Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Aogositra, 2012
Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth
Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.
Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny
Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.
Libanona: “AlloFail,” Fanerena Hahatsara Kokoa ny Tolotra Finday
Anisan'ny manana taha avo indrindra manerantany ny fahamaroan'ny finday sy ny tolotra momba izany ao Libanona. Fa mampahonena kosa ny ankamaroan'ireo tolotra ireo araka ny lazain'ny mpisera. Nanapa-kevitra ny tsy hitaraindraina sy hipetra-potsiny fa hametraka fanovana hita maso ny tanora sasany amin'ny fampiasana ny tarigetra "AlloFail"