Tantara mikasika ny Maraoka tamin'ny Marsa, 2008
Maraoka: hisokatra ny taom-piotazana voatavo
“Efa hisokatra izao ny taom-piotazana voatavo eto Maraoka. Saingy ny olana (vaovao ratsy) dia tsy tian'ny any Eoropa ireo voatavo voakatra ireo. Ny karazam-boatavo Maraokana manko dia voly fanondrana no tena nambolena azy,” io no voasoratry The View from Fez.
Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy
Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny “Silamo iringiriny”. Na dia “Silamo be” aza no nilazan'ny...
Maraoka: afaka i Fouad Mourtada
Noafahana ora iray izay i Fouad Mourtada, Injeniera momba ny fifandraisandavitra (aterineto koa) ary 26 taona raha nosamborina tamin'ny 5 febroary 2008 lasa teo sady nohelohina higadra telo taona sy handoa onitra $1350 noho ny nametrahany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna (izany hoe karazany sandoka) ny mombamomba ny zandry rahalahin'i Mpanjaka Mohammed...