· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Marsa, 2011

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

  11 Marsa 2011

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Jordaia: Tiako i Jordania Satria …

  08 Marsa 2011

Rivotra niaina atao amin'ny tontolonìny Twitter Jordaniana ny fitiavana satria nivadika ho lisitra nivezivezy ilazan-dry zareo ny antony itiavany ny fireneny tamin'ny alalan'ny tenifototra #ILoveJordan. Betsy Fisher nifantina sasantsasany tamin'ireny fanehoan-kevitra ireny.

Amman: Marika Famoronana Ho Amin'ny Fanovàna Tanatin'ny Hetsi-panoherana Tao Amman

  08 Marsa 2011

Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia tamin'ny alalan'ny antso fanaingana fanavaozana sy fanovana no namalian'ny ny vahoaka sasany tao Jordania izany.