The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Lebanon Tahiry Firenena

RSS ho an i Lebanon

2008-07-31

Ady & Fifandirana ,
Fifandraisana iraisam-pirenena

“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.

2008-07-27

Zavakanto & Kolontsaina ,
Tantara

“Manohana ara-bola sy manavao ny sinagoga, lehibe indrindra any amin'ny tontolo Arabo, Magen Abrahama afovoan-tanànan'ny renivohitra Libaney ny zanaka ampielezana Libaney. Antenaina ho vita mialoha ny faran'ity taona ity na mialoha ny taona 2009 ny fanavaozana,” hoy ny tatitry The Lebanese Inner Circle.[Kodiarana Libaney]

2008-07-23

Iran: Maneho hevitra amin'ny fifanarahan'ny Hezbollah sy Isiraely ny bilaogera Iraniana

Raha faly amin'ny fanafahana ny gadra Libaney any Isiraely ny fitondram-panjakana Iraniana, nanontany ny momba ireo Iraniana nosamborina any Libanona kosa ny mpamaham-bolongana Iraniana, hoy Hamid Tehrani, izay nanangona ireo fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana Iraniana voangona ato amin'ity lahatsoratra ity.

2008-06-24

Libanona: Fitsidihana tampoka nataon’i Condoleezza Rice

Ny Alatsinainy16 jona lasa teo, ny Sekreteram-panjakana Amerikana Condoleezza Rice dia nivahiny tampoka ora dimy tao Libanona. Nanambara izy ny fanohanan’ny governemantany ny filoha Libaney vao lany tsy ela akory izay, sy ny governemanta Libaney, ny mpitondra tenin’ny parlemanta ary ny rafitra demokratika ao amin’ity firenena ity. Nandritry ny ady ...

2008-05-18

Governance ,
Fanoherana

“Teny an-dalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Beirota no nitenenan'ny mpikamban'ny ‘Fivondronan'ny Sembana' sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny mpanao politika, tompondakan'ny ady (Seigneurs de la guerre), ny be fihetsiketsehana sy ny akamany ny tsy hiverenenany any an-toerana mihitsy raha mbola tsy milamina ny resaka ka vita misy ny fifanarahana,” izany no tenin'ny mpiara-misakafo zoma atoandro (Friday Lunch Club) momba ny Olobe Libaney manao tapatapak'ahitra momba ny fandriapahalemana tontosaina any Qatar.

2008-05-15

Libanona : Izay lafiny maivana amin'ny fotoan'ny ady

Moussa Bashir no mandray fitenenana ao amin'ny blaogy UrShalim ka mitatitra ireo hatsikana izay reny mikasika ny toe-draharaha pôlitika mavaivay any Libanona ankehitriny : Minister Nayla Mouawad has threatened the opposition forces that she would go on national TV without makeup if they do not withdraw their militia from the streets. The ...

2008-05-14

Ady & Fifandirana ,
Fifandraisana iraisam-pirenena

“Nanasongadina ny fisarahana politika lalina izay mihoatra (ambadiky) ny fisamatsamahana ara-pivavahana ny tenin'i Nasrallah, Fa misy ny mihevitra an'i Libanona ho toeram-pamaharan'ny tandrefana hanjakazakana ao amin'ny faritra izay mifanohitra amin'ireo mahita an'i Iran sy Siria ho atidohan'ny fiokoana,” hoy ny soratry Burghol miresaka ny ady any Libanona.

Fivavahana ,
Ady & Fifandirana

“Terena matetika, tsy araka ny sitrapony, indray ankehitriny ny olona, hiverina amin'ny fisamatsamahana ara-pivavahana misy azy ho fiarovan-tena. Mahavaky fo ny tsirairay matetika ny fiantraikan'io fisamatsamahana io,” hoy ny soratry Manuela Paraipan miresaka amin'izay iainany mandritra ny fifanandrinana mitranga any Libanona.

2008-05-11

Governance ,
Ady & Fifandirana

“Nanambara ny famerenana an'Atoa Wafiq Shuqair ho lehiben'ny fiarovana ny seranam-piaramanidina indray KOmandin'ny tafika ary izy no hiandraikitra ny fanadihadiana momba ny seraseram-pifandraisan'ny Hezbollah ‘nefa tsy ho voakitika ny momba ny fitolomana (resistance)’, hiangavy ny mitam-piadiana rehetra hiala amin'izay ka hosokafana amin'izay ny lalana rehetra,” hoy ny tatitry In the Middle of the East (eo anivon'ny atsinanana) momba ny fanapahan-kevitry ny governemanta niteraka ny disadisa tany Libanona.

Ady & Fifandirana

“Andro mafana mahafinaritra indrindra eto Libanona… nivadika ho ady an-trano ny filaharam-pihetsiketsehana… matahotra aho. Omaly raha nandre ny tifitra nifamaliana mihamanakaiky ny trano aho dia tsy sahy nitsangana, tsy sahy nihazakazaka, tsy afa-nihetsika akory aza!!” Hoy i NightS raha nanoratra izay niainany nandritra ny zava-nitranga farany tany Libanona izy.