· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Libia tamin'ny Oktobra, 2011

Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

  31 Oktobra 2011

Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

Iran: Matahora Ry Mpanao Didijadona – Maty i Gaddafi

  21 Oktobra 2011

Maro koa ny mpamaham-bolongana Iraniana no niara-paly tamin'ny Libyana tamin'ny alakamisy, rehefa maty novonoina ilay mpitondra jadona Libyana nandritra ny fotoana maharitra Moammar Gaddafi. Maniry ny hamaranana ny fitondrana jadona any Iran ny mpamaham-bolongana sasany, raha mifampizara fifaliana amin'ny Libyana noho ny nanafahana firenena iray ry zareo.

Libya: Fifaliana Fa Voamarina Ny Fahafatesan'i Gaddafi

  20 Oktobra 2011

Maty ihany ilay nanampahefana Libyana Muammar Al Gaddafi. Taorian'ny siokantsera sy ny vaovao ankamantatra an-hetsiny amin'ny filazana azy ho voasambotra, maratra, maty na izy telo miarala, dia nohamarinin'ny Antenimieram-pirenen'ny Tetezamita (NTC) mitondra ao Libya fa tena maty tokoa izy. Samy nananihany i Sultan Al Qassemi, avy any Emirà Arabo Mitambatra, sy i...

Libya: Vaovao Tsy Voamarina Fa Voasambotra i Gaddafi

  20 Oktobra 2011

Vaovao mahafaly no re avy any Libya tao anatin'ny minitra vitsivitsy izay, ka nahatonga ny mpisiokantsera Libyana sy Arabo hifaly, amim-pitandremana, manaraka ny fivoaran-draharaha. Honohono milaza fa voasambotra ny mpanao didijadona Libyana Muammar Al Gaddafi. Izao ny domberina hita voalohany.

Sina: Iza No Nahalala Fa Nankahala An'i Gaddafi Ny Libiana?

  02 Oktobra 2011

Zhang Zhaozhong dia toy ny Thomas Friedman Sinoa: Profesora fanta-daza iray miaraka amin'ny PLA National Defense University, Contre-Amiral ao amin'ny tafika an-dranomasina PLA ary mpanao tatitra momban'ny raharaha ara-miaramila ho an'ny CCTV sy ny haino aman-jery hafa, manana mpankafy marobe ary malaza amin'ny fandaminana ny fifanolanana eo anivon'ny miaramila izay iadidiany mialoha ny tsy hitrangan'ny voka-dratsiny