· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Marsa, 2012

Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

  16 Marsa 2012

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry ny fianakaviana", nokarakaraina ny fanambadian'i Amina ilay lehilahy. Nanohina fo maro ny tantaran'i Amina, ary nahatezitra ny Maraokana mpampiasa aterineto, izay nampiasa ny tenifototra Twitter #RIPAmina mba hisaonana an'ilay tovovavy.