· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Libia tamin'ny Marsa, 2011

Libya: Nitombo tao Misrata ny Helok'i Gadhafi.

  27 Marsa 2011

Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i  Gaddafi ao Addabiya. Nandritra izany, nanohy nijery ny zava-mahatsiravina sy ny habibiana mibaribary ao Misrata izao tontolo izao, izay mbola notohizan'ny tafik'i Gaddafi...

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

  25 Marsa 2011

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

Shina: Tsy maintsy mandeha i Gaddafi (Kadhafi)

  21 Marsa 2011

Ny toerna ofisialy raisin'i Shina dia ny hoe tokony horesena lahatra amin'ny fifanakalozan-dresaka sy fomba milamina maro hafa aloha i Lyiban'i Koloney Gaddafi; tsy ny rehetra any Shina no miombon-kevitra amin'izany. "Vitao ny aminy," hoy ny soratan'ilay Sinoa mpitoraka bilaogy be mpamaky indrindra manerantany.

Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)

  18 Marsa 2011

Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny fahafahan'ny Libiana i Benghazi.

Ireo mpitsoam-ponenana Palestiniana very any Lybie

  16 Marsa 2011

Anisan'ireo lahatsoratra momba ny Fihetsehana tany Lybie 2011 ity lahatsoratra ity. Ireo vahoaka any Libiae, izay mirotsaka an-tsehatra amin'ny ady ho an'ny  demokrasia ary manohitra an'i Muammar Gaddafi sy ny miaramilany, no miaritra ady aman'aina efa ho herinandro maromaro izao. Vahoaka marobe no efa nandositra ny fireneny ka lasa any Tonizia...

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

  11 Marsa 2011

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Libya: Manohy ny fitifirana an'i Zawiya ny tafik'i Gadhafi.

  09 Marsa 2011

Ity lahatsoratra dia fitantarana manokana momba ny Fihetseham-bahoaka taona 2011. Tifitra tamin'ny alalan'ny fiara mivono vy sy fitaovam-piadiana mavesatra tao Al Zawiya, ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Libya, dia nanakoako tao amin'ny Twitter. Amin'ireo vaovao vitsivitsy avy an'i Libya fa nisy mpanao gazety voatana ao amin'ny hotely ao Tripoli miandry an'i Kolonely...