· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Libia tamin'ny Marsa, 2013

Tontolo Arabo: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy

  13 Marsa 2013

Niara-nitepo tamin'izao tontolo izao ireo Arabo mpisera anaty aterineto androany niandry vaovao mikasika izay ho Papa vaovao, izay hisolo toerana an'i Papa Benoit XVI. Ary vantany vao nivoaka ny setroka fotsy avy ao amin'ny Chapelle Sistine, manambara fa voafidy ny Papa, dia niainga avy any koa ny fanehoankevitr'izy ireo.

Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

  12 Marsa 2013

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana - taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny adi-hevitra amin'ny tokony hanesorana ny fandrarana ny toaka hampanara-dalàna azy, mba hahafahana misoroka ny voina tahaka izao mbola hitranga.