· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Janoary, 2011

Tontolo Arabo : Media vaovao sy ny fanehoan-kery ataon'ny Ejiptiana

  29 Janoary 2011

Miandry am-panahiana izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha any Ejipta ny tontolo Arabo. Androany, naka sisiny ny media mahazatra hatramin'izay fa ny media an'ny vahoaka no mahazo laka. Raha mitana toerana lehibe ny media vaovao hanehoan'ny vahoaka ny heviny, dia manana ny anjara toerany lehibe koa ny fampitana vaovao amin'ny fomba...

Liban: manohana ny fanoherana ny “Pinochet Arabo” ny mpitoraka bilaogy

  17 Janoary 2011

Niray feo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tonizia izay araka ny heno hatreto aloha dia olona 24 no maty ireo mpitoraka bilaogy any Liban. Fanehoana fiaraha-miory sy fanohanana ny tanora avy any Tonizia izay manohitra ny jadona sy ny kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ny filoha Zine el Abidine ben Ali,...

Jordania: Mety Hitarika amin'ny fialàn'ain'ny Governemanta Arabo maro Hafa ny Fanoherana Toniziana

  14 Janoary 2011

Arakaraky ny itohizan'ny herisetra, dia toy izany koa ny valin-kafatra sy ny fanehoan-kevitra ao Jordana. Maro ireo Jordaniana mpampiasa twitter no nifantoka tamin'ny fanakianana ny Filohan'i Tonizia , Zine El Abidine Ben Ali. Ny hafa mihevitra fa ny korontana mitranga any Tonizia dia hanome hevitra ny vahoaka any amin'ny firenena Arabo hafa hangataka fanavaozana ara-toekarena sy ara-politika.

Jordania: Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter mikasika ny fisondrotan'ny Solika Sivy Isan-Jato

Nanambara ny fitsaharan'ny fiakaram-bidin'ny solika nandritra ny faran'ny taona ny governemanta Jordaniana. Ny vidin'ny entona fandrehitra, raha alaina ho ohatra ny benzine, dia niakatra 9 isan-jato, raha 6 isan-jato kosa ho an'ny vidin'ny gazole sy ny kerosene. Maro ny Jordaniana no naneho ny tsy hafalian-dry zareo tamin'ny alalan'ny esoeso manafintohina sy mahadrohadro.

Jordania: Fifandonana nanaraka ny fifidianana tao amin'ny Anjerimanontolo

  02 Janoary 2011

Ny 21 Desambra 2010 teo dia nampanao fifidianana ny ho governemantan'ny mpianatra ao aminy ny Anjerimanontolon'i Jordania. Noho ny fisian'ny tatitra momba ny herisetra sy tsy fetezan-javatra nandritra ny fifidianana, namoaka fanambaràna haingana ny Anjerimanontolo manohitra ny filazana fa hoe nisy korontana. Herinandro roa latsaka taty aoriana, mbola nisy korontana hafa indray nitranga.

Jordania: Afaho i Taher Nassar!

  02 Janoary 2011

Tahir Nassar, mpisolovava iray sady kandida nirotsaka hofidiana tao amin'ny antenimiera, dia nosamborina sy notànana any am-ponja Jordaniana noho ny fiampangana azy ho "nihantsy ady eo amin'ny sekta." Ny helok'i Nassar dia ny fandaharan'asam-pifidianany izay mampibaribary ny fanavakavahana mianjady amin'ireo Jordaniana manana fiaviana Palestiana. Naneho hevitra manodidina ilay vaovao ireo mponin'ny aterineto.