· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Koety tamin'ny Marsa, 2012

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

  27 Marsa 2012

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

Koety: Rantin-Javakanto Nakatona Fa “Mamohehatra”

  13 Marsa 2012

Tohina ny mpanakanto Shurooq Amin rehefa nakatona tsy misy fanazavana ny fampirantiana hosodoko nataony. Maro ny tatitra nilaza fa nisy lehilahy telo tonga tao amin'ny fampirantiana, ora telo taorian'ny fisokafany, ary nanaisotra ny tabilao, ka niteny fa nahazo fitarainana momba ny votoatin'ny hosodoko ry zareo. Nisiokantsera tao anatin'ny hatairana ny artista...