Tantara mikasika ny Libia

MENA: Brrrrrrrrrrrrrr…Mangatsiaka

  17 Novambra 2018

Brrrr ... Mangatsiaka be eto Afovoany Atsinanana no hafatra nirongatra tamin'ny bilaogy vao haingana. Ity famintinana izay nolazain'ireo bilaogera sasany momba ny hatsiaka ao amin'ny faritra, ao amin'ny toerana mafana sy indraindray mibaliaka masoandro manerantany.

Masoarabo: Taombaovao miavaka!

  17 Novambra 2018

Ny Taombaovao no fotoana handinihana ny lasa sy hamolavolana drafitra vaovao ho an'ny ho avy. Inona no lazain'ireo bialogera avy amin'ny tontolo Arabo satria manao veloma farany ny taona 2007 izao tontolo izao ary handray ny taona 2008?

Topi-maso ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Libyana

  15 Oktobra 2018

Manankarena sy marevaka ny tontolon'ny bilaogy Libyana, saingy tsy dia ara-politika. Gaga hatrany aho mikasika ny fivoarany nandritra ny telo taona lasa. Mety vitsy ireo bilaogerany raha oharina amin'ireo firenena hafa, saingy fahagagana ny zava-misy fa mibilaogy ny olona sasany

Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe

  24 Septambra 2018

Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.