· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Libia tamin'ny Septambra, 2012

Libya: Mamaky Ady Amin'ireo Toerana Masin'ny Soufis ny Salafista

  15 Septambra 2012

Iharam-panafihana - ataon'ireo Salafista - ireo toeram-pivavahana sy vakoka Soufis. Notafihan'ireo Islamista fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana ireo toerana masina sy fitehirizam-bokin'ny Soufis tany avaratra-andrefan'i Zliten, ao an-tanànan'i Misrata, sy tao Tripoli renivohitra. Ireo fanafihana, nohelohin'ny UNESCO, dia niteraka hatezerana teo amin'ireo Libiana.

Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi

  15 Septambra 2012

Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.

Libya: Azafady Ry Chris, Tsy Naharo Anao i Benghazi

  14 Septambra 2012

Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia. Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora Christopher Stevens no maty raha nitifitra balafomanga ireo ny mpitolona nandritra ny nitondrana azy ireo tany amin'ny toerana tsara aro kokoa...