The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Lebanon Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Lebanon

2008-03-26

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny "Ezaka ho fanafàhana an'i Irak". "Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy " hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka" mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online ...

2008-03-25

Liban : Ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny ireo fanohanana avy any ivelany

Efa dimy volana izao no tsy nanana Filoham-pirenena i Liban. Efa in-15 no nahemotry ny Filohan'ny Parlemanta ny fifidianana. Ny Parlemanta ao Liban, izay misy olom-boafidy 128, no tokony mivory ary mifidy izay ho Filohan'ny Repoblika. Mbola tsy nisy anefa izany hatramin'izao. Nilaza ny Filohan'ny Parlementa fa tsy manaraka ny lalam-panorenana ...

2008-01-30

Libanona : Moa ve tena nitsahatra ny ady an-trano ?

French Eagle no mitatitra ny fijeriny momba ny fanafihana fampihorohoroana nitranga vao tsy ela tany Libanona, raha manoratra ny “hadalana vokatry ny habibiana” [connerie inhumaine] izy : La guerre civile ? Mais a-t-elle réellement cessé? Peut-être que l’occupation syrienne du Liban n’était qu’une anesthésie locale et sa fin a libéré les vieux ...

Libanona : Manala sarona ny hetsik'i Hassan NasrallahPhotos post

Manontany tena sady mamazivazy i Heuristiques Libanaises eo am-pijerevana ny sarin'i Hassan Nasrallah izay mampitandrina amin'ny fanandratana ny tondrony, raha manatrika ny fodiana sa ny fiposahan'ny masoandron'ny “fandresena avy amin'Andriamanitry”-ny antoko Hezbollah i Libanona : Lorsqu'il plastronne devant les foules ou les militants admiratifs, le sourcil froncé, le regard courroucé et ...

2008-01-14

Libanona : “Ireo zanakisoa telo”

Ms Leventine, any Libanona dia mindrana ilay angano fanta-daza “Ireo zanakisoa telo” mba hanambarana amintsika izay fomba fahitany ny toe-draharaha any Libanona ankehitriny : Once upon a time, there were three mighty little pigs called Sami, Hani and Rami. They lived in a big, beautiful forest. The water was abundant, the ...

2007-12-20

Libanona: Raha foana tahirin-tsolika

“Halavirana hatraiza no vitan'ny fiaranao rehefa manamarika (mena) ny tabilao fanamoriana fa lany ny tahirintsoliky ny fiaranao?” hoy ny fanontanian'ny mpamaham-bolongana Libaney Mark, izay te-hampilaza amin'ny mpamily fiarakodia hoe hatramin'ny firy kilometatra moa no vitan'ny fiara entinao rehefa voatondro ny faritra mena fahalanian'ny solika ao aminy. Amira Al Hussaini

2007-12-01

Masoarabo: Henakisoa Halal

Ny tena dikan’ny teny hoe masoarabo eto moa dia hoe “fomba fijery arabo”. Ny Silamo, tahaka ny Jodaisma dia mandrara ny mpikambana ao aminy tsy hihinana henakisoa. Saingy inona moa no hitranga raha misy tsahotsaho fa misy fanomezandalana ara-pivavahana na ‘Halal’ hita eny an-tsena? Ity misy adihevitra nataona mpamaham-bolongana sy ...

2007-11-22

Libanona : Ny ho mpanao pôlitika malaza no tanjona

Ny mpiblaogy Life Flaw avy any Libanona dia manome toro-hevitra hoan'ireo izay manao ho tanjona ny ho mpanao pôlitika malaza any Libanona : « If you are not a fortunate son of a… leader, you need to find an alternative way to make your way in the swamp of politics. A ...