Tantara mikasika ny Koety

Koety: Nampijaliana noho ny siokan'olon-kafa

GV Mpisolovava  15 Avrily 2019

Nahamarika izy ireo raha nandeha ny fampijaliana fa namoaka sioka tamin'io fotoana io ny kaonty Twitter izay niampangan'izy ireo azy raha mbola tany am-pigadrana izy ary nanapa-kevitra ny hampiato ny fampijaliana noho izany ny polisy ary niampanga azy ho nanao fihetsiketsehana tsy ara-dalàna tahaka ireo mpanao fihetsiketsehana hafa.

Maso Arabo: Eritreritra Ramadan

  28 Marsa 2019

Satria mifarana vetivety ny volana masina Ramadany, mizara ny eritreriny momba ny volana, ny zavatra ataon'izy ireo, ny fenitry ny fitondrana fiara ary ny fanirian'izy ireo hiala-sasatra.

Koety: Mpiserasera telo nogadraina

GV Mpisolovava  17 Marsa 2019

Tsy manana tantara momba ny fisamborana olom-pirenena noho ny fanehoany ny heviny antserasera i Koety efa-taona lasa izay, saingy tamin'ity taona ity, dia olona telo no nosamborina tao anatin'ny telo volana monja..

Koety: Mandria Am-piadanana ry Ahmad AlRubi'e

  21 Febroary 2019

Mitomany ny fahalasanan'ilay avara-pianarana mpitarika sady mpanao politika, Dr Ahmad AlRubi'e, ireo bilaogera Koetiana. Maro ireo bilaogera namoaka fiaraha-miory tamin'ny fianakaviany tao ami'ny bilaogin-dry zareo ary ny sasany tamin'ireo nanoratra tamim-pirehetampo fatratra momba ny fifandraisan-dry zareo taminy. I Abdullatif AlOmar no mitondra ny tantara amintsika.

Fankalazàna ireo Fetim-pirenena Roa an'i Koety

  04 Febroary 2019

Fetim-pirenena roa no nankalazaina tao Koety tamin'ny herinandro lasa teo - ny iray tamin'ny 25 Febroary ary ny faharoa kosa ny 26 Febroary. Mailaka ireo bilaogera Koetiana nisikotra ny tantaran'ireo fankalazàna ireo.

Navotsotra ilay bilaogera Koetiana Bashar Al-Sayegh!

GV Mpisolovava  14 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Notaterina fa navotsotra i Bashar Al-Sayegh, ilay bilaogera Koesiana izay nosamborina ‘noho ny fanehoan-kevitra navoakan'ny olona iray tsy fantatra anarana tao amin'ny sehany fifanakalozan-kevitra.  

Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

  04 Desambra 2018

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.