The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Jordan Tahiry Firenena

RSS ho an i Jordan

2008-09-03

Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any ...

2008-08-12

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy ...

Kilonga ,
Lalàna

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 - raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra - izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.

2008-07-09

Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana

Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany ...

2008-05-16

Amerika : Fasana ambanin'ny ranomasinaSary post

Lulu izay mpiblaogy Jordaniana monina any Amerika no manapariaka ao amin'ny memoirs of Lulu [ireo tahirin'i Lulu] mikasika ny fasana ambanin'ny ranomasina hoan'ireo izay tia ny ranomasina fahavelony any Florida, Amerika : The Neptune Memorial Reef as a uniques resting spot for people who loved the sea. It is also a heaven for ...

2008-05-14

Dobay : Trozona sy patsaSary post

Sha3teely mpiblaogy Jordaniana no mizara izay eritreriny raha nitsidika ny tananan'i Dobay andro vitsy izy sady nanapariaka sary vitsivitsy : This trip simply showed me how much poor, unimportant, dispensable and small creature I am… it showed me how big is the world and how far are we. It showed me ...

2008-04-20

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra 'resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray momba ...

2008-04-17

Governance

Avy any Jordana i Khalaf no manontany: “Ahoana moa no ahafahan'ny praiminisitra nitondra fiakaram-bidin-javatra mihoatra ny 10% nandritra ny fotoana nitondrany, nampihisatra ny fitomboan-karena, tsy nahombiazana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ary tsy afa-nanatontosa tetikasam-panjakana lehibe mihitsy no mbola ho afa-manaporofo ny fahamendrehany?”

2008-04-07

Jordana: Inona no famakin'ny zanatsika?

"Inona no famakin'ny zanatsika ?" hoy Batir Wardam jordaniana (Ar) manontany, nanoloana ny fangatahan'ity zazavavy iray naniry hividy bokin'ankizy tao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray kanefa nodian-dreniny fanina fotsiny. Nandritry ny naha tao amina toeram-pivarotamboky iray azy no nandrenesan' i Wardam ny resaky ny zazavavy iray sy ny reniny: قبل فترة وبينما كنت أشتري ...

2008-04-04

Jordana : Aterineto lafo indrindra manarakaraka an'i Marôka

An American in Jordan [Amerikana iray aty Jordana] no mitatitra ny halafon'ny fampiasana Aterineto any Jordania : “The Jordan Times is reporting that Jordan’s Internet prices are among the highest in the region due to the imposed 16 percent sales tax. In fact, Jordan ranks second only to Morocco, which applies ...