· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Libia tamin'ny Aogositra, 2011

Libia : Tànan-Kavanan'i Gaddafi, Abdessalem Jalloud Niondrana Nankany Italia

  28 Aogositra 2011

Ny vaovao avy any Libia dia miparitaka erak'izao tontolo izao, noho ny nahazoan'ireo mpihoko tsikelikely ny tanàna. Ny vaovao lehibe iray nalaza, dia ny fitsoahan' ny olo-maventy faharoan'i Libia teo aloha, Abdessalem Jalloud nankany Italia tamin'ny fiaramanidin'ny zotram-pitateran'i Malta nandalo tany Tonizia, araka ny nambaran'ny olona ambony iray ao amin'ny Governemanta Toniziana ankehitriny. Noraisin'ny olona maro ho mariky ny fiafaràn'i Gaddafi ny fialàn'i Jalloud.

Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”

  22 Aogositra 2011

Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i Sultan Al Qassemi avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra: @SultanAlQassemi: Are you watching Bashar? You're next. #Syria Mijery ve ianao...

Libya: Mahatsiaro an'i Mohammed Nabbous

  21 Aogositra 2011

Miely ao amin'ny Twitter ny fahatsiarovana an'i Mohammed Nabbous, mpanorina ny televiziona Libyana AlHurra TV. Maty nandritra ny fifampitifirana nalainy sary tamin'ny 19 Marsa i Nabbous. Araka ny nolazain'ny mpankasitraka azy moa dia mankalaza ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny fanahin'i Nabbous.

Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

  21 Aogositra 2011

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.

Libia : Mitohy ny Fitotonganan'ny Maha Olombelona Amin'ity Ramadany ity

  15 Aogositra 2011

Mitohy ny fijalian'ny Libiana fepetra maha olombelona faran'izay mampivarahontsana satria mbola mavaivaiy ny ady ao amin'ny fireneny amin'ity Ramadany ity. Miainga amin'ny sakafo mankany amin'ny rano hatrany amin'ny solika ary ireo fahatapahan'ny herinaratra, hatramin'ny fandevenana ny havany maty sy ny tsy fahampian'ny vaovao marim-pototra amin'izay zava-miseho ao ambadiky ny tranon'izy ireo, izany no manamarina fa ho henjana tanteraka ity volan'ny fifadian-kanina ity.