· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Febroary, 2012

Maraoka: Mpianatra Nogadraina Fa Nanevateva Ny Mpanjaka Tao Anatina Lahatsary

  18 Febroary 2012

Tamin'ny Alatsinainy 13 Febroary teo, niampanga ilay mpianatra, Abdelsamad Haydour 24 taona higadra 3 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 1200 dolara amerikana ny fitsarana ao an-tanànan'i Maraoka ao Taza noho ny fitsikerana nataony tamin'ny mpanjakan'i Maraoka tamina lahatsary navoakany tao amin'ny YouTube. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny sampam-pahalalam-baovaon'ny fanjakana, voampanga ho “nanosihosy ny hasin'ny firenena” i Haydour. Araka...

Maraoka: Voasazy Noho Ny Famoahana Sariitatry Ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

  09 Febroary 2012

Tamin'ny 7 Febroary 2012, niatrika fitsarana tao Rabat, renivohitr'i Maraoka,  i Walid Bahoman. Voampanga ho “nanala baraka ny hasin'i Maraoka”  ity lehilahy 18-taona ity tamin'ny alalan'ny fandefasana sary sy lahatsary manevateva ny mpanjaka Maraokana Mohammed IV tao amin'ny Facebook. Tsy vao voalohany no nisy mpiserasera Maraokana niatrika fitsarana noho ny fiampangana...