· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Jordania tamin'ny Aogositra, 2010

Jordania: Reema, Tsy avelanay ho zava-poana ny fahafatesanao

  31 Aogositra 2010

Reny 35 taona, manan-janaka 3, no maty novonoin'ny vadiny nandritra ny torimasony tany Jordany . Nihevitra ny vadiny fa "tratry ny mosavy " ny vady andefimandriny ka mety ho izy no hovonoiny voalohany. Tantaran'ny maty feno alahelo no nosoratan'ny zana-drahavaviny ao amin'ny aterineto ary antso maro no nalefa mba tsy ho zava-poana ny fahafatesany .

Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy

  26 Aogositra 2010

Rehefa nanoratra lahatsoratra fanesoana tao amin'ny blaoginy mikasika fanambarana tsy tena misy nataon'ny filoha Nicolas Sarkozy mikasa hametraka fomba Frantsay mikasika ny Islam na ireo Silamo Frantsay i Ahmed, tsy nanampo mihitsy izy hoe ho lasa lohatenin-gazety sy ireo vohikalan'ny media amin'ny aterineto ny "tantarany", tsy tahaka ny vosoboso-dratsy noheveriny fa tahaka ireo vaovao milaza zava-misy.

Jordania: Mibanjina anao i Big Brother!

  18 Aogositra 2010

Nifoha tampoka ny vondron'olona Jordaniana mpampiasa aterineto rehefa nipotra ireo vaovao mikasika ny fanasaziana an'Imad Al-Ash an-tranomaizina mandritra ny roa taona - noho ny faniratsirany ny mpanjaka Jordaniana tao anatina hafatra enoho eo (IM) nalefany tamin'ny namany iray. Manana ny ambarany ireo mpitoraka blaogy eto.

Sina: Tantaran'ny “Visa”

  13 Aogositra 2010

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...