· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Koety tamin'ny Febroary, 2013

Koety: Bilaogera-Mpaka Sary Norahonana sy Nodarohan'ny Polisy

  22 Febroary 2013

Nitsahatra amin'ny fikatrohany ilay bilaogera-mpaka sary malaza amin'ny fitantarana ny herisetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manan-tanindrazana ao Koety, nanoratra tao amin'ny Twitter izy fa novonoina sy noteren'ireo manampahefana hanao izany. Mampiasa solon'anarana “حمقان البدون” midika hoe “Bidoune tezitra” (Arabo tsy manan-tanindrazana) izy. Fantatra amin'ny fampiasana sary ahitana ny herisetran'ny...

Koety: Mitokona Tsy Misakafo Ilay Mafàna Fo Tsy Manana Zom-Pirenena.

  03 Febroary 2013

Nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tao am-ponja ilay mpikatroka mafàna fo tsy manana zom-pirenena Abdulhakim AlFahdi, ny 16 Janoary teo, rehefa nandray ny saziny roa taona an-tranomaizina. Nampangain'ny fitsarana fa namely mpitandro filaminana iray tamin'ny hetsi-panoherana natao tamin'ny volana Marsa teo ity mafàna fo ity. Nolazain'ilay mpikatroka mafàna fo fa noforonina mba hiampangàna azy ity fanenjehana ity noho ny hafanam-pony ara-politika amin'ny fangatahana ny zon'ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena any Koety