· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Marsa, 2011

Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary

  28 Marsa 2011

Fa iza moa ireo  Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay fanadihadiana, Libalel, no manasongadina ireo mpanakanto toa an'ilay Libane mpamokatra lahatsary Ziad Antar. Ziad Antar dia teraka tamin'ny 1978 tao Saïda...

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

  28 Marsa 2011

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

Libanona: Tsy niresaka momba ny famoriam-bahoakan-dry Hariri ny Bilaogera

  18 Marsa 2011

Rehefa nahazo aingam-panahy avy tamin'ny fihetsiketsehana manerana n tontolo Arabo dia nanao famoriam-bahoaka tao Beirota ny praiminisitra teo aloha Saad al-Hariri tamin'ny Alahady teo mba hiantso amin'ny fanesorana fitaovam-piadina ny  Hetsika tsitohaina Shi'ita Hezbollah. Ny Hezbollah no antoko politika lehibe indrindra sady vondrona tokana mbola mitazona ny fitaovam-piadiany – no nanala...

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

  11 Marsa 2011

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Libanona: Fihetsiketsehana manohitra ny rafitra mifototra amin'ny sekta

  07 Marsa 2011

Mihoatra ny 2500 ny Libaney nanao diabe tamin'ny alahady (27 Febroary 2011) tao an-drenivohitra Beirut manohitra ny rafitra miankina amin'ny sekta izay heverin'izy ireo ho fototry ny olana ao amin'io firenena io. Ato no hahitantsika hoe tahaka ny ahoana ny fihetseham-pon'ny Libaney an-tserasera. Efa misy koa ny miomana hanao fihetsiketsehana ny 5 Marsa.