· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Janoary, 2012

Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

  29 Janoary 2012

Any Afrika ary hatrany an-toeran-kafa mihitsy, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona. Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny sain'ireo bilaogera. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana..

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

  17 Janoary 2012

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo. Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa...

Tontolo Arabo: Taona Iray An-ttsary – Ny Fantin'ireo Mpanoratray

  04 Janoary 2012

Satria nataontsika veloma mandrakizay ny taona 2011 ary mibanjina indray ny taona 2012, dia nangataka ireo mpanoratray izahay mba hizara aminareo ireo sary izay manamarika iny taona lasa iny eo imason-dru zareo tany amin'ny fireneny isanisany avy. Ity fantina manaraka ity no maneho ny safidin'izy ireo.