia an'i Bouachrine sy i Nini tao amin'ny Al Masae, dia nataon'ity farany ho fanalan'andro fotsiny ny iray.
Nanazava tamin'ny antsipiriany tamin'ity toe-draharaha ihany koa i Entre Nous Marocains, ka ahitana horonantsary roa ao amin'izany lahasorany izany.  Namintina ilay mpitoraka blaogy:
Durant deux mois, la censure de Telquel, Nichane, Le Monde et les interrogatoires de plusieurs journalistes (Al Ayam, Al Michaal, Al Jarida Al Oula) mais le meilleur pour la fin, la fin d’une époque de censure et d’interrogatoires, et le début d’une époque de saisie de biens. La caricature n’a pas suscitée tout l’intérêt qu’elle suscitera dans les prochains jours. Est-ce que par cette saisie, le ministère empêchera la publication de caricatures, articles sur le Roi ou sur les princes et princesses ?! Ni les censures, ni les interdictions, ni les gros montants de dommages et intérêts n’ont empêchés la publication de tels articles ! Il faut bien penser à une solution qui arrange LES DEUX PARTIES, pas seulement UNE ou AUCUNE comme le cas d’Akhbar Al Youm.
Nandritra ny roa volana, [no nanjaka] ny sivana natao tamin'ny Telquel, Nichane, Le Monde, sy ny fanadihadiana mpanao gazety maromaro (Al Ayam, Al Mishaal Al Jarida Al Oula), fa mbola ho avy ny tena katraka: mifarana ny vanim-potoanan'ny sivana sy ny fanadihadiana fa manomboka kosa ny vanim-potoan'ny fandraofam-pananana. Mbola tsy nanaitra ny olona tahaka tahaka izay hanairany azy aoriana kely ilay kisarisary aloha. Fa angaha hampihemotra famoahan'ny olona sariritatra sy lahatsoratra  momba ny mpanjaka sy ny zanany ny fandraofana ataon'ny minisitera? Tsy manakana ny fivoahan'ireny lahatsoratra ireny na sivana na fandraràna na fandoavana onitra vola be! Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana mety  AMIN'NY ROA TONTA, fa tsy ny IRAY fotsiny na TSY MISY mahazo tombontsoa tahaka ny tamin'i Akhbar Al Youm.
Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly
Tifinagh in use
Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro.  The View from Fez, blaogina mpila ravinahitra, dia nametraka ny fanontaniana hoe “ mety hisolo ny Arabo ve ny  Berbery, ho  tenim-pirenena ofisialy Maraokana? ”  Ny valiny nomen'ilay mpitoraka blaogy?
N y valiny tsotra  dia tsia, tsy hisolo toerana ny Arabo na oviana na oviana ny Amazigh, nefa izany tsy manakana ny olona haniry ny hitrangan'izany. Tao amina fanadihadian'i BBC vao haingana, Abullah Aourik, mpanakanto sy mpamoaka gazetiboky iray amin'ny Amazigh, dia niteny fa te-hahita ny Berbery hisolo ny  teny Arabo ho tenim-pirenena ofisialy any an-toerana.
Nanamarika anefa ilay mpitoraka blaogy fa efa noraisina ho isan'ny tenim-pirenena ofisialin'ireo firenena maro mpiray vodirindrina sasany ny Amazigh, isan'izany i Alzeria.
Nalaky dia nalaky ny Reading Morocco, blaogy mifantoka amin'ny literatiora, vaovao ary blaogy Maraokana, tamin'ny fitsikerana ilay lahatsoratra:
Manana olana vitsivitsy aho amin'ny votoatin'ity lahatsoratra ity (toy ny mahazatra). Tsy dia kinga loatra amin'ny fampitahana ny  Berbery sy ny Arabo aho raha efa raiki-tampisaka anatin'ny tantara Maraokana ny fifangaroan'ireo ” identities” roa ireo, ary tsapako koa fa ny laika sy ny misionary Kristiana dia (izy roa samy mirona amin'ny fankahalana silamo) tia mametraka ny dian-tànan'izy ireo ao anatin'io “fivakisana” ara-kolontsaina sy ara-pinoana io.
Mitsikera toy izany koa ny valin'i ‘Aqoul's :
Voalohany, raha nisy kasinga sy faniriana marina hanana fomba fanoratana ny teny Bebery izay hampidina ny tahan'ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra  sy ny fiantraikany marina eo amina avarapianarana na  mafana fo ara-kolotsaina vitsivitsy, mety nifidy na ny alfabeta latina izy ireo, na raha te-hizotra amin'ny fametrahana tantara tsara fototra izy ireo, dia nifidy ny fomba fanoratra Arabo nampiasain'ireo mponina tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka sy ny vanimpotoana nampiasana ny teny Chleuh (Tachelhite) nanoratana  ireo  Chleuh Berbery.
Kal, iray nitsikera ilay  lahatsoratra (ary mpitoraka ilay blaogy The Moor Next Door), dia nizara ‘anecdotes' heno tany ambanivohitr'i Maraoka momba ny fomba fampianarana ny Tifinagh:
Raha misy iray miresaka amin'ireny ankizy avy amina tanàna tsy mahay mamaky teny sy manoratra any an-tendrombohitra sy atsimo, tsapako fa somary ketraka ry zareo amin'ny faniriana ofisialy hampianatra azy ireo amin'ny Tamazight; fa maninona raha ampianarina mamaky teny sy manoratra amina teny azony ampiasaina aloha ry zareo, toy izay hampien-danja azy ireo amina teny tsy hitondra azy ireo lavitra noho ny efa misy azy izao? Naheno olona maro avy any Sousse aho nanoritsoritra ny ezaka fampianarana Tamazight sy mankalaza be ny Tifinagh toy ny “tsikombakomba” hitazonana ireo fiaraha-monina Berbery amin'izao toerana mifotetaka efa misy azy izao. Na ahoana na ahoana ny mahamety na tsia an'izany,  misy malailay fonosana amin'ny fampitovian-drafitra ihany koa,  izay midika famelana ny tenindreny sy ny fiainana andavanandro manoloana tanjona iray tsy mbola hita fiafarana sy mampiahiahy.
Ho an'ireo izay liana, vakiteny iray mahavariana momba izany nosoratan'i Katherine E. Hoffman, Mizara rindrina izahay: Teny, Tany, ary ny Miralenta ao anatin'i Maraoka Berbery (We Share Walls: Language, Land, and Gender in Berber Morocco. )
Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza
Zineb Chtit any amin'ny hopitaly
Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.  Hoy ny nosoratan'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) momba ny voina mahazo azy ao amin'ny lahatsorany iray:
Zainab looked emaciated. Her body was bruised and bleeding from beatings. She was branded on her lips with a red-hot iron. She was burned with boiling oil on her chest and private areas. She was illiterate. She never experienced the joy of playing with friends. Her future was decided for her: trudge around the mill till the day she dies. And a few days ago, she almost did.
Hita ho kaozatra i Zainab. Feno fariparitra sy dian-daroka ny tenany. Mena mivaivain'ny vy ny molony. Nodorana ny menaka ny tratrany sy ny faritra saro-pady. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. Tsy mba niainany veliely izany miara-milalao amina namana izany. Efa voafaritra ny ho aviny: mihaodihaody manodidina ny laona mandra-pahafatiny. Ary efa saiky lasana tokoa izy.
Indrisy fa tsy tranga manokana ny mahazo an'i Zineb.  Mahatratra 177 000  ny isan'ny zaza latsaky ny 15 taona miasa any Maraoka, ka ny 66 000 dia mpanampy an-trano.  Eny fa na dia efa nanasonia ny Dinan'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'ny kilonga aza i Maraoka, mametra ho 12 taona  raha kely indrindra vao mahazo alefa hiasa ny olona, fetra farany ambany ao an-toerana.  Maro ny tatitra momba ny fampijaliana mpanampy an-trano, tahaka ity iray izay nosoratan'i Tingis tonian'i Anouar Majid ity.  Nefa dia mbola mivarotra ny zanany vavy amin'izay mahasahy ambony indrindra ihany ny fianakaviana maro fa entin'ny fahantrana, ampiasaina ho mpanampy an-trano izay indraindray miasa tontolo andro sy tontolo alina.  Mitantara ny mpanjò ny ankamaroan'ny mpanampy an-trano ny mpamaham-bolongana Sarah Alaoui:
Noho ny fahantrana mianjady dia tsy manan-tsafidy hamelomana ny ankohonany sy ny zanany ankoatra ny mandeha ho mpanampy an-trano  any amin'ny mpanankarena ireo vehivavy tsy nandia fianarana any ambanivohitr'i Maraoka. Mbola asongadin'ny karazan'asa ataony - mpanampy an-trano  natao ho hita fa tsy natao horenesina-  ny holatry ny fahantrana efa naraikitra taminy teo am-piterahana. Miasa any ambadiky ny sehatra tahaka ireo mpanompo an-trano fitantaran'i J.K. Rowling any amin'ny boky tantara foroniny izy ireny.
Maro ny ankohonana any Maraoka no miezaka ny manome  trano fialofana ho an'ny mpanampy an-tranony fa tsy toera-mpiasana ihany. Nanara-maso ny zanaky mpanampy an-tranony hatrany ny renibeko  mba hahazoan'izy ireny fitaizana sy fampianarana tahaka ny an'ny zanany sy ny zafikeliny— Iray sekoly amin'ny anadahiko (cousin) i Naima, raha niasa tao amin'ny renibeko ny reniny. Saingy indrisy moa aleo tsorina fa tsy mitovy fikarakarana ny mpanampy an-tranony tahaka izany ny ankapoben'ny mpampiasa eto amin'ny firenena.
Ao amin'ny fitateram-baovaon'ny [FR] La Vie éco dia samy voampanga ho nanao heloka bevava avokoa na rangahy na ramatoa mpampiasa an'i Zineb, fa araka ny tolo-kevitry ny mpamaham-bolongana Reda Chraibi, dia tokony hisy haingana dia haingana ny fiovana. Namelabelatra [FR] soso-kevitra maro hisorohana ny fandefasana ny ankizivavy hiasa mbola kely ny mpamaham-bolongana.  Santionan'ny tolo-keviny:
Accorder des aides sociales aux familles les plus pauvres afin qu’elles ne soient pas contraintes de faire travailler les enfants au lieu des le envoyer à l’école. La scolarité pour cette catégorie de la société devrait être totalement gratuite tant pour l’enseignement que pour l’équipement scolaire. A ce propos, l’opération de distribution de cartables équipés est une bonne initiative qui devrait être étendue dans tout le Royaume.
Donner à l’Association « Touche pas à mon enfant » (touche pas à mes enfants) ou à une institution publique le droit de recenser et de contrôler le travail des enfants servantes, le droit d’entrer dans les maisons pour discuter avec elles et vérifier si elles sont traitées dignement. Encourager leur éducation et leur alphabétisation. Ouvrir et faire connaitre un centre d’accueil pour les enfants servantes qui veulent fuir d’urgence le foyer dans lequel elles travaillent, afin que plus aucune Zineb Chtet n’èrre dans la rue dans le sang en demandant l’aide d’inconnus…
Manome fanampiana ara-tsosialy ny fianakaviana tena mahantra mba tsy hahatery azy ireny handefa ny zanany hiasa fa tsy hianatra. Tokony ho maimaim-poana na ny fampianarana na ny kojakojam-pianarana ho an'ireny sarangam-piaraha-monina ireny. Eo amin'izay indrindra dia tokony hatao manerana ny fanjakana ny fanapahan-kevitra mety hizarana kitapo efa misy kojakoja ao anatiny [FR]. Manome alalana ny fikambanana “Touche pas à mon enfant” (Aokanao ny zanako) na sampan-draharaham-panjakana hafa hanisa sy hanara-maso ireo zaza miasa tsy fidiny, manan-jò hiditra any an-trano hiresaka amin'ireny kilonga ireny hanamarinana raha voakarakara ny mahaolombelona azy. Handrisihana ny fitaizana sy fampianarana azy ireny hahay mamaky teny sy manoratra. Manokatra sy mampahafantatra ny fisian'ny toerana fandraisana ireo zaza te-handositra ny trano iasany, mba tsy hisy intsony Zineb Chtets feno ratra mirenireny eny an'arabe mitady fanampian'olon-tsy fantatra….
Nofehezin'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) toy izao moa ny lahatsorany:
I am reminded of a speech Mr. Eliezer “Elie” Wiesel gave at the White House in 1999 “The political prisoner in his cell, the hungry children, the homeless refugees — not to respond to their plight, not to relieve their solitude by offering them a spark of hope is to exile them from human memory. And in denying their humanity, we betray our own.”
Tsaroako ny kabarin'Atoa Eliezer “Elie” Wiesel tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 1999 nanao hoe “Ny gadra politika ao amin'ny efi-pamonjana azy, ny ankizy noana, ny tsy manan-kialofana - manoka-monina azy ireny ho tafala amin'ny tsiaron'olombelona ny tsy mamaly ny hetahetany, na tsy manome tara-panantenana ho azy ireny. Raha mandà ny maha-olombelona azy ireny isika dia mamadika ny maha-antsika antsika.
Jillian C. York
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Tamin’ny herinandro lasa, ny tontolon’ny blaogy maraokana dia nitraotra noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta tamin’ny fangoronana ireo gazetiboky  maraokana malaza roa - TelQuel (amin’ny teny frantsay) ary Nichane - (Arabo)- tamin’ny namoahan'izy ireo fitsapan-kevitra ireo Maraokana tsotra momba ny fahitan'izy ireo ny ftondram-panjaka, ny Mpanjaka Mohammed VI, na dia teo aza ny filazana fa  91%-n’ireo Maraokana dia nankasitraka ny fitondrany nandritra ireo folo taona voalohany nitondrany.
Hetsika iray, mitondra ny anarana hoe “9% aho” (”I am a 9%”) dia natsangana maika mba hisehoan'ireo tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitra. Nandritra iny herinandro lasa iny, ny  Twittoma (vondrom-piarahamonina Maraokana mampiasa ny Twitter) dia nampiasa ny  hashtag #9pcMaroc mba hiresahana an’iny tranga iny (navoitra ao amin’ ity piece -n'ny UAE's The National ity), raha mitohy mandalina ity resaka ity kosa ny tontolon’ny blaogy. Fivoarana iray vaovao, ny nanivanana ny gazety frantsay Le Monde (izay namoaka am-pahibemaso ny vokatra ) dia nampiakatr'afo  ireo mpitoraka blaogy sasany.  Rachid Jankari dia manoratra:
Je pense que cette interdiction et son argumentaire est un vrai retour en arrière. Et pour cause, c'est une nouvelle consécration de la “sacralité” du Roi.  En invoquant cet argument, archaïque, je pense que l'avenir du débat sur le présent et l'avenir du pays est encore une fois hypothéqué.
Mieritreritra aho fa ity fandraràna ity sy ny tohan-kevitra momba azy dia fihemorana any aoriana. Antony, fanamasinana bebe kokoa ny “hasin'ny” mpanjaka. Amin'ny fandrosoana io tohan-kevitra io dia heveriko fa tandindonin-doza indray  ny ho avin’ny dinika momba ny ankehitrio sy ny hoavin'ny firenena.
Manoratra i The Lounsbury ao amin'ny ‘Aqoul:
Mampihomehy koa izany. Manome tombony ny fanjakana ity fitsapan-kevitra ity ka tena hadàlana be ny fandraràna ny famoahana azy. Na izany aza anefa, maneho ny toe-tsaina Makhzen efa ntaolo izay mbola raiki-tampisaka ao amin’ny governemanta izy io. Na dia manana fahadisoana aza ny Mpanjaka (M6), tsy tafiditra amin'ireny ny hadàlana mivandravandra toy  ity. (ireo endrika mampandry adrisa izay mbola mety ho  azo iadian-kevitra ihany, na dia mbola vonona ny ho azy foana aza aho, jereo fotsiny ireo mitovy laharana aminy…) Nefa ilay mpisolelaka Naciri dia nanao ny zava-drehetra mba hahazoany ny zavatra iriany. Noho izany, eny, ny tany rehetra dia tokony hahalala fa ireo  mpomba an’i Makhzen dia tsy mahatanty ny  hoe fantatr’ireo mponina marokanina fa   91% “monja” no   afa-po tamin’ny folo taona voalohany nitondran’i M6 araka ny fitsapan-kevitra  iraisam-pirenena iray. Hanaraka eto ihany ireo  vaovao fanampiny momba ilay fitsapan-kevitra.
Mafy ny adin'ireo  ntaolo adala.
Ny mpitoraka blaogy maraokana Larbi, mahalala ny herin’ny Aterineto, dia namoaka ireo valin'ny fitsapan-kevitra ao amin’ny blaoginy, sady  nanamarika fa sarotra be ny hanafina amin’ny vahoaka ilay izy:
Finalement c’est l’AFP qui a eu la primeur de publier le Sondage Interdit, en détail avec tous les chiffres.  Dépêche qui sera reproduite par tous les médias du monde. Maintenant à moins d’interdire tous les médias du monde les censeurs sont très mal barrés.
Tamin’ny farany, dia ny AFP no nahazo ny tombon-dahiny  namoaka ity fitsapan-kevitra voarara ity, tamin’ny antsipiriany, miaraka amin’ireo isa. Fanapariahana izay naverin’ireo media eran-tany novokarina. Amin’izao fotoana, tena tsy afa-miala ireo mpandrara afa tsy hoe mandrara ireo haino aman-jery eran-tany angaha.
Ny mpitoraka blaogy Ibn Kafka koa dia namoaka ireo vokatra ireo , ary koa ny lahatsoratry ny gazety Le Monde, manentana ireo mpitoraka blaogy maraokana hafa hanao toy io ihany koa. Ny mpitsikera Kaouthar Lbiati dia mamaly:
La position des autorités marocaines (ministère de la communication) est décevante encore une fois. Bien sûr que le peuple marocain, comme tous les peuples d’ailleurs, a le droit d’évaluer sa monarchie à laquelle il est lié par le pacte d’Al Beiâ depuis plusieurs siècles maintenant. Le peuple marocain veut désormais s’exprimer, s’expliquer, être écouté et prendre en main sa destinée. Arrêter l’oppression enfin!
Ny toerana misy ireo manam-pahefana Maraokana (Minisitry ny Fifandraisana) dia mbola nandiso fanantenana indray. Mazava ho azy fa ny vahoaka Maraokana, ohatran’ireo vahoaka hafa rehetra ihany, dia manana zo hitsara ny fanjakana izay mifamatotra aminy araka ny fifanarahan'i Al Beiâ nandritra ny taonjato maro izao. Te-haneho ny heviny amin’izay ny mponina Maraokana, te-hifanazava, ho henoina ary handray an-tànana ny ho aviny. Mba ajanony amin'izay ilay famoretana e!
Ho hamintinana, ny mpitoraka blaogy Maraokana ao amin'ny Réflexions et autres idées dia manambara:
Il faut voir plus loin que son nez. Que sera le Maroc dans 5, 10, 20 ou 50 ans ? C'est à quoi le gouvernement et le pouvoir doivent travailler et non à proclamer des fatwas contre des journaux et des livres…
Tokony hijery lavitra noho ny tendron'orony ny olona. Ho toy i Maraoka afaka  5, 10, 20, na  50 taona? Izany no tokony hiasan’ny Governemanta sy ny Fanjakana fa tsy ny fanambarana ireo Fatwas mandrara ireo gazety sy boky …
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay miezaka ny mampahafantara ny momba azy ity. Raha mitatitra ny tsy fahafantarana ny momba ny VIH/SIDA ny mamaham-bolongana sasany, dia gaga amin'ny halakin'ny fiezahana hanalana ny holatry ny aretina kosa ny hafa.
Maraoka
Mpanolo-tena ao amin'ny Peace Corps i Duncan ary miasa ao amina foto-drafitr'asa iray misahana ny rano ao Maraoka, ary dia nanoratra ny eritreriny vitsivitsy ny fihetsika hitany manoloana ny VIH/SIDA hitany any ambanivohitra iasany izy. Inoany fa na dia ambany aza ny tahan'ny olona tratran'ny VIH any Maraoka, dia tandindonin'ny mety hipariahan'ny VIH/SIDA ihany ny firenena amin'ny ankapobeny:
Maro ny toe-javatra mametraka fa mety hiely vetivety ny aretina.
Voalohany ny tsy fahalalana ny fisian'ny aretina. Tsy mahalala ny olona amin'ny ankapobeny hoe inona izany. Raha mba nisy nandre ihany dia tsy fantany tsara ary mety mbola zavatra diso koa aza no ahafantarany azy. Tsy fantany ny fomba fifindrany. Miteny ny olona fa mifindra amin'ny alalan'ny findramana borosinify ny aretina, na fandehanana any amin'ny hammam (trano fandroana andoavam-bola), ka mifoka azy ao. Tsy naheno mihitsy aho hoe amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ny fomba fifindrany.
Faharoa ny kolontsaina manakana ny firesahana azy an- kitsim- po. Fiaraha-monina tena mpivavaka ny aty ka zava-dehibe eo amin'ny fiaraha-monina izany miseho ho madio (masina) izany. Hany ka tena sarotra dia sarotra ny miresaka lohahevitra lehibe tahaka ny fampiasana fimailo.
Fahatelo (tahaka ny mifanohitra amin'ny eo aloha) dia ny fielezan'ny fivarota-tena manerana ny firenena. Mitranga indrindra izany etoamin'ny faritany misy ahy, Khenifra, izay malaza indrindra amin'ny fivarota-tena. Reko fa eto amin'ity faritany ity no misy ny tanàna telo amin'ny efatra anjakan'izany fivarota-tena izany. Misy ivotoerana iray tena akaiky ahy indrindra ary fantatro fa mpandeha amin'ny mpivaro-tena ao ny lehilahy amin'ny tanàna misy ahy. Efa nolazain-dry zareo tamiko izany. Miaraka amin'izany olana izany ny fahafantarana fa avy any ivelan'ny tanàna ny maro amin'ireo mpivaro-tena ireo. Heveriko fa toerana mora ielezan'ny aretina indrindra ny toerana tahaka itony.
Raha fehezina dia lohahevitra mahamenatra ny olona ny miresaka azy ity ary dia tsy misy mahalala na inona na inona momba azy ny olona.
Vakio ny fihetsika hafa ataon'ny Maraokana manoloana ny VIH/SIDA ato amin'ity lahatsoratra ity.
Sodana
Nanaraka atrik'asa iray tany Le Caire ny mpamaham-bolongana Bahrainita Suad tamin'ny herintaona hampahalalana bebe kokoa ny momba ny SIDA, ary dia nosoratany avy eo ny tantaran'i Aisha, vehivavy Sodaney tratran'ny tsmok'aretina tamin'ny alalan'ny famindrana ra. Notantarain'i Aisha ny namparary azy sy ny nahafantarany tamin'ny farany izay nitranga:
بعد عدة شهور نقص وزني كثيرا ورافق ذلك أعراض أخرى مثل الاسهال المتواصل والتعب والحمى وعدم القدرة على النوم. مرة أخرى تم تحويلي لمختبر لتحليل دمي وهذه المرة جاءت النتيجة في ظرف مختوم بالشمع الأحمر. أخبر الطبيب زوجي بحقيقة مرضي ولكن زوجي لم يصارحني بالأمر وكل ما قاله لي أنه مرض كمرض الضغط والسكري وبأنه لن يكون بإستطاعتنا ان نمارس علاقتنا الزوجية.
بعدها أخذني زوجي لطبيب آخر فتح الظرف امامي وقال لي بأني مصابة بالإيدز، صعقت ولم أملك حينها سوى ان أبكي من هول الصدمة، انا مصابة بالإيدز؟؟ منذ متى وكيف؟ فرد الطبيب: اسألى نفسك، تذكري ماذا ارتكبتي بحق نفسك لتنقلى اليك هذا المرض القاتل. هكذا ببساطة وصمني الطبيب بالمومس دون ان يعرف اي شئ عني. قلت له أنا امرأة متزوجة وليست لدي أى علاقات غير شرعية خارج اطار الزواج وهنا دخلت أمي وزوجي إلى غرفة الطبيب الذي صب جام غضبه على زوجي متهما اياه بنقل المرض لي. شعرت بالغضب الشديد من زوجي فبدأت أهاجمه وأوبخه وانا ابكي، حاول ان يدافع عن نفسه ولكني لم أكن أرغب في سماعه وكانت أمي تحضنني في هذه الاثناء. منذ ذلك اليوم ساءت علاقتي وعلاقة أهلي بزوجي الذي وجُهت اليه اصابع الاتهام حتى ظهرت نتائج الفحص التي بينت ان زوجي وأولادي خاليين من المرض. أعتذرت من زوجي وأدركت حينها ان المرض قد أنتقل لي عن طريق الدم الذي نقل لي في المستشفى.
Nihena ny lanjako tao anatin'ny volana vitsivitsy ary miaraka hatrany amin'ny fandoavana, harerahana, tazo, ary tsy fahitana tory izany. Nentina tany amin'ny laboratoara aho indray mandeha hitsirihana ny rako ary dia  voahidy lasira mena ny valopy nisy ny valiny avy any. Nolazain'ny dokotera ny marina momba ny aretiko, fa tsy niresaka tamiko io zavatra io ny vadiko; ny hany nolazainy tamiko dia hoe mitovitovy amin'ny tosi-drà na diabeta ny aretina mahazo ahy ary dia tsy afaka miaraka manao firaisam-batana intsony izahay.
Avy eo dia nentin'ny vadiko tany amin'ny dokotera hafa aho, izay nanokatra ny valopy teo anoloako ary nilaza fa mitondra ny SIDA aho. Ankona aho, tsy nanana fotoana akory hitomaniana tamin'izay nahazo ahy. Tratran'ny SIDA hoe aho?? Hatramin'ny oviana ary amin'ny fomba ahoana? Namaly ny dokotera hoe: “Anontanio ny tenanao. Tadidinao ve hoe inona no nataonao  ka nifindran'ity aretina mahafaty ity taminao?” Manamarika ahy ho toy ny makorelina tsotra izao ilay dokotera nefa tsy mahalala na inona na inona momba ahy akory. Nilaza taminyaho fa vehivavy manambady ary tsy nanao firaisana ivelan'ny mariazy. Tamin'io fotoana io dia niditra tao amin'ny biraon'ny dokotera ny reniko sy ny vadiko, naneho ny hatezerany tamin'ny vadiko avy hatrany ilay dokotera, niampanga azy ho namindra ny aretina tamiko. Tezitra aok'izany tamin'ny vadiko aho, ary nanomboka nanositosika sy nikapokapoka ny vadiko koa sady nitabataba taminy. Niezaka ny niaro tena izy saingy tsy nohenoiko mihitsy. Nikapokapoka malefaka ny hatoko ny reniko nandritra izany fotoana izany. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nihanangatsiaka ny fifandraisan'ny havako sy ny olom-pantatro tamin'ny vadiko; voahendrikendrika ny vadiko mandra-pivalian'ny fitsirihana mampiseho fa tsy mitondra ny aretina ny vadiko sy ny zanako. Niala tsiny tamin'ny vadiko aho ary fantatro fa tamin'ny alalan'ny famindrana ra natao tamiko tany amin'ny hopitaly no nahazoako ny aretina.
Yemen
Nametraka ny VIH/SIDA ho ao anatin'ny  fandaharam- pampandrosoana ny fireneny i Yemen, saigy hitan'i Omar Barsawad tamin'ny herintaona fa maro ny zavatra mbola tokony atao:
Na dia lasa aloha ihany miohatra amin'ny firenena Arabo manodidina azy aza i Yemen amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA, dia mbola lavitra ny lalana amin'ny fametrahana foto-drafitr'asa sy ny fahazoana fanafody taka-bidy vetivety ho an'ny marariny. Efa vonona any amin'ny laboratoara sy hopitaly lehibe ny fitsirihana ny VIH/SIDA. Saingy raha hita fa miabo ny vokatra dia manomboka ny olana; eo no manomboka ho tena sarotra ny raharaha ho an'izay tratrany. Tsy maintsy mandeha mankany Sana'a renivohitr'i Yemen ny olona mitondra ny VIH/SIDA mba hitsirihana ny isan'ny sela CD4 sy ny tahan'ny poizin' areti- mifindra; Rehefa vita avokoa izany fitsapana rehetra izany vao  tsaboina sy omena fanafody araka ny tokony ho izy ny marary. […] Eo amin'ny resaka fanafody itsaboana ny VIH/SIDA ihany koa dia tsy maintsy mandeha mankany Sana'a (isan-telovolana na mihoatra) ny marary fa tsy misy any amin'ny toeram-pivarotana sy ny toera-pitsaboana Yemenita hafa. Dia efa azonao eritreretina amin'izany ny fahasahiranana azo ankoatra ny hareraha-tsaina efa mianjady amin'ny mararin'ny VIH/SIDA sy ny manodidina azy. Efa vola be no lany amin'ny fandehanana mankany Sana'a sy ny sakafo lany mbamin'ny fandaniana hafa. […] Na dia efa mahafantatra kokoa ny momba ny VIH/SIDA aza ny olona raha oharina ny tamin'ny roa na telo taona lasa dia mbola tsy hainy ny momba ny aretina; ary maro ny olona mbola mihevitra fa henatra sy mahafa-baraka izany mitondra VIH/SIDA izany.
Ejipta
Na izany aza dia hita kosa ny dingana hanalana ny tahotra tafahoatra ny aretina any amin'ny firenena sasany ao amin'ny faritra. Nanao ny fitsirihana  VIH voalohany tao amin'ny Laboratoaran'ny governemanta i The Egypt Guy :
Nahagaga ahy fa nahafinaritra ny fomba fandraisan'ny dokotera nialoha ny fitsirihana. Hitako fa tsy nanontaniana ny anarako aho fa tamn'ny solon'anarako sy ny daty nahaterahako ho famantarana ahy tao. Avy eo aho dia nampandalovina tao amin'ny mpanolo-tsaina iray izay mampahafantatra tsotsotra ny momba ny SIDA sy ny VIH no asany. Zendana aho fa tsy nampiseho tsy fanajana ahy mihitsy rangahy io rehefa fantany fa hitsirika ny fisiana na tsia VIH amiko aho. Henoko manko fa hatramin'ny vao haingana dia resa-pady na dia amin'ny dokotera aza izany SIDA izany. Taorian'ny fifanakalozan-kevitra dia nanome fimailo sy fandamalama ahy izy ary bokikely telo  miresaka ny momba ny SIDA, ary dia nanao fitsirihana aho avy teo. Ho henoko amin'ny alahady izao ny valin'ny fitsirihana, izay inoako fa hiiba, Irario soa aloha aho e!!
Oadray, tsy mandoa na dia ariary aza hay izaho amin'izany rehetra izany.
Tsy nampoiziko raha ny laboratoaran'ny  governemanta no nanao izany, ary faly aho fa manana fomba fijery malalaka kokoa momba ny resaka fifidran'aretina amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ny fireneko ary miezaka dia miezaka hahalefy ny henatra mifandraika amin'ireny aretina ireny, indrindra fa amin'ny resaka VIH sy SIDA.
Azonao vakiana eto ny fandraisana andraikitry ny mpamaham-bolongana  Ejipsiana hanalana ny takaitran'ny (tahotra tafahoatra) VIH/SIDA.
Ayesha Saldanha
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane,  tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana  hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka nandritra ny folo taona. Ny fifidianana, izay raisina ho toy ny  fanaraha-maso voalohany ataon'ireo olona tarihany ho faneken'ny vahoaka ny drafitrasan'ny mpanjaka Maraokana iray, dia nampiseho, raha arak'i Ahmed Reda Benchemsi [Fr], talen'ireo orinasa roa mpamoaka ireo gazetiboky roa, “fa ny 91 isan-jaton'ny Maraokana izay nohadihadiana dia niteny fa nahomby na tena nahomby ny  fitantanan'ny Mpanjaka Mohammed VI.” (Loharano: AFP). Na izany aza, ireo manam-pahefana Maraokana dia toa mikiry mafy ny mba hampiatoana ireo karazana fanaparitahana voka-pifidianana araka ny nazavain'ny mpitondra tenin'ny governemanta Khalid Nacir, izay nanambara fa “ny fitondràna any Maraoka dia tsy azo atao foto-dresakin'ny adi-hevitra na dia amin'ny alalan'ny fifidianana aza.”
Avy hatrany dia nihetsika haingana ireo mpitoraka blaogy kiritika Maraokana, ka ny ankabeazan'izy ireo dia tsy mankato ny zavatra nataon'ny governemanta.
- annouss: Ndao hatao ilay fihetsiketsehana 9% e!… Ovao ny sarin'ny mombamomba anao. Midira ao amin'ny 9%.
Ankehitriny, toa manangona fofonaina ny fihetsiketsehana mpanohitra izay tsy mitsahatra ny mitombo, izay mitondra ny sary famantarana “9% aho”, sary famantarana noforonin'i Anas Alaoui tamin'ny fijerena ny “ampahany kely” amin'ireo Maraokana izay, raha araka ilay fifidianana voarara, mitsipaka na mitsara ho ratsy ny folo taona  voalohany nitondràn'i Mohammed VI. Misy pejy ‘hashtag' ao amin'ny Twitter antsoina hoe #9pcMaroc izay noforonina malaky niaraka tamin'ireo mpitoraka blaogy kiritika izay mitondra ny mpamari-toetra  “9% aho” ho famantarana ny fanoherany ny fanalàna ireo gazetiboky teny ambony talantalam-pivarotana. Ireo mpitoraka blaogy koa dia efa miketrika ny hanangànana vondrona Facebook iray  antenaina hanapariaka ilay fihetsiketsehana.
9% aho
Mehdi, mpitoraka blaogy ao amin'ny Satwiker dia manome rohy mankany amina horonan-tsarina resadresaka niarahana tamin'i Benchemsi talen' ireo gazetiboky , nivoaka tao amin'ilay fantsona fahitalavitra frantsay France 24, nanambaran'ilay mpanao gazety ny tsy fitoviany hevitra sy  ny fanoherany ilay fampiatoana tamin'ny filazàana fa tsy nandika lalàna ireo gazetiboky ireo ary tsy nihoa-pefy.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="src" value="http://blip.tv/play/AYGVuWMC" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://blip.tv/play/AYGVuWMC" allowfullscreen="true"></embed></object>
Fatima (La Marocaine) mpitoraka blaogy ao amin'ny Agora dia manameloka [Fr] ilay fandraràna. Manoratra izy:
A l’air des nouvelles technologies, il faudra que nos dignitaires se rendent à l’évidence que ce genre d’action revient à chercher à cacher le soleil par la paume de la main. Sans oublier que l’info a déjà fait le tour du monde. Comme on dit chez nous » kaye fye9o l’7m9 bederribe l’7jerre»  !!! Ce qui aurait pu passer pour une info banale devient une affaire.
Amin'izao fotoanan'ny teknolojia vaovao izao dia tokony manaiky ireo mpitondra antsika fa tahaka ny miezaka manakona masoandro amin'ny fela-tanana ny karazana fihetsika tahaka ireny. Tsy adino koa fa efa niparitaka manerana izao tontolo izao ireo vaovao […] Izay noraisina ho vaovao diso izao no lasa resa-be.
Mamarana i <a href="http://ibnkafkasobiterdicta.wordpress.com/2009/08/01/le-mo
Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro. Ilay vehivavy be resaka ao amin’ny Everything Morocco, olona avy any ivelany ary monina ao Fez dia namoaka lahatsoratra momba ny herisetra eny anivon’ny fianakaviana any Maraoka, tsy ela akory izay. Taorian’ny firesahana ny tena zava-misy ao an-toerana, dia manoro hevitra izy:
Amin’ity teboka iray ity, ahiako ho ireo vehivavy ihany no ho betsaka hamaky ity lahatsoratra ity. Izao mantsy, Ramatoa isany, miaina anaty tontolon’ny fanjakan-dehilahy isika, tsy hijerena hoe avy aiza ianao na avy aiza, ary ny herisetra dia zava-misy iainana andavanandro ho an’ny rehetra amintsika vehivavy, na ara-batana io, na ara-tsaina, na ara-pitiavana. Zareo lehilahy no maetraka ny fitsipika amin’izay tokony ho lalam-piainantsika ary mpiray tsikombakomba amin’io isika amin’ny fomba fanabeazantsika ny taranaka. Mandra-pandrain’ny vehivavy ny andraikiny manoloana ny fitondran-tena tsy mendrika ataon’ireo zanany lahy sy ny vadiny ka tsy mandray fanapahan-kevitra hanabe azy ireo amin’ny fomba hafa, dia hitohy hatrany io herisetra io. Raha tsy mbola miray hina ny vehivavy rehetra handa ny fitondrana azy ireo toy ny fanaka, dia ho ampiasaina toy ny mpiasa an-trano izy rehetra. Isak’izay manodina ny takolakao amin’izay fanaovana tsinontsinona ataona lehilahy iray ianao, dia manome vahana azy hamerina an’iny any amin’olon-kafa indray. Isak’izay tsy vitanao ny mampanaraka fitsipika ny zanakao lahy rehefa manao tsinontsinona vehivavy iray izy, dia mampianatra azy izay ianao hoe mety ny fihetsiny.
Ankoatry ny tanjaka ara-batana dia matanjaka noho ny lehilahy ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra. Ela velona kokoa isika, marani-tsaina kokoa, ny haavon’ny fahafahantsika mizaka fanaintainana sy miaritra dia mihoatra lavitra ny an’ny lehilahy, ary ny taha-pahavelomantsika eo am-pahaterahana dia mihoatra avo roa heny amin’ny an’ny lehilahy. Raha izany, nahoana no ry zareo no hametraka ny fitsipika hitantanana ny fiainantsika?
Sary nalain'i eatbees
Ny sary eto ambony dia vao haingana no nakan'i eatbees mpitoraka blaogy monina ao Fez azy, miaraka amin'ny fanazavàna toy izao manaraka izao:
Raha tsy maintsy maka sary iray mahabango ny zavatra rehetra hitako eto Maraoka dia inoako fa ity iray ity izay.
Tovolahy iray maka aina eo ambony bisikiletany, resin’ny harerahana na koa angamba mety ho noho ny tsy fananana fanantenana intsony. Mandalo ny olona, tsy miraika akory, tsy isalasalana fa difotry ny olam-piainany manokana daholo koa. Mamaritra tsara ny lohahevitra ny hatsaran’ny toerana hoe teny rehetra teny.
Ilay mpitoraka blaogy, izay vao niverina ao Maraoka taorian'ny fandaozany azy nandritry ny telo taona, dia manamarika ny fiovana toa kely- ary koa toa goavana - nisy teo amin'ny firenena, ka milaza hoe:
Raha ny marina no ambara, nisalasala ihany aho ny hiverina aty Maraoka noho ny fieritreretako hahita zavatra mampalahelo toy izao. Tonga avy any amina firenena izay ny zavatra rehetra dia misosa daholo ihany na dia nisedra olana ara-toekarena goavana aza, sarotra ny hanakatra fiarahamonina iray mihitsoka manoloana ny fahaiza-mamorona goavana, ny saina tia karoka, ny fientanana, ary ny faharanitan-tsain’ny vahoaka Maraokana.
Fony izaho mbola teto tamin'ny taona 2003–2006, dia nihevitra fa na eo aza ny olana maro sedraina noho ny maha an-dàlam-pandrosoana, dia azo notsapain-tànana ny fandrosoana, tsapa ny fiovàna ary mety hamiratra ny hoavy. Mora tamiko araka izany ny nanazàva ny antony itiavako an’i Maraoka, firenena iray mizotra ho amin’ny demokrasia sy ny varavarana misokatra ho amin’ny hoavy nefa itazonana hatrany izay tsara rehetra amin’ny fomba amam-panaony. Amin’izao fotoana, sarotra be amiko ny hamaly izay fanontaniana izay.
Mbola hanan-kambara betsaka momba an’izay aho aoriana ao, fa androany,  manontany anao aho, ry mpamaky hajaina. Mihitsoka ve i  Maraoka, fa nahoana?
Janelle ao amin’ny {from} Warp {to} Weft dia manoratra momba ny lohahevitra saro-bahan’ny fandosiran’ireo atidoha avy ao Maraoka, firenena iray very isan-taona ny sasantsasany amin’ireo tanora mendrika indrindra ao aminy lasa any amin’ireo Anjerimanontolo na miasa any ivelany. Manonofy izy hoe:
Nisy fifindra-monina nihazakazaka be loatra niala ny faritra ambanivohitra mba hamonjy ny tanan-dehibe tao Maraoka. Ny fisongan’ny fanafaran’entana nataon’i Maraoka koa no isan’ny nitarika ny fitotongan’ny vidin’entana avy amin’ny tantsaha ka nampisonga ny fifindrana ho any an-tanàn-dehibe. Ny fisongan’ny fanafàrana entana koa dia nahafahan’ireo mpanenona karipetra nividy loko simika amin’ny vidiny mirary ho solon’ny loko voajanahary. Betsaka ny ankizivavy mamonjy sekoly, izany hoe raha tena raisinao fa zava-tsoa ho an’ny rehetra ny fanabeazana dia fivoarana ho an’ny fiarahamonina izany, saingy koa mitondra tsindry bebe kokoa eo anivon’ny fianakaviana izy io. Matetika, ny ankizivavy nandranto fianarana no maniry handeha, ary ireo tavela kosa dia tsy faly velively. Ny fanenomana karipetra dia fahaiza-manao hanjavona arakaraky ny fisongan’ny fanabeazana ny vehivavy. Raha eo amin’ny sehatry ny fandrosoana dia mbola zava-miafina izany. Be loatra ny tolotra raha oharina amin’ny tinady amin’ny olona nandranto fahalalàna azon’ny faritra ambanivohitra tohanana, vitsy dia vitsy ny mpanao asa tànana ary tsy isalasalàna ny fisian’ny filàna mari-toerana ny vokatr’izy ireo.
Avy eo izy dia manentana ireo Amerikana mpamaky azy mba handinika ny politikan’ny fifindra-monina ataon’i Etazonia, amin’ny filazana fa:
Araka izany amin’ity herinandro ity raha misaina ny amin’ny maha-Amerikana ianareo, saino koa ny momba ny fifindra-monina sy ny politika ivelany. Miaina anaty demokrasia isika ary na dia voky be mila tsy hahazaka tena intsony aza ny firenentsika, misy tokoa ny antony tokony hametrahana ny fanitsiana voalohany ho laharam-pahamehana! Miteny malalaka, mametraka fanontaniana, maerina mandinika ny tetiandron’ny mpampita vaovao, ny governemanta, sy ireo lazaina ho sampan-draharaha miadidy ny fampandrosoana mihambo ho mpitondra fiovàna.
Farany, A Moroccan About the World Around Him dia miresaka momba ny hetsika farany teo ho fanoherana ny fanakendana ny fahalalahan’ny fanaovana gazety ao Maraoka, izay tato anatin’ny taona vitsivitsy izao dia sarotra mihitsy ny hisaintsaina ny hanoratana zavatra manohintohina ny governemanta toy izany. Hoy ny mpitoraka blaogy manazava:
Maherin’ny roapolo ireo gazety an-tsoratra sy gazety-boky tsy miankina Maraokana, tanatina hetsika tsy mbola nisy toy izany ho fanehoana ny tsy fahafalian’izy ireo, no namoaka takelaka fotsy ho toy ny matoan-dahatsoratra sy ho setrin’ny hetsika ara-pitsarana ataon’ny governemanta ho fanampenam-bava azy ireo. Hatramin’ny nanavaozana ny lalàna momba ny asa fanaovana gazety tamin’ny 2002, niaina ny firoborobon’ny fihenjanan-tsazy ara-pitsarana ady heloka, fitsarana ady madio sy fitakiana onitra amin’ny mpanao gazety sy ny tranom-panontàna iasan’izy ireny  ny mpikirakira vaovao Maraokana. Henjana tokoa ka raha azo natao ny nandrefy ny haren’ny firenena iray amin’ny alalan’ny onitra takiany amin’ny mpampita vaovao miahy tena ao aminy, i Maraoka no azo lazaina ho ny firenena manan-karena indrindra eto an-tany. Nampiharina ny sazy ara-pitsarana raha vao misy eritreretin’ny manam-pahefana ho mamofona fanalàm-baraka ireo tompon’andraikitra ao amin’ny governemanta, na andrim-panjakana, na ireo olo-manan-kaja vahiny ka mety hanaratsy ny sarin’ny firenena amin’ny alalan’ny fitaterana ny fandraisana anjaran’ireo solontenan’ny fahefana amina raharaha miharo heloka, ny endrika fanompana atao amin’ny fototra iorenan’ny Silamo, sy ny tsy fanajàna ny mpanjaka. Maro no mihevitra fa mitongilana ny fijerin’ny governemanta ary ny fanapahana noraisin’ny fitsarana dia voabaikon’ny politikan’ny vola kolokoloin’ireo mpiasam-panjakana mbola eo amin’ny toerany sy ireo mpanankarena mpanao aferafera mitsikombakomba amin’izy ireo mba hampandeha tsara ny asa fitadiavany manokana, amin’ny fitsentsefana ireo olom-pirenena mitroatra mahita ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ao Maraoka, arantiranty amin’ny takelaka voalohan’ireo gazety mpiseho isan’andro na isan-kerinandro ; ny fisisihan’ny governemanta hampihatra ny onitra mahafaty atao amin’ny mpikirakira vaovao miahy tena sy ny sazy an-tranomaizina omena ny mpanao gazety ao amin’izy ireny dia fikendrena ny hanakenda tsotra izao ny fahafahan’izy ireny mampahalàla vaovao ny daholobe momba ny fomba tsy manaraka ny demokrasia ataon’ny manam-pahefana Maraokana
Raharaham-pitiavana/fankahalan'ny Maraokana an'i Obama
Ny kabary nataon’ny filohan’ny Etazonia Barack Obama tany Kaira ho an’ny tontolo Silamo dia niteraka fihetsika niredareda tany an-toerana sy tany ivelany koa; tsy ny kely indrindra tamin’ireo mpitoraka blaogy avy any Mahgreb izay nandrakofan’ireo lahatsoratra mafana tanaty blaogy sy tweets mivantana hevitra manalokaloka mankany amin’ny fanohanana feno sy tsy misy fepetra, ny fanahiana lalina ary ny fankahalàna sy tsy fahatokisana mihitsy aza.
Na talohan’ny fanandratana an’i Obama aza, ary efa talohan’ny nanapahany hoe firenena iza amin’ny ‘Moyen-Orient’ na Afrika Avaratra no handray ny kabariny momba ny pôlitika ivelany, ireo Marokana-Amerikana maromaro dia efa niezaka nanao tsindry bokotra mba handalovan’ny filoha Obama any Rabat. Ny sasany indray nifidy an’i Casablanca. Nisy vohikala mihitsy aza, President Obama to Speak in Morocco, nosokafana ho amin’izany:
[Izahay dia manasa] ny filoha Obama hifidy an’i Maraoka mba handray ny kabary pôlitika momba ny  ivelany.
I Maraoka no firenena idealy mba handefasana hafatra fiadanana ho an’ny tontolo silamo.
Firenena tia fiadanana henoin-teny aty amin'ny faritra, i Maraoka dia efa naman’i Etazonia hatry ny ela ary ho tretrika hampiantrano ny filoha Barack Obama amin’ity fotoana manan-tantara ity.
Farany, ary tamim-pahadisoam-panantenana lehiben’ireo ho an'ireo  Maraokana mpankafy an’i Obama, tsy hikabary any Maraoka ny Filoha Amerikana fa aleony – lojika be, hoy ny sasany hiteny - Kaira, any Egipta.
Ny blogoma (anarana hafa iantsoana ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Maraokana) sy ireo Maraokana maro mampiasa Twitter dia nandray tamin’ny fomba hafa ny  kabary tany Kaira. Ireto misy santionany amin’izany fihetsika izany.
Nandrasana efa ela
Efa novinavinaina ihany ny kabarin’i Obama tany Kaira. “Ahoana raha mifankahita amin’ny Obama aho?” hoy i Mohamed Malouk manontany tena. Raha mitoraka blaogy ao amin’ny Elmafjoue [Ar] izy, dia miteny:
لو التقيت أوباما فسأطلب منه أن يقتطع من وقته الثمين جزءا يخصصه لحكامنا الميامين ليمحو عنهم أميتهم في فن التعامل مع الشعوب ، وليلقنهم بعضا من أبجديات اليموقراطية الواضحة ، وليعلمهم كيفية التخلص من عقدة التخوف من المواطنين .
Raha mifankahita amin’i Obama aho, dia hiangavy azy mba hanokana kely amin’ny fotoan-tsarobidiny ho an’ireo mpitondra anay, amin’izay mba hoafahany amin’ny tsy fahalalàny izy ireo rehefa mikarakara ny vahoakany sy hampianatra azy ireo ny fototry ny demokrasia ary hialàn-dry zareo amin’ny fahatahoran-dry zareo ny vahoakany.
Manohy i Mohamed [Ar]:
لو التقيت أوباما لقلت له إن سلفكم ما ترك فينا إلا حقدا متصاعدا لأمريكا ، وما أنتج لنا إلا غضبا عليها ، وما صنع بيننا إلا كرها لها ، وانت جئت من كل فج عميق بأمل وأطلقت لكل فئة وعدا ، والعرب والمسلمون قوم تتحول عندهم بين لحظة وأخرى الآمال إلى آلام
Raha mifankahita amin’i Obama aho dia hoteneniko azy fa ny teo alohany dia nahatonga fankahalàna ho an’i Amerika teo aminay  ary tsy nanao afa-tsy ny niteraka hatezerana ho azy izany; fankahalàna kolokoloinay ao anatinay; avy eo, tonga ianao [Filoha] miaraka amina fanantenana be ary nanao fanamby tamin’ny vondrom-piarahamonina  rehetra, na dia matetika aza ireo Arabo sy ireo Silamo no mahita ny fanantenany miova ho fahadisoam-panantenana.
Toto-afon'ny mpampita vaovao
Iray tamin’ireo fanavaozana nentin’ny fitondràna Obama ny fahafahan’ny vahoaka nanaraka ny kabary tany Kaira tamin’ny alàlan’ny tatitra nalefa an-kafatra amin’ny finday. Resaka nafana dia nafana tao amin’ny Twitter ilay kabary ary marobe ireo fanehoan-kevitra nipoitra nivantana.
Nanaraka ilay hetsika i Larbi_org [Fr] ary nandefa tweet  izy:
Kabary niezinezina sy nanan-danja nataon'i Obama tany Kaira.
Taoriana kely, tao anatina ‘tweet’ fanindroany, nanontany tena i Larbi hoe “Inona no tian’i Obama tenenina amin’ilay hoe ‘Tontolo silamo’ ?”.
Maro ihany koa ireo fihetsika nampihomehy rehefa nalefan'i   @annouss tamin'ny alàlan'ny tweet ny nolazain'i  @mbaa…
Ho an’ireo olona rehetra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Kaira, tsy Hosni Moubarak i Obama, tsy voatery mitehaka isaky ny fehezanteny iray ianareo.
Fandalinana
Nampitaha ny kabary tany Kaira tamin’ny kabarin’i JFK  «Ich bin ein Berliner» i Citoyen Hmida. Nanambara  [Fr] izy fa:
Le discours prononcé à l’Université du Caire a été ponctué par de nombreux applaudissements. En effet, le fait d’entendre un président américain dire « Assalamou 3alienkoum » peut redonner espoir. Cette formule rappelle le fameux « Ich ben ein Berliner » clamé par J.F.K. lors de sa visite à Berlin-Ouest en juin 1963.
Obama a eu également l’élégance intellectuelle de citer, fort à propos, certains versets du Coran.
Ny kabary natao  tao amin’ny Anjerimanontolon’i Kaira dia narahàna tehaka maro . Ny fahenoana Filoha Amerikana miteny hoe «Assalamou Alaykoum» dia manome indray fanantenana vao. Mampatsiahy ilay teny malaza « Ich ben ein Berliner »  notenenin’i J.F.K  fony izy nitsidika an’i Berlin tamin’ny Jona 1963 izany.
Nànana fahalalahan-tsain'ny avara-pianarana nitanisa andininy sasantsasany ao amin’ny Kôrany koa i Obama.
Nanampy  ihany i Citoyen Hmida:
(…)ce discours tant attendu n’est en partie qu’un tissu de lieux communs sur la civilisation arabo-musulmane et sur les positions américaines contre « l’extrémisme violent ».
Ity kabary nandrasana efa ela ity dia, amin'ny ampahany, fitambarana teniteny foana momba ny fandrosoana Arabo-Silamo ary momba ny fandraisan-toeran'ny Amerikana manoloana ny extremisme mahery fihetsika.”
Nitovitovy tamin’izany koa ny fihetsik’i Abdoukili. Nanoratra izy:
Ireo teny nampiasain’i Obama, tahaka ny fitanisana andinin’ny tamin'ny Kôrany (izay nampiasainy in-efatra) ary ireo oha-pitenenana silamo toa ny “assalaamu alaykum” , “azaan ” ary “Mohammed (ho amin’izy ireo anie ny fiadanana) ” dia tetika tsara ho amin'ny fifandraisana amin’ny vahoaka mba hisarihana bebe kokoa ny sain’ny mpihaino Silamo.
Samia miandry dia  hiara-mahita
Ireo mpitoraka blaogy hafa,na dia nankasitraka ny kabarin’i Obama aza dia naka ilay fomba  ‘Samia miandry dia  hiara-mahita’. Laila Lalami, mpanoratra Maraokana monina any Etazonia dia nanoratra:
Fitsapana lehibe iray ho an’ity fifanantonana vaovao ity, amiko, ireo fanjanàhana. Efa niteny tamin’i Netanyahu i Obama fa ny fanatsaharana tanteraka ny fanjanahan’ny Israeliana no tadiaviny ary tsy hanaiky ny fisian'ny tranga miavaka toy ny “fiitàrana voajanahary” izy. Raha mahavita izany izy, dia ho raketina toy ny fiolahana lehibe iny kabary iny; raha tsy izany, dia hanaraka ny làlana nizoran’ny kabary nataon’ireo fitondràna dimy teo aloha iny: n’aiza n’aiza.
Ny fiahiahiana
Tsy ny olon-drehetra anefa no gaga tamin’ireo tenin’i Obama. Abdelhak al'Koush, mpitoraka blaogy ao amin'ny Afinina [Ar], dia nandefa fanakianana mivaivay ho an’ny filoha Amerikana ary nanontany momba ireo hery manosika azy taminà lahatsoratra tsy misy fahalalam-pomba. Nanoratra izy:
توفق الرئيس في شد أنفاس القطيع العربي بمن فيهم البلهى من المثقفين العرب،  ثم لوح بيديه الكريمتين كما يفعل ملوكنا وجبابرتنا الطغاة في لحظات نفاقهم المتميزة ،ـ وصفق له الحاضرون بحرارة ، ولينتهي الفصل الأول من المسرحية
… جاء أوباما  إذن ليقبل العالم العربي الميت ” قبلة الموت”
الحقيقة المرة هو أن أوباما يمنح الولايات المتحدة الأمريكية فرصة أن تلتقط أنفاسها بعد حروب متتالية، اٍذ لم يتردد بوش في [تعبير جارح] العربي البارد ثقافيا وسياسيا  ودينيا وحضاريا ، والحقيقة الأمر  هو أن العدوان الأمريكي سيشتد بعد مرحلة أوباما .
Tonga mba hanolotra oroka i Obama… “oroky ny fahafatesana” ho an’ilay Tontolo Arabo izay efa maty[…] Mangidy ny tena zava-misy marina, manolotra fotoana iray hakàna aina ho an’i Etazonia i Obama taorian’ny ady tsy an-kiato nifanaovana tamin’ireo Arabo izay mangatsiaka ara-kolotsaina, ara-politika ary ara-pinoana. Taorian’i Obama, hirongatra ny herisetra Amerikana.
Nahasarika ny fieritreretan’ny andian'ondry Arabo (sic) ny filoha Amerikana, anisan’izany ireny Arabo  avara-pianarana vendrana (sic) ireny, ary nanofahofa ny tànany izy maka tahaka ireo mpanjakantsika sy ‘despotes’-ntsika tamin’ny fomba fisainan’izy ireo mihatsara velatsihy, dia mitehaka am-pifaliana ireo mpihaino mamarana ny fizarana voalohan’ny fampihomehezana
Sori-panantenana farany
Maro ny zavatra notenenina momba ilay kabarin’i Obama tany Kaira. Anisan’izy ireo i Abdoukil izay naneho sori-panantenana farany  teo am-pamaranana ny lahatsorany tamin’ny fitenenana fa
Amin’ny ankapobeny, nifidy tamim-pitandremana ny teniny i Obama ary niteny izay tian’ny ankamaroan’ny Silamo henoina avy aminy. Tsy misy afa-tsy ny miandry ny fomba hahatanteraka ny nofin’i Obama mba hisy fifandraisana tonga lafatra amin’ny tontolo Silamo sisa, tontolo izay tokony mbola hiasana be mba hanafoanana ny sarisary ratsy ananan'ireo Silamo maro momba an'i  Etazonia.
Nosoratana niaraka tamin’i Hisham ity lahatsoratra ity.