Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.
#
Mpandika Jentilisa
· 9:55 am
· Lebanon
Nahafaty olona 11, ka miaramila ny 9 amin'izany, sy naharatra 30 hafa ny fanapoahana baomba nataon'ny mpampihorohoro tany Tripoli, Libanona. Nangonin'i Moussa Bashir ny fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana Libaley tamin'ity fanafihana ity.
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika avylavitra
· 5:47 pm
· Lebanon
Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany, ...
0 hevitra · Tohiny »
“Firifiry ny isan'ny misolelaka any amin'ny fitondrana Siriana (manohitra an'Isiraely) mandritra ny herinandro? Ny valiny: feno. Koa miangavy re: teneno ny fitondrana Siriana tsy hiteny amin'ny anaran'ny Arabo manontolo raha mampanantena fandriampahalemana sy mandrindra fihavanana amin'Isiraely izy. Ary tsarovy ihany koa fa efa nampanantena toy izany i Sadat (filoha eziptiana taloha nisy namono) tamin'ny androny,” hoy ilay Libaney Dr As'ad Abu Khalil ao amin'ny The Angry Arab News Service.
#
“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.
#
“Manohana ara-bola sy manavao ny sinagoga, lehibe indrindra any amin'ny tontolo Arabo, Magen Abrahama afovoan-tanànan'ny renivohitra Libaney ny zanaka ampielezana Libaney. Antenaina ho vita mialoha ny faran'ity taona ity na mialoha ny taona 2009 ny fanavaozana,” hoy ny tatitry The Lebanese Inner Circle.[Kodiarana Libaney]
#
Mpandika Jentilisa
· 6:24 am
· Iran · Israel · Lebanon
Raha faly amin'ny fanafahana ny gadra Libaney any Isiraely ny fitondram-panjakana Iraniana, nanontany ny momba ireo Iraniana nosamborina any Libanona kosa ny mpamaham-bolongana Iraniana, hoy Hamid Tehrani, izay nanangona ireo fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana Iraniana voangona ato amin'ity lahatsoratra ity.
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika avylavitra
· 6:35 am
· Lebanon · U.S.A.
Ny Alatsinainy16 jona lasa teo, ny Sekreteram-panjakana Amerikana Condoleezza Rice dia nivahiny tampoka ora dimy tao Libanona. Nanambara izy ny fanohanan’ny governemantany ny filoha Libaney vao lany tsy ela akory izay, sy ny governemanta Libaney, ny mpitondra tenin’ny parlemanta ary ny rafitra demokratika ao amin’ity firenena ity. Nandritry ny ady ...
0 hevitra · Tohiny »
“Teny an-dalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Beirota no nitenenan'ny mpikamban'ny ‘Fivondronan'ny Sembana' sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny mpanao politika, tompondakan'ny ady (Seigneurs de la guerre), ny be fihetsiketsehana sy ny akamany ny tsy hiverenenany any an-toerana mihitsy raha mbola tsy milamina ny resaka ka vita misy ny fifanarahana,” izany no tenin'ny mpiara-misakafo zoma atoandro (Friday Lunch Club) momba ny Olobe Libaney manao tapatapak'ahitra momba ny fandriapahalemana tontosaina any Qatar.
#
Mpandika Tomavana
· 9:12 am
· Lebanon
Moussa Bashir no mandray fitenenana ao amin'ny blaogy UrShalim ka mitatitra ireo hatsikana izay reny mikasika ny toe-draharaha pôlitika mavaivay any Libanona ankehitriny :
Minister Nayla Mouawad has threatened the opposition forces that she would go on national TV without makeup if they do not withdraw their militia from the streets.
The ...
0 hevitra · Tohiny »
Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany...
-
Y sin embargo, algunos todavía creemos que un mejor país es pos...
Tohiny »