Global Voices teny Malagasy » Israel
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra  90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any  Gaza,  “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena  ary ahitana tsikera 200 ao amin'ny YouTube, ka mbola mitohy mitombo hatrany.
Cinemascopian, Israelity Bites, One Jerusalem, sy ny Promised Land samy mampiseho ilay vidéo sy ny hafatra tiany ampitaina, fa tsy mitsikera.
Ao amin'ny blaogy Checkpoint Jerusalem, Dion Nissenbaum manome ny foto-dresaka sy ny mombamomba ilay sarimihetsika, manazava fa ny “Closed Zone” dia natao ho an'ny Gisha, ONG Israeliana tsy mpitady tombontsoa , izay miasa ho fiarovana ny fahalalaha-mihetsik'ireo mponina 1.4  tapitrisa ao amin'ny faritr'i Gaza.
Ao amin'ny fanambaràny momba ny fikatonan'ireo faritra fivezivezena any Gaza,  izay efa nampiharina nandritra ny 18 volana, dia manoratra i Gisha:
Raha ny hevitr'i Gisha dia tsy ara-dalàna ny fanakatonana satria manasazy ireo mponin'ny faritr'i Gaza amin'ny zavatra tsy nataony sy noho ny tranga ara-politika tsy miankina amin'izy ireo. Ity fikatonana ity dia misy fiantraikany eo amin'ireo mponina sivily sy ireo sampan-draharaha noho ny fandraràna ny fidiran'ny kojakoja ilaina amin'ny fahasalamana, amin'ny fiainana andavanandro, ary ny ara-toekarena.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="295" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Hzqw7oBZT8k&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="295" src="http://www.youtube.com/v/Hzqw7oBZT8k&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny nanao ny “Closed Zone” dia i Yoni Goodman. I Goodman dia malaza manokana amin'ny naha Talen'ny Fanentanana azy tao amin'ny “Waltz with Bashir,” nandresy tamin'ny Sarimihetsika Vahiny Tsara indrindra tamin'ny Golden Globes Award ary amin'ny fitsarana ankapobeny ihany koa dia mbola isan'ireo tsara toerana tamin'ny sokajy nisy azy tamin'ny  Academy Awards 2009. (Ilay sarimihetsika Zapone “Departures” no nibata ny fandresena.)
Tao amina resadresaka iray niarahana tamin'ny Jerusalem Post tamin'ny fotoana namoahana ny “Closed Zone” dia nanazava i Goodman:
“Halako Hamas. Mitady hamono anay izy ireo. Mazava ho azy fa fahavaloko izy ireo. Miala tsiny amin'ireo vahoaka  Palestiniana izay te hiaina ny fiainan'izy ireo aho… Ny olona tsy te-handre   hoe tena olona tokoa anie ireo Palestiniana. Aleon'ny olona mieritreritra azy ireo toy ny hoe devoly, sady Hamas daholo ry zareo. Mora ny miteny hoe:  ‘sazio ry zareo, na koa vonoy ry zareo.'  Sarotra be  ny mijery azy ireo ho toy ny olon-tsotra te-handry fahalemana.
Anaty video fanampiny “Closed Zones: Any ambadiky ny sehatra,” manindry mafy i Goodman:
Nahatonga ity tetikasa ity hanjary andraikitro manokana ny ady.  Ny mpandray anjara eto dia zazalahy kely, sady ankizy izy no olon-dehibe, sady arabo no Jiosy, zavatra iray azon'ny tsirairay hakàna taratra. Tsy tsara loatra ny hamadihana azy ity ho sarimihetsika stereotype [
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no  milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana.
Ny mpamahana ny bolongana The Other Door [ny varavarana hafa] no mitantara ny momba ilay fampitam-baovao izay nanaovany lohateny hoe “Fanavakavahana tena tsotsotra”:
عنصرية عادية جداً
حادث طرق عادي جداً, سيارة عادية جداً انحرفت عن مسارها بشكل عادي جداً, واصطدمت بشكل عادي جداً بسيارة تاكسي , عادية جداً.
سائق السيارة الخصوصية يهودي عادي جداً وصديقه العربي, العادي جداً, قتلا في الحادث بشكل عادي جداً, 5 من راكبي التاكسي اصيبوا بجراح متوسطة بشكل عادي جدا وأخرى اصيبت اصابات بالغة بصورة عادية جداً, ركاب التاكسي ممثلي مسرح يهود, عاديون جداً.
بعد تنظيف الشارع من الدم بشكل عادي جدا, أنتشر الخبر في جميع وسائل الاعلام بشكل عادي جداً.
فعلى سبيل المثال في نشرة اخبارقناة 10 الاسرائيلية, تم بث تقرير عن الحادث مدته 7:34 د, منها 1:08 د عن السائق اليهودي وعائلته,
والباقي عن الممثلة الاسرائيلية واصدقائها , اما القتيل العربي فأكتفوا بذكر اسمه وانه محامي يسكن في كريات شمونة , ولقطة قصيرة جداً لصورة بورتريت, وليس صدفة انني نسيت اسمه فور انتهاء التقرير…
Lozam-piarakodia tena tsotsotra iray: fiara tena tsotsotra iray no nivoaka ny lalany tamin'ny fomba tena tsotsotra, ary dia namantana tamin'ny fomba tsotsotra tamina taxi iray.
Maty nandritra ity lozam-piarakodia tsotsotra tamin'ny fomba tena tsotsotra ity ny lehilahy Jiosy tena tsotsotra iray, nanamory ny fiara, sy ny namany Arabo tena tsotsotra. Naratra eo ho eo ihany tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny mpandeha dimy tamin'ilay taxi, fa naratra mafy tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny hafa. Jiosy tena tsotsotra mpilalao tantara tsangana ny efatra amin'ireo mandeha taxi.
Rehefa voasasa nanalana ny ra tamin'ny fomba tsotsotra ny arabe, dia niely tamin'ny hano aman-jery tamin'ny fomba tsotsotra amin'izay ny vaovao.
Ohatra, tao amin'ny vaovaon'ny Channel 10 Isiraeliana, dia naharitra 7:34 minitra ny nitaterana ity lozam-piarakodia ity, 1:08 minitra no lany tamin'ny filazalazana ilay mpanamory fiarakodia Jiosy syny fianakaviany, ary ny ambiny kosa niresahana momba ireo mpanao tantara tsangana sy ny namany. Fa ho an'ilay Arabo izay maty kosa dia nionona tamin'ny fanononana ny anarany sy ny filazana fa mpahay lalàna izy ary monina any Kiryat Shmona fotsiny ry zareo, dia namoaka ny sariny tao anatin'ny indray mi-pimaso fotsiny. Tsy kisendrasendra raha nanadino ny anarany avy hatrany aho vantany vao tapitra ilay fitateram-baovao…
Fanamarihana: ny teny hoe tsotsotra rehetra dia azo adika ihany koa hoe mahazatra avokoa
Ayesha Saldanha
Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam
Ny nahitana an'i Naglaa El Emam, mpisolovava sady filohan'ny fikambanana  mpiaro ny zon'olombelona, voalohany tamin'ny televiziona dia tamin'ny nilazany fa mpisolovava an'i Noha Roshdy izy raha voaheloka higadra telo taona, asa an-terivozona, onitra 5 001 vola Ejipsiana amin'i Noha Roshdy Saleh noho ny fikitikitihana azy an-dalambe ilay mpanorisory mitady firaisana ara-nofo Sherif Gommaa.
Io Naglaa El Emam io ihany no nanapa-kevitra hampakatra fitsarana ambony hiaro an'i Sherif Gommaa indray rehefa fantatry ramatoa indray fa teraka tany Jaffa sady mitondra ny pasipaoro Isiraeliana i Noha Roshdy.
Ary mbola niresaka azy Naglaa El Emam ihany isika raha nandrisika ny tanora Arabo handrebireby sy hanao an-keriny (hanolana) ny vehivavy  Isiraeliana ho endri-panoherana izy.
Dia indro indray i Naglaa El Emam fa niseho ho lohatenim-baovao rehefa  niova finoana ho kristiana ny tenany sady nanova ny anarany ho Catherine.  Nanoratra i Hazeena 3ala Masr (Malahelo an'i Ejipta):
إرتفعت أصوات طيور الظلام هذه الأيام في مصر ضد كل من الدكتور سيد القمني والمحامية نجلاء (كاترين) الإمام. الأول بسبب حصوله علي جائزة الدولة التقديرية والثانية بسبب إعلان تحولها إلي المسيحية.
Mahery vaika indray ny fanafihan'ny herin'ny ratsy ny Dr. Sayed El Qemany sy ny mpisolovava Naglaa (Catherine) El Emam. Ny voalohany noho ny loka omen'ny fanjakana azy ary ny farany kosa noho ny niovany hanaraka ny fivavahana kristiana.
Lasa saina izy:
السؤال الذي نطرحة هنا لماذا كل هذا الهجوم وهل جائرة تقدر قيمتها بأقل من أربعين الف دولار أمريكي, وهل تحول محامية مصرية يستحق كل هذا الصخب والضجيج؟؟
Mampanontany tena izao fanafihana sesilany izao. Noho ny loka 40 000 Dôlara amerikana sy ny fiovam-pinoana mpisolovava ve no anton'izany rehetra izany?
Ary dia nofeheziny hoe:
الشئ الثاني أن جائزة الدولة وقيمتها المادية البسيطة لشخصية كالقمني, أو تحول محامية للمسيحية, الأمران في حد ذاتهما لايمثلا أية أهمية فقيمة الجائزة لا تهم طيور الظلام ولا تحول فرد مسلم للمسيحية سيهدم الإسلام أو ينتقص من عدد المسلمين. فهم يعلمون أن محاولاتهم سحب قيمة الجائزة من القمني ستفشل, وكذلك لا أمل لديهم في رجوع كاترين للإسلام مرة ثانية, القضية هي قضية تسير علي طريقة المثل الشعبي المصري “إضرب المربوط يخاف السايب”. فمع سيد القمني هم يرهبون الدولة أولا حتي لا تنتهج نهجا يشجع أمثال القمني من الليبراليين, … وكذلك كاترين فلو مرت مسألة تحولها للمسيحية مرور الكرام سيظهر كل يوم كاترين جديدة, ثم كيف تتجرأ وتعلن عن تحولها للمسيحية بهذا الشكل فمجرد الإعلان هو تحقير لهم وإستهتار بمكانتهم, بل هو الفجور بعينه من وجهة نظرهم.
Tsy misy lanjany loatra ny loka sy ny fiovam-pinoana; tsy ny haben'ny volan'ny loka loatra no mahaliana ny herin'ny ratsy ary fantatr'izy ireo tsara fa tsy hita izay miova raha mihena iray ny isan'ny Silamo. Ny tena manetsika azy ireo dia ny mampatahotra ireo izay mitady hanara-dia ireo olona voalaza ireo. Tia haka toky izy ireo fa tsy hanome loka amina libre-penseur ny fanjakana, mba hotazonin'izay malala-pisainana ho azy manokana any ny heviny, ary mba tsy hivoaka avy any amin'ny miafina any ireo izay efa niova  finoana - fa raha tsy izany dia hahita Qemanys anjatony tsy menatra ny hiova finoana isika.
Nahazo fampitandremana tsy hahazo hivoaka an'i Ejipta i Naglaa El Emam mandra-pampakatry ny mpisolovavany fitsarana, Mitatitra izany i Hazeena
قال بيتر النجار محامى الحقوقية المتنصرة نجلاء الإمام إن اللواء حبيب العادلى وزير الداخلية سمح لموكلته بالسفر للخارج وأمر بإصدار جواز سفر جديد لها، رغم صدور قرار بمنعها من السفر خوفاً من هروبها للخارج. يذكر أن قرار منع نجلاء الإمام من السفر قد جاء بعد تعينها مديرة لفرع منظمة “حررنى يسوع” التى تدعو للتبشير فى مصر والتى أسسها المتنصر الدكتور محمد رحومة.
Nanambara ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny atitany hamela ny olona arovany ho afaka mivezivezy rehefa nahazo pasipaoro vaovao i Peter Al Naggar, mpisolovavan'ny niova finoana. Tsy nahazo alalana hivezivezy manko teo aloha i Naglaa noho ny fanahiana ny mety handosirany. Ny antony tsy namelana azy tsy hahazo hivoaka ny sisintany Ejipsiana manko dia noho ny fitarihany ny fikambanana misionera any Ejipsa antsoina hoe “Nanafaka ahy Jesoa” naorin'ilay niova finoana iany koa antsoina hoe Mohamed Rahouma.
Marwa Rakha
Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra
Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, ary mavitrika anatin'irony  vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.
Fa maninona ianao no nifidy hampiasa ny anarana Ibn Ezra?
Mpianatra filozofia Jiosy aho ary izany no nahatonga ahy afaka nifandray tamin’ilay filozofy Espaniola Jiosy faha-11 Avraham ibn Ezra. Mpandalina ny Baiboly i Ibn Ezra ary nanoratra betsaka momba ny fiaraha-miainan’ny Jiosy sy ny Arabo any amin’ny tontolo Silamo ao Espana. Fony aho nieritreritra izay ho lohatenin’ilay vohikala dia tonga ho azy tato an-tsaiko io anarana io. Kilalaon-teny koa izy io, satria ara-bakiteny ibn Ezra dia midika “zanakalahin’i Ezra,” toy ny hoe izahay izay tafiditra ao amin’ilay fihetsiketsehana dia zanak’ilay mafana fo matanjaka Ezra Nawi, mpikambana tao amin’ny Ta'ayush nandritra ny fotoana lava ary ‘gourou’-n’Israely sy ny hery havia any Palestinian  izay  niriako ampidirina tao amin’ilay vohikala tamin’ny fomba lavalava kokoa.
Joseph Dana mandray an-tsoratra ny  fanamboarana vaovao any amina ‘outpost’ akaikin’ny toby Israeliana any Susya tany atsimon’ny West Bank.
Afaka miresaka momba ny Ta‎’ayush aminay ve ianao? Ahoana no nahatafidiranao voalohany indrindra?
Hatramin'ny niandohany, tonga dia hetsika  ihany no tena nataon’ny Ta'ayush, tsy nisy fihetsiketsehana na adihevitra ideolojika. Naniry ny hampitsimbadika ireo mizànan'ny laharam-pahamehana mahazatra ilay vondrona izay efa niha-mafy: taorian’ny nahitàna fa  ireo fanambarana dia tsy mahatohitra foana manoloana ny sedran'ireo ‘fotoanan'ny ampamoaka’, nofidiana ny tonga dia hetsika ho fomba fanehoana ny fandàvana ny fiverimberenan’ireo fananiham-bohitra, ary mba ho eo amin’ny toerana nisian’ny zava-nitranga. Ny fidirana an-tsehatra mivantana sy tsisy herisetra no làlana nofidiana, toy izany koa ny fanapahan-kevitry ny marimaritra iraisana. Nanao tetika ny Ta'ayush nanomboka tamin’ny faran’ny volana Desambra 2000, nefa nitaky fotoana sy hery betsaka izany fikononkononany izany. Tapaka fa hahemotra io asa io, ary handray ireo izay nanolo-tena tamin’ny hetsika nomanina hanehoana toerana mazava. Manohitra amin’ny alalan’ny hetsika amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fitsorana ny fandàvana ny fisarahana eo amin’ny Arabo sy Jiosy any Israely amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ary ny fanjanahana mihitsy, ny mosary, fikatonana, ny famerana fihetsiketsehana sy ny fandefasana miaramila ataon’ny Israely any amin’ireo Faritra Voazanaka.
Amin’ny maha- Israeli-Amerikana mahatsapa tena ho tafiditra amin’ilay disadisa sy manohitra tanteraka ny fanjanahana ny tenako, voasarik’i Ta'ayush aho noho ny fisian’ireo feo sy fomba fijery ao aminy. Mahatsapa aho fa ny ankabeazan’ireo fikambanana sy vondrona any an-toerana no tafalatsaka lalina anatin’ireo fomba fijery ara-potokevitra mafy orina. Ta'ayush, na dia manohitra mazava ny fanjanahana aza dia tsy manana foto-kevitra mafy orina sy tanjona maharitra. Ho solon'izay dia mifantoka amin’ny firotsahana an-tsehatra mivantana izahay isan-kerinandro. Fanampin’izany, amin’ny maha Israeliana Jiosy, mieritreritra aho fa tsara kokoa ny miara-miasa amin’ireo Israeliana te-handrava ny elanelana misy eo amin’ny Palestiniana sy Israeliana, toy izay mikiakiaka fotsiny ny kabary fanoherana ny Israeliana toy ny ataon’ireo vondrona hafa.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/rEkvWFXvRfY&hl=en&fs=1&rel=0" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rEkvWFXvRfY&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Raha manohana mazava ireo Palestiniana miaritra amin’ireo mpanjanaka Israeliana, ny miaramila sy ny polisy ianao , toa mifantoka amin’ny zavatra iainanan’ireo mafana fo mihitsy kosa ireo horonantsarinao, mihoatra noho ny an’ireo Palestiniana. Satria ve natokana ho an’ireo Israeliana ireo horonantsary?
Matetika ny fifandrohizana iainanay no eo aminay sy ireo mpanjanaka ary ireo miaramila. Mazava ho azy, mijanona any aorianay ireo Palestiniana mandritra izany fifandrohizana izany satria lalàna samihafa amin’ny ampiharina aminay no iainan-dry zareo. Ohatra amin’izany, afaka samborina ny Israeliana iray ary tsy maintsy ampihaonina amin’ny mpitsara aorian’ny 24 ora fa ny Palestiniana kosa mety mijanona any am-ponja  3 andro mahery vao mahita mpitsara. Noho izany dia aleon-dry zareo mamela ny fifandrohizana amin’ireo miaramila/mpanjanaka sy ireo mafana fo Israeliana.
Misy endrika iray fanehoana ny fifandrohizana  amin’ny lalàna misy eo amin’ireo Israeliana sy ireo miaramila/mpanjanaka amin’ny vahoaka Israeliana sy ny fiaraha-monina Jiosy Amerikana (amin’ny teny Anglisy manokana ilay vohikala satria ireo mponina any Etazonia no tena mpihaino ahy). Te-hanasongadina ny sary mampiseho fa ireo Israeliana izay mifidy ny hiara-hiasa amin’ireo Palestiniana manohitra ny fanjanahana dia very zo sasantsasany amin’ny maha-olom-pirenena azy ary manomboka miaina ampahany amin’ny lalàna iainan’ireo Palestiniana. Te-hanaparitaka ny fihetsikay manoloana izany toe-javatra izany aho ary hampiseho izany amin’ny fiaraha-monina Jiosy maneran-tany.
Mahatsapa ve ianao hoe nitombo sa nihena ny hetsika fanoheram-panjanahana tany Israely nandritra izay taona vitsivitsy farany izay? Ahoana no fijery ireo mafana fo Israeliana amin’ny ankapobeny? Miresaka momba izany hetsika miseho izany ve ireo haino aman-jery lehibe any Israely?
Nihisaka lavitra any ankavanana Israely nandritra izay folo taona farany izay ary nanaiky ny fizirizirian’ny fanjanahana sy ny tsy fisian’ny mpiara-miasa Palestiniana ho an’ny fandriampahalemana. Ny andraikitry ny governemanta ‘havia' ao amin'ny tetik'asa fanjanahana nanomboka tamin'ny 1967 sy ny ady farany tany Gaza dia naneho ny fahalemen'ireo antoko ‘havia nentim-paharazana' toa an-dry Labor sy Meretz. Toa noho izany toe-javatra izany no nahafaty ny hery havia tao Israely. Avy eo nisy havia vaovao indray niforona naka ny toerany. Havia izay liana amin’ny fidirana an-tsehatra mivantana manohitra ny fanjanahana ary tena mpanakiana manoloana ny tafika Israeliana sy ny fampandrian-tany napetraka.
Na dia mbola kely aza ity vondrona ity, mihamafy sy miha-malaza izy, nefa ny ankabeazan’ireo Israeliana dia mahita fa ‘radical’ sy mampametra-panontaniana izy. Vokany, ataon’ny vahoaka an-jorom-bala foana ireo mafana fo manohitra ny fanjanahana amin’ny ankapobeny. Nefa tsara ny manamarika fa ireo fikambanana manohitra ny fanjanahana toa ny Peace Now, B'tselem, sy Yesh Din dia hajain’ny fiaraha-monina ary ekena ho loharanom-baovao goavana tokoa.
Raha ny momba ny fanaparitahan’ny haino aman-jery goavana ireo hetsikay indray, ny ankabeazan’ireo haino aman-jery dia faly ny hamoaka horonantsary na tatitra momba ny herisetran’ireo mpanjanaka. Na izany aza, mbola tsy te-hamoaka tantara na horonantsary momba ny herisetra mivantana ataon’ny IDF amin’ireo Israeliana mafana fo mpikatsaka fandriampahalemana ny mpampita vaovao. Tsipika mbola tsy nodinganina io tany Israely, satria mbola tsy vonona ny hanohitra ny fanjakazakan’ny IDF ny ankabeazan’ireo Israeliana.
Niasa mafy tamin’ny fampiasana haino aman-jery amin’ny aterineto aho mba hamoahana ireo zava-niainan’ny Ta’ayuh ary tanteraka soa aman-tsara izany. Lasa loharanon’ireo horonantsary nalaina nivantana teny an-toerana sy ny tsikera momba ny zava-marina amin’ny fanjanahana any atsimon'ny West Bank ny vohikalako. Nahasarika ny sain’ny vahoaka maneran-tany ireo fanampim-baovao mivantana tamin’ny tweeter (@ibnezra) nalefako avy any West Bank ary manantena aho fa hitombo hatrany izany satria mila ambarany tantaran’ireo Israeliana manohitra ny fanjanahana.
Israel: Manohana ireo mpiasa mitokona mitaky ny zony ny mpitoraka bilaogy
Anankiray amin'ny zavatra tena hifantohan'ny mpitoraka bilaogy Israeliana ny fitakian-jo ataon'ireo mpiasa. Taona vitsivitsy izay dia sindikan'ny mpiasa maro miasa amin'ny sehatra tsy miankina toy ny mpandroso sakafo any amin'ny café, ny mpiambina, ny mpanao gazety, no namahana bilaogy ho fitakiana ny zony ary nahavita namorona ady hevitra matanjaka sy nahazo fanohanana tamin'ny mpitoraka bilaogy.
Amin'izao fotoana izao dia zavatra 2 no mibahana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Israeliana: ny fanohanana ny mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe, izay efa nitokona nandritra ny 5 herinandro izay. Fitokonana izay hita taratra sahady fa ho ela vao hisy vahaolana; sy ny fitsipahan'ny AMPM(Fikambanan'ny mpivarotra fanafody sy ny super marchés any Tel Aviv) izany fitokonana izany satria tsy mba manaja ny lalànan'ny asa mantsy izy ireo.
Ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe no anjerimanontolo lehibe indrindra any an-toerana satria misy mpianatra 42 000 sy mpampianatra  1300. Raha tsy niresaka intsony ny momba ny fitokonana ny gazety mahazatra taorian'ny 2 herinandro dia mpitoraka bilaogy Israeliana maherin'ny 30 kosa no nanohy izany mba hanome hafanana ny fitakiana sy ny ady hevitra.
Nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Keren Fite, manam-pahaizana ambony amin'ny literatiora anglisy:
“Nandritra ny 13 taona dia noheveriko fa tsy nanam-pidiny aho: tsy afaka nandray ahy ny anjerimanontolo raha tsy feno ny isan'ny mpianatra hanatrika ny fampianarako satria manana hevitra ekonomika niainany izy. Vokatr'izany dia herinandro monja alohan'ny fanombohan'ny 6 volana hampianarana aho no ampandrenesina, ary mitaintaina foana raha handray karama indray amin'ny volana manaraka. Vokatr'izany ihany koa dia voaroaka aho isaky ny vita ny 6 volana ary miandry indray na mbola horaisina (na tsia).
Kanefa tsy raharahan'ny anjerimanontolo ny momba ahy: tsy mahazo marary aho ary tsy nandray fanampiana ara-tsosialy mihitsy, ary rehefa bevohoka aho dia tsy havaozina intsony ny fifanarahana hiasa ho amin'ny 6 volana manaraka.
Amin'izao fotoana izao raha mitokona aho dia tsy hajain'ny anjerimanontolo ny zoko hitokona sy hanao tsia amin'ireo zavatra mampietry voninahitra ataony ireo. Hatramin'ny nanombohan'ny fitokonana dia nahazo hafatra fampitahorana aho manery ahy hilaza fa raha mitokona aho dia tsy mandray karama. Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe, fantatr'izany ireo tsara fa ao ny foto-pivelomako ary andrasany izay hahatonga ahy ho noana tsara dia mijanona ho azy tsy manao fitokonana intsony avy eo.
Noho izany, ny anjerimanontolo natao ho an'ny daholobe hahazoan'ny rehetra mianatra amin'ny ambaratonga ambony no tsy manome asa sahaza ho ahy sy ny manakana ny zoko tsy hiaina ara-dalàna.”
Manoratra ao amin'ny bilaoginy i Labyrinth:
“Mety hihemotra ny fanadinana, mety hihena ny naotiko na koa ato anatin'ny 1 volana dia mety ho sempotry ny fanenjehana ny tsy vita aho. Kanefa efa miomana koa fa ny mpampianatra dia miala sasatra kely anelanelan'ny fampianarana sy ny fanadinana, satria hiakatra kely ny karaman'izy ireo. Afaka manoro hevitra ny namako aho hanantona koa ireo mpampianatro ireo mba hahazoan'izy ireo asa tsy voaelingelina ka afaka miantoka ny 6 volana. mety hiseho koa ny hoe hisokatra amin'ny sindikan'ny mpiasa matanjaka kokoa ny sindika, amin'ireo toeram-pianarana ambony tsy miankina izayhiharan'ny zavatra iainanan'ny anjerimanontolo koa.
Angamba indray andro any raha tonga eo amin'ny toeran'izy ireo aho (izany no faniriako…) dia ho sambatra aho satria nandray anjara tamin'ny fitokonana, satria hiainako tokoa amin'izany fotoana izany ny ady nataoko”.
Manampy izany koa i Tomer Reznik ao amin'ny bilaoginy:
“Raha nanontany tena aho hoe ahoana no fomba hanoratako zavatra mahaliana mikasika ny zo fototra (fifanarahana iombonana, fiahiana eo ami'nny asa…) dia taitra tampokatamin'ny fitakian'ny mpampianatra aho: tsy maintsy mamaly ny fitakian'izy ireo ny anjerimanontolo ary hampitsahatra ny fitondrana azy ireo ho toy ny mpisolo toerana!”
Milaza i Limor64, mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo efa ho 11 taona izao:
“Tsy te ho fitaovana hanamaivana ny anjerimanontolo intsony izahay. tena miroborobo ny anjerimanontolo natao ho an'ny daholobe, kanefa izany fahombiazana izany dia avy amin'ny fianarana ny maha olona. Tsy nandray karama izahay efa ho 5 herinandro izao, tsy azo antoka ny ho avy amin'ny 6 volana manaraka, kanefa mihevitra toeram-piasana tsaratsara kokoa izahay amin'ny ho avy. Tena zava-dehibe mihitsy amin'izao fotoana izao ny zo eo amin'ny asa, ary iraisam-pirenena izany, satria ny mpiasa no manentsina ny lavaka vokatry ny krizy ekonomika eo anatrehan'ny mpampiasa sy ny governemanta”.
Manampy ireo mpitoraka bilaogy ireo dia misy fiarah-mientana koa ao amin'ny Facebook. ny iray amin'ireny, Roy Chicky Arad, mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy tafiditra ao amin'ny mpanohitra-kolotoraly, no nampanao fifaninanana mamaky ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe “Anjerimanontolo filamatra”, natao ny 12 may lasa teo manoloana ny tranon'ny lehiben'ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe.
Andro vitsivitsy lasa izay dia fanentanana fanoherana ireo fivarotam-panafody no nataon'ireo mpitoraka bilaogy: tsy mividy zavatra intsony any amin'ny AMPM vokatry ny heloka bevava nataony izay ny mpiasa ao aminy ihany no voa mafy, mpiasa jiosy-etiopiana ny ankamaroany.
Ilay mpitoraka bilaogy, Sharon Gefen , niandohan'ny hevitra tsy hividy any no nanoratra:
“Tsy fantatro ny fanaony amin'ny fampitomboana faktiora na ny fitomboan'isany tsy an-kijanona ka manery ireo mpivarotra tantanan'ny fianakaviana hikatona, fa tsy zakako fotsiny ny hoe manitsakitsaka ny zon'ny mpiasa izy ireo. Ohatra fotsiny, raha sendra tara ny mpandray vola dia mandoa lamandy 15 shekels. raha tsy tonga miasa dia mandoa 45 shekels, izay avo 2 heny amin'ny karamany. Ampy izay. Aleoko ihany mividy sigara( ronono, mofo…) any amin'ny toeran-kafa, indrindra fa hoe mahatsapa ny rehetra fa “Tsara ny miaina eto an-tanàna” araka ny sora-baventy fanevan'ny AMPM, na dia mpiasa ao aminy aza izy ireo ”.
Carmel L. Vaisman
Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora
Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey.
Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara. Etsy ankilany ihany koa dia atsangana mifanindran-dalana amini lanonana io ny atrikasa iarahan'ny mpianatra any Palestina amin'ny ‘ny sekoly ambony palestiniana.
Araka ny nolazain'ny mpikarakara:
Because of the difficulties Palestinians face under military occupation in traveling around their own country, the Festival will travel to its audiences. It will tour to Ramallah, to Jenin, to al-Khalil/Hebron and to Bethlehem. To celebrate its year as Cultural Capital of the Arab World, the festival will begin and end in Jerusalem. And for those audiences that we can't reach, we're running several ways to connect with the festival: from author blogs to daily videos to twitter updates you can check them all out on our Connect page.
Noho ny fahasarotana mianjady amin'ny Palestianiana ao ambany vahohon'ny miaramila tsy afa-mivezivezy manerana ny fireneny, dia ny lanonana no mankany amin'ny mpanotrona azy. Mandalo an'i Ramallah,  Jenin, al-Khalil/Hebron ary any Bethlehem ny fitetezam-paritra izay atao. Ho fanamarihana ny maharenivohitra ara-kolontsain'ny tontolo arabo  an'i Jerosalema amin'ity taona ity dia ao amin'ity tanàna ity no hanombohana sy hamaranana ny lanonana. Ary ho an'ireo izay tsy afa-manatrika mivantana ny lanonana moa dia maro ny fomba hanarahana azy: miainga any amin'ny bolongan'ny mpanoratra izany, mandalo ny lahatsary avoaka isan'andro ary eoihany koa ny vaovao farany avoakan'ny twitter ary azonao arahina amin'ny takelaka an-tserasera izany
Na izany aza dia tsy nilamina araka izay niheverana azy fa nakaton' ny mpitandro ny filaminana Israeliana ny fanombohan'ny lanonana.
tweet voalohany navoakan'ny PalFest
Noravan'ny miaramila ny lanonam-panokafana ka nafindra tany amin'ny Foiben-kolontsaina Frantsay
Dan-Chyi Chua, avy any Shina, izay nandray anjara tamin'ity lanonana ity no nanoratra ny “Hamarino ny zavamisy na ahoana ny fanaovana lanonana eo ambany fanapahan'ny firenen-kafa”  mitantara amin'ny antsipiriany ny nahatongavan'ny miaramila mitam-piadiana Isiraeliana ka nanakatonany  ny lanonana. Notantarainy ihany koa ny eritreriny manokana tamin'izay niainany nandritra io tranga io:
It is not a bad idea - to say the very least - to arrive in the West Bank, to set aside the ideals, causes and perceptions that we have packed along with our luggage on this trip, and instead listen to the stories of the people here. The voices of the Palestinian people are already sufficiently subdued, without outsiders coming to further drown it out.
Tsy hevitra ratsy - raha lazaina ny kely indrindra - ny nahatongavana taty amin'ny manamorona an'i Jordana, mampirina ny tigetra, ny hevitra sy ny fomba fijerin'ny tena nandritra ny dia natao, fa mihaino kosa ny tantaran'ny hafa etoana. Efa tsy dia heno intsony manko ny feon'ny Palestiana, raha tsy misy vahiny tonga indray hanakombona azy kokoa.
Deborah Moggach reads at the new venue
Mpanoratra tantara foronina Ezypsiana, Ahdaf Soueif, izay nandray anjara ihany koa tamin'ity lanonana ity, no namintina tao amin'ny bolongany tamin'ny alalan'ity fehezanteny ity:
Today, my friends, we saw the clearest example of our mission: to confront the culture of power with the power of culture.
Androany, ry sakaiza, dia hitanay mazava ny ohatry ny iraka ampanaovina antsika: mampifanandrina ny kolontsain'ny hery amin'ny herin'ny kolontsaina
English PEN World Atlas, no nampiako ity resak'i Ahdaf Soueif momba ny Kolontsaina mifanandrina amin'ny Hery ity, ary mizara amintsika ny lahatsary iray nandritra ity lanonampanokafana notontosaina ny alina ity.
Tsy ilaina ny miteny fa tsy miandry fotoana ela akory dia nanomboka  niresaka azy tamin'ny fi-tweeting ny zavaniseho olona any amin'ny vazantany efatra.
Ity misy ny sary indray mipika tamin'ny resaky ny olona tao amin'ny Twitter:
Twitter reactions to palfest
meedan : Miteny arabo ve ianao ? @palfest dia mila anao mba handika ny lahatsoratra mikasika ny fitetezamparitra ataon'ny literatiora Palestiniana - manorata  @meedan momba ny antsipiriany. Aparitaho aza fady
kesterbrewin: @PalFest Ho aminareo anie ny hery. malahelo nahita ny lahatsoratry ny Guardian mikasika ny olana mahazo anareo noho ny nataon'ny miaramila isiraeliana
majeedb: @Checkpoint303 PalFest nakaton'ny polisy isiraeliana! Nahoana? Fa anagaha asa maramila ny literatiora?
Eman AbdElRahman
Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?
Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao  anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe  nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, mitzvah.
Image sourced from Wikimedia Commons
Tanteraka ny filazana niaraka tamina fanamarinana isankarazany.
Mamakafaka tsara I Dion Nissenbaum avy amin’ny Checkpoint Jerusalem:
Miketrika ny hanaraka finoana Jiosy ve ilay mpilalao sarimihetsika malaza Lindasy Lohan amin’ny anaran’ny fitiavana?
Manontany i Simply Jew:
“Ny fanontaniana goavana dia ny hoe: ho faly amin’izany ve ny filohantsika Rabbi?”
Miangavy mafy i Elder of Ziyon:
“Ity no fotoana handraisana fepetra…hanomana hetsika fitadiavam-bola aho entina anakaramana vola be ny mpitondra fivavahana iray avy amin’ny finoana hafa raha toa ka afaka mandresy lahatra an’I Lohana ianao mba hidirany ao anatin’ny finoana misy anao ankoatran’ny finoana Jiosy. Marina izany – manao azy ho mpanara-dian’ny Confucius ianao na ny olon’ny mpanao rasta, dia ho azonao ny volabe avy eo”
Mandritra izany fotoana izany, dia maneho ny heviny i Michael Lohan, dadan’I Lindsay tsy nifankahazo taminy  sady ministra teo aloha:
“Hijery ifoton’ny atao hoe jodaisma izy ankehitriny. Efa nandalovany ny fiangonana mianatra momba ny siansa (Eglise de la Scientologie), efa nandramany ny Kabbalah, ary ankehitriny dia ity manaraka ity indray. Eritreretiko fa dingana hafa fotsiny ihany izany. Kanefa n’aiza n’aiza ny tiany alehany, dia ampiarahany amin’ny fiainany foana Andriamanitra, ary izany fotsiny ihany dia efa mahafaly ahy.”
Taterin’ny Daily Mail an’I Londona, izay namaky ny tantara ankarihary hoe:
Teo am-pidiarana ny sinagoga dia nanontany an’I Lindsay ny mpaka sary iray raha toa ka nivadika finoana izy, raha ny hoe hivadika hoy izy namaly: “Miezaka aho”
Manoratra ihany koa  ny ao amin'ny Daily Mail fa manao famangiana fanampiny any amin’ny sinagoga ao Londres I Lohan sy Ronson mba ahafahan’I Lohan mianatra misimisy kokoa mikasika ny dingana mandroso mankany amin’ny fiovam-pinoana. Mandany eo amin’ny herintaona ny fivadihana ho @ finoana Jiosy feno ary eo ambanin’ny fanampian’ny Rabbi izay mampianatra ny finoana sy ny fombafomba nentim-paharazana.
Natao tatitra koa ny olo-malaza hafa fa hoe anisan’ny miandrandra fiovam-pinoana koa I Leonardo DiCaprio, izay mitia ankizivavy tsara bika Israeliana antsoina hoe Bar Rafaeli. Tsy hankasitraka ny fangataham-bady ny fianakavian’I Rafaeli raha tsy mivadika finoana I DiCaprio.
Ity mpanoratra ity dia miteny hoe raha I Britney Spears no afaka mivadika silamo, dia tsy hisy tsy ho tanteraka ny zava-drehetra.
Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza
Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka ‘rôkety' any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy any Gaza.
Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar University, dia manoratra ao amin'ny Moments of Gaza (18 Febroary) hoe:
Omaly hariva, nisy angidim-by mpiady [helicopter] iray nanidina teo ambony lohanay tao amin'ny faritr'i Tel al-Hawa; nandatsaka “missile” iray tany ho any taty amin'ny faritra misy anay izy! Nisy F-16 koa nikendry toerana roa tany Khan Younis sy Rafah. Omaly alina, efa tokony teo amin'ny misasakalina teo, nanatanteraka fanafihana telo tany avaratr'i Gaza ireo F-16! Maro amin'ny toerana nokendreny amin'izao fotoana izao no efa potika nandritra ny ady, noho izany dia manafika  toerana efa simba izy ireo! Ny zava-misy dia tsy dia voaresaka loatra ireo fanafihana ireo! Tsy nisy resaka momba an'io tany anaty fampahalalam-baovao; toy ny hoe lasa fanazaran-tena tsotra amin'ny fiainana andavan'andro ilay izy!
Ilay mpanoratra Amerikana Elliott Woods, izay nahazo vatsy avy amin'ny Foibe Pullitzer ary any  Gaza, dia nanoritsoritra ny zava-misy ao amina lahatsoratra tamin'ny 9 Febroary:
Rehefa taty efa ho iray volana aho izao – indrindra nandritra ilay hoe fampitsaharana poa-basy – dia tsapako any anatin’ny taolako ny fandrahonana tsy miato. Disadisa mitoetra tsy miala, tahaka ny aretina an-doha na ny “makafoka” izay tsy mahatazona anao ao am-pandriana, fa mahatonga anao ho tonga saina fa misy zavatra tsy manjary. Ho tahaka ny ahoana ny fiainana ao anatin’izany karazana tsy fananana antoka izany, izany tahotra mahafaty izany, mandritra ny taona maro?
I Sharyn Lock, mafana fo iray dia nanoratra (16 Febroary) tao amin'ny Tales to Tell:
Nisy mpampianatra avy any Afrika Atsimo iray izay namaky ity blaogy ity nanontany omaly: “Naheno aho fa isan'andro dia mbola vonoina ihany ny olona any Gaza, marina ve izany?”
Eny. Saika isan'andro dia miampy ny faharatrana, ary matetika aza fahafatesana mihitsy. Ary tahaka ny mahazatra, matetika dia sivily avokoa izy ireny.
Nanome ohatra fanafihana vitsivitsy  izay efa nitranga i Sharyn, ary miteny:
Ny sakana noho ny teny tsy mifankahazo sy ny fotoana dia midika fa tsy afaka mampahafantatra anao foana ny antsipirihany momba ny ratra sy ny fahafatesana mitranga aty izay vokatry ny fanafihana Israeliana tsy miato aho. Matetika, mety haheno fipoahana isika, ary andro iray na roa izay vao fantatra mazava hoe inona iny ary iza no voakitik'izany. Amin'ity herinandro ity dia anjarako ny manao fiandrasan-draharaha miaraka amin'ireo fiara mpamonjy voina ka dia ho mora amiko ny hahatsapa ny zava-mitranga sy hijoro ho vavolombelona. Nefa indrisy, na maheno momba azy ireo avy amiko ianao na tsia dia tsy maintsy ataonao an-tsaina fa mitohy ny ratra sy ny vono, satria any Gaza, izay no atao hoe Fananiham-bohitra Israeliana.
Miblaogy ao amin'ny In Gaza ilay mafana fo Kanadiana Eva Bartlett, ary tao anatina lahatsoratra tamin'ny 17 Febroary izy dia nanoratra momba ny fijalian'ny tantsaha any amin'ny sisintanin'i Gaza amin'ny ilany atsinanana:
Mipetraka any Khan Younis i Abu Alaa ary manana tany ao amin'ilay faritra vonjimaika vao avy nalehibeazina, amin'ilay sombin-tany manamorona ny Tsipika Maitso izay, avy any avaratra ka hatrany atsimo, manasaraka an'i tany Palestiniana efa ho  1 km ankehitriny. Fahiny ‘mbola 300m ‘monja' ilay faritra vonjimaika, dia efa  tany 300m be izao izay no nobodoin'ny hery mpanani-bohitry ny miaramila Israeliana. Ankehitriny rehefa 1 km izy ity, moa ve ny olona izay nopetehina tamin'izay fomba rehetra mety ho takatry ny saina ny asa fivelomany (nahakenda an'i Gaza taorian'ny nahavoafidy ny Hamas) dia tokony hametraka ny fitaovam-pamboleny, hamela ny fahatokisan-tena, ary hilahatra fanampiana izay efa tsy mbola azo akory? Toy ny olona rehetra mbola manana fahaiza-manao, tsy te-hiankina amin'izay fanampiana ny Palestiniana; maniry mafy ny ny hizaka tena ary ny handray anjara  amin'ny toe-karena fa tsy hiandrandra lava (na tsy handray, tahaka ny andro farany teo) fanampiana avy amin'ny UN sy ireo mpanao asa soa hafa.  Ny fifehezana tsy an-kiato ataon' i Israely amin'i Gaza sy ny manodidina azy dia midika fa ireo tantsaha izay afaka mamokatra legioma, voankazo na voninkazo dia tsy afaka manondrana izany. Ny fitsaharana kely ho an'ny andron'ny mpifankatia, nahafahana nanondrana voninkazo 25 000 isa, dia izao fotsiny: bitika sy mandrangitra. Tato anatin'ny telo taona farany teo,  efa azo lazaina ho tsy nisy ny  fanondranana voninkazo sy frezy. […] Noho izany ireo tantsaha ao anatiny, izay miezaka ny hamelon-tena,  ary koa hamatsy legioma ampiasaina manodidina an'i Gaza, dia manohy ny tolony tsy misy herisetra ho an'ny fivelomana, amin'ny fiasana ny taniny sy famokarana ny tongolony, persily, radis, épinard, tsaramaso… ao anatin'ny poa-basy.
Tao anatina lahatsoratra tany aloha (19 Febroary), i Eva dia mitantara ny naha-voatifitra teo amin'ny tongony tantsaha marenina iray, tantsaha fahaefatra voatifitra tao anatin'ny telo herinandro. Manome rohy mankany amin'ny horonan-tsary momba ny zava-nitranga i Sharyn Lock  ato.
Manohy ihany i Eva:
Manomboka ilaozan'ny olona  ireny tany lonaka manamorona ny sisin'ny faritr'i Gaza ireny, satria ny tantsaha, izay maro no efa niasa ny tany teny nandritra ny taona maro, dia matahotra ny miaina sy miasa amin'ny taniny ankehitriny. Ny sisin'ny faritr'i Gaza, izay 40km fotsiny ny halavany ary 10km ny sakany, dia miha-mihena hatrany manoloana ny fibodoana Israeliana, amin'ny fametrahana sy fanitàrana ny faritra vonjimaika tsy ankiera  ary noho ny fitifirana sivily sy tantsaha miezaka ny mivelona sy miaina eo amin'ny taniny. […] Noho ny fahanginany,ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia toy ny mitodi-damosina sy mankasitraka ny fanaovana fahirano an'i Gaza amin'ny fandraràna ny Palestiniana tsy hahita fomba rehetra iainana sy fivelomana azo eritreretina, mangina ny mpitarika iraisam-pirenena manoloana ny fanararotam-pahefana atao amin'ny tantsaha sy ny mpanjono, ny tena mahantra sy ny tena mahery fo, izay miatrika ny tifitra Israeliana ary miafara toa an-dry Mohammed, Anwar, na i  Rafiq, 23 taona, izay voakendry tany amin'ny 2 miles ny sisitanin'i Gaza tamin'izy tao anaty lakana fanjonoana. Nofafazan'ny miaramila Israeliana bala ilay lakana, bala mipoaka ‘dum-dum' izay nahavoa an'i Rafiq teo amin'ny lamosiny ary nipoaka ho potiny kely be dia be nitsatoka tany amin'ny avokavony ary mbola mijanona eo akaikin'ny tsokan-damosiny, tsy azo tsoahana. Tsy toe-javatra maningana sy fifandrifian-javatra izany. Ampahany amin'ny politika fangejana  ny  endrika fizakan-tena  rehetra izay ezahan'ny Palestiniana idirana izy ireny, ary ny fanohizana ny ezaka fanapotehana ny fanirian'ny Palestiniana, ezaka izay niteraka fahirano mahery vaika nandritry ny taona maro, sy ady nandatsahan-drà naharitra 23 andro nahafatesana Palestiniana efa ho 1370 teo, ary ny fikendrena tsy an-kiato ny sivily any amin'ny faritr'i Gaza.
Mafana fo izay tsy mitonona anarana mitoraka blaogy ao amin'ny  Writing from Gaza no mitantara  (16 Febroary) momba an'i  Ali Abdul Salam Al Sa’ay 19 taona izay poaka [voa]  ny masony havanana, ny tanany havia ary rantsan-tànana telo tamin'ny tanany havanana noho ny tifitra missile nahazo ny sisintanin'i Gaza avy amina sambo mpiady israeliana tamin'ny 10 Janoary (talohan'ny fampitsaharana ny poa-basy). Ali dia avy ao amin'ny  tobin'i Al Shati’ [Morontsiraka]:
Voakendry manokana ny tobin'i Al Shati’ nandritra ny adin'Israely tany Gaza. Naharitra 24ora/24 ny fanapotehana ny toby, hoy ny fanazavan'i  Abdul Salam, rain'i Ali.  Nafindra toerana daholo izay tamin'ireo trano manoloana ny ranomasina rehetra. Mitifitra avy amin'ny sambo mpiady, fiaramanidina sy ny sisa ry zareo’.
Mitohy ny fipoahana ao amin'ny tobin'i Al-Shati’, noho ny daroka tsy mitsahatra ataon'ny sambo mpiady israelina amin'io toby io.  ‘Daiman, daiman (isaky ny mihestika, isaky ny mihetsika)’, hoy i Ali. Manampy ny rainy hoe, ‘Lasa mahazatra ny olona ny maheno ny tifitra. Toy ny hoe amponga izany ankehitriny. Be ny olona maratra’
Manoratra (16 Febroary) ao amin'ny  Gaza Blog-n'ny New Internationalist i Louisa Waugh :
Monina any Rafah i Faiza, 200 metatra monja amin'ny sisintany iraisana amin'i Egipta. Manoloana lavaka fidirana amina zohy  izay nolavahana tao ambanin'ny sisintanin'i Gaza sy Egipta no misy ny tranony. […] Fantatro fa nafindra toerana nalàna tamin'ny tranony ny fianakaviany nandritra ny ady, ary vao haingana no niverina.  Noho izany dia nandeha fiara nankany Rafah aho mba hihaona amin'izy ireo. Simba tamin'iny ady iny i Rafah - simba noho ny tifitra tamin'ny fitaovam-piadiana mavesatra, ny baomba sy ny fitaovana fitifirana hafa ireo trano manamorona ny sisintany, potika tsy misy horaisina ny tontolo. Toa mampalahelo izany - io no saisarin'i Gaza hitanareo amin'ny fahitalavitra. Ny tranon'i Faiza, any amin'ny fiafarana lalan-tany iray, dia efa toy ny mitoka-monina ankehitriny - ny trano mpiray vodirindrina amin'ny ilany roa dia voafafan'ny baomba avokoa, ary noteneniny ahy fa betsaka amin'ny mponina no matahotra mafy ny hiverina aty amin'ny faritra noho ny fitohizan'ny fandarohana. Miteny ny Israeliana fa hamotika ny tambajotran'ireo zohy ry zareo, ary saika isan-kalina dia misy fanafihan'ny fiaramanidina foana manozongozona ny tranon'i Faiza, mampatahotra  ny ankizy sy ny lehibe. Rehefa mihamafy ny daroka baomba dia mandeha mitsoaka any amin'ny havany mipetraka lavitra ny sisintany ilay fianakaviana.
‘Efa nafindra toerana efa ho in-dimy izahay farafahakeliny nanomboka tamin'ny [18 Janoary] fampitsaharana poa-basy,' hoy izy tamiko. Ny teny hoe ‘afindra toerana' dia ahazoana  sary an-tsaina ny fiarakodia fotsin'ny ONU tonga mba hamonjy ireo osa  sy mitondra azy ireo lavitry ny loza mitatao. Nefa ho an'ireo olom-bitsy navela taty amin'ny faritra vonjimaika hapoaka, ny famindràna toerana dia midika fa folo minitra no ananan'izy ireo hangoronany ny entany sy handosirany an-tongotra.
Angaredon’ny mpamaham-bolongana Arabo manohitra ny Jodaisma ao Jerosalema
Jerosalema, AlQuds amin'ny teny Arabo no fototry ny ady Isiraeliana - Palestiniana.  Tsy ankatoavin’ny firenena mikambana sy ny olona voakasik’izany ny fakan'ny Isiraelina ao  Jerosalema atsinanana ho eo ambanin’ny “lalan’ny Jerosalema”. Notapahan’ny vahaolan'ny filankevitry ny filaminana avy amin’ny firenena mikambana 478 ( lany tamin’ny taona 1980)  ny fanesorana ny ankamaroaman’ny masoivoho vahiny tao Jerosalema.
Voatsikera  ireo mpitondra fanjakana isiraeliana amin'ny fitadiaana hanamaroana  Jiosy sy ny fametrahana an’I Jerosalema ho Jiosy amin’ny alalan’ny fanesorana  sy famotehana ireo trano fonenan’ny arabo ao Jerosalema atsinanana, ary lazaina fa tsy ananan’izy ireo ny taratasy fanomezan-dalana hanorina izany trano izany, ho sarotra araka izany ny fahazoan-dalana ho an’ny mponina Arabo. Araka ny tatitry ny World Bank (banky iraisam-pirenena), mihoatra ny avo efatra heny sy sasany (4,5 fois) ny isan’ny trano tsy ara-dalana voaray tao anelanelan’ny taona 1996 sy ny taona 2000 tao amin’ny fiaraha-monina misy ny Jiosy kanefa  mijotso/midina efatra heny kosa ny baiko famotehana trano nalefa ho an’I Jerosalema andrefana raha atao ny fampitahana ao Jerosalema atsinanana.
Tamin’ny alalan’ny setrasetran’ny mpitoraka bolongana arabo no nitranga ny fanesorana farany. Miresaka mikasika ny toe-draharahan’ny renivohitry Arabo I Kahaled Alsoud avy any Jordan [ar]:
Mponina miisa 20 000  no very zo hanorim-ponenana tamin’ny alalan’ny  fisintonana ny karatra manga avy tamina fianakaviana miisa 6000; trano miisa 12 000 no mananontanona fandravana izay ataon’ny faritra Sionista sy ny rindrina apartheid , amin’izany no handroahana mponina miisa hatrany amin’ny 151 423 isa miala ny renivohitra ary rarana ny fifandraisana amin’ireo mponina  sisa tafajanona. Manana rindrina misampantsampana  Zionist miisa 23 i AlQuds, izay mampizarazara, manakana, mandrara ny vahoaka ao aminy tsy hifanerasera amin’izy samy izy na amin’ireo hafa ivelan’ny rindrina.
Ankehitriny , ny fitondrana Sionista dia efa nandefa taratasy fanairana ireo fianakaviana miisa 88 (olona miisa ho 1 500) fa arodana ny tranon’izy ireo, ny antony dia satria tsy nanana ny fahazoan-dalana hanorina vala (parc) eo amin’ny trano ry zareo, izany no  fanilihana goavana sy zava-doza indrindra hatramin’ny fandravana ny faritry Moroccan.
Manome ny fanadihadiana ny toe-draharaha i Syriangavrohe [ar]:
Mazava ho azy fa izany dia fombafomba entina hanerena mivantana ny zava-misy  mialoha ny fotoanan’ny fifanarahana mahakasika an’I Jerosalema sy Palestina, ny tsy fisian’ny mponina Arabo ao Jerosalema dia hamerina  tanteraka zava-marina vaovao ka mety hampiarana ny fanerena  amin’ny lafiny iray, indrindra indrindra raha toa ka andaniny malemy nitovy tamin’ ny fitondrana nasinaly Palestinianina izany.
Notsiahivin’I Jafra ny olona voasoratra ara-tantara Arabo izay novonoin’ny Mossad toy Ghassan Kanafani, Wael Zuaiter sy Naji Al Ali, izay mampisongadina ny mahazava-dehibe ny fahalalana sy ny kolotsaina ao anatin’ny fibodoan-toerana;
Ny hevitra, ny penina fanoratana sy ny fahalalana no zava-dehibe indrindra noho ireo rindrim-be ary mbola zava-dehibe noho ny basy arangaranga, na mpitifitra, na fiaramanidina mpiady mikendry  hatrany izay tanjony.
Manohy ny fangatahana hanaovana an'i Al Quds ho renivohitra arakolotsaina arabo 2009:
Ny olona ao AlQuds, sy ny tenako dia tsy mivoy ho amin’ny famonoana, na ho amin’ny ady, na ny fanambarana ho amin’ny revolisiona. Fanasana fotsiny ihany izy ity mba ho entina anohanana ny fotoana ary hanao izany ho mendrika ny AlQuds.
Manontany an’ireo mpitoraka bolongana Siriana mba hamorona ny “blog for AlQuds Week” I Alghait:
Avy ao anatin’ny blaogy siriana, miantso anao aho hanendry herinandro iray handefasanao bolongana ho an’ny AlQuds, tahaka izay nataonay nandritra ny famahanam-bolongana ho an’ny herinandra Golan.
Iangaviana ny rehetra hiasa ho an’ny rahalahantsika tahaka ny vitantsika amin’ny tenantsika.
Aleo ny bolongana Siriana hitarika ny lalana.
Israely: Tatitry ny Rosiana iray, mpanao gazety an-tsary
Dmitry Kostyukov (LJ user kostyukov), mpanao gazety Rosiana, dia mamita iraka any Israely amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Aogositra 2008, nandrakotra ny ady tany Osetia atsimo izy, ary ity misy fampisehoana mandritra ny 6 minitra ny sary nalainy tany:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rXCcURgSZN4&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/rXCcURgSZN4&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Hatramin'ny namoahany iny sary iny tao amin'ny blaoginy tamin'izy efa tany Israely, nametraka fanontaniana avesa-danja  ny iray tamin'ireo mpamakiny (amin'ny teny Rosiana):
hapylliutejib:
Mampitaha [ny ady roa] ve ianao sa fahatsiarovana sendra nandalo tampoka ity?
Namaly i Kostyukov:
Tsy misy hevitra ambadika eto, na ankiafinafina… tsotra avikoa ny zava-drehetra. Voalohany, ny ady dia nampatsiahy ahy ny ady (na dia tsy tena nanadino ny momba azy iny aza aho), ary faharoa, nandefa [sarin'i Osetia maromaro] aho tao amin'ny [fifaninànana maka sary tao amin'ny World Press], noho izany dia rariny  ny nandefasako azy rehetra ato.
Ato amin'ity lahatsoratra avy any Israely ity anefa, noresahan'i Kostyukov ny ady nisy taloha, amin'ny fitondrana fanamarihana fa tena hafa mihitsy ny fanatanterahana ny asa fony tany, àry, mazava ho azy, ny fanaovana fampitahàna ihany koa. Mitondra fijery amin'ny ankapobeny momba ny asan'ny  mpaka sary an'ady ihany koa izy. Indreto santionany telo, nadika avy tamin'ny teny Rosiana.
12 Janoary 2009:
Ady hafahafa… eo anivona sivilizasiona (fandrosoana), eo  anivona tontolo mahafinaritra. Sahala amin'ny hoe any anivon'ireny tanànan'ny mpanao fahagagàna ireny. Tsy mitovy amin'i Osetia mihitsy. Aty, taterin-dry zareo amin'ny kamiao ny tanks ho any amin'ny toerany, mandeha eo ambony tara, satria haingakaingana kokoa amin'izay, mazava ho azy. Misy ady aty, àry misy ny WiFi eo an-kilan'izany, trano fisakafoànana sy hôtely fakàna aina. Any aminà làlana ambanivohitra iray, misy [fiara misy fitaovam-piadiana mahery vaika, afaka mitondra ny tenany] manamboatra toerana indray, ary eo akaiky eo, tantsaha iray ao anaty “tracteur” manondraka saha.
Ary dia efa zatra msy ady ny olona, vonona ho amin'izany. Aty, misy fiarovana amin'ny baomba ny trano rehetra, café, toeram-pangalàna solika. Misy fialofana eny an-tsisin-dàlana. Fantatry ny Israelianina tsara ny tokony hataony, hoe onjam-peo inona no tokony ho henoina mba hahalalàna momba ny loza, hainy  hoe aiza no tokony hiazakazaka…
Amiko dia helo tanteraka any Gaza amin'izao fotoana izao. Raha ny fahitàna ny firodànan'ny zava-drehetra any amin'izao fotoana izao, mampivarahontsana ny màka sary an-tsaina hoe ianao no tany. Tsy mamela [n'iza n'iza] hiditra na hivoaka an'i Gaza ry zareo izao. Iray ihany no mpaka sary anànantsika any, raha ny fisainako azy.  Miantso anay izy dia henonao amin'ny feony fa mihamitombo hatrany ny tsindry. Nisy “missile” iray nandona ilay trano eo akaikin'ny biraonay any Gaza.
Any amin'ny ankilany Israely indray, ireo mpanao gazety rehetra dia mamonjy ireo havoana roa na telo izay ahafàhana mahita tsara  ireo faritra mirehitra. […]
Ny olana goavana  dia tsy mahazo miara-miasa amin'ny tafika ny mpanao gazety. […] Tsy raharahian'ny miaramila na misy maka sary izy ireo na tsia, ny “police militaire” no sarotiny amin' izany, ary matory izy ireo hatramin'ny 8 ora maraina. Izany no antony hanangonan'ny olona sary manodidina ny amin'ny 6ora maraina hatramin'ny 8ora maraina, ary avy eo dia maka  masolavitra ry zareo ka mandinika ny zera baomba.
Amin'ity ady ity, anaty kitapo iray toy ireo mpanao gazety tany Georgie tany  [Gori] aho - tsy misy na inona na inona azo raisina […].
17 Janoary 2009:
Ny zavatra tena naharikoriko indrindra dia miantso tsy ankiato ny tonian-dahatsoratra, ary miteny zavatra tahàka ny hoe: “Eh, inona izao no ataonareo any? Itadiavo miaramila mitazona sainam-pirenena eo akaikina tank izahay!” Leaza a!, tsy misy zavatra tahàka izany aty! Be olona aty, nefa toerana ngeza be ity, ary ny tafika koa mifindrafindra, izahay aza tsy manan-jo velively ho  eto mihitsy. […]
Fa androany dia nifanena tamina olon-droa izahay. Monina eo akaikin'ny sisitany mihitsy ry zareo. Tonga dia niteny ilay lehilahy fa mpomba ny “extrême droite” izy. Niteny izao manaraka izao izy… Izay rehetra ataon'ny tafitsika eto, mbola [zava-bitika marina tokoa]. mamono olona 1000 isika - kely dia kely izany. Miteraka zaza 500 ao anatin'ny iray alina ry zareo. Tokony efatra alina (40000) no vonoina. […] Tokony asaintsika  Atoa. Putin ho aty. Ampiasao izy ary omeo karama 2 tapitrisa isan'andro. Ary tsy lafo mankaiza izany. Ho ataony haingana izay fantany fa zavatra tokony hataony. Ary ho afaka hiaina am-piadanana mandritra ny 20 taona ho avy na maherin'izay  isika.
Tsy ho soritako izay naha-taitra “kely” ahy. Eny, be ny adàla eny rehetra eny, fa amin'ny fomba ahoana no nahatonga an'i Putin ho fitaratry ny “extrème droite”? Tsy manam-pahaizana amin'ny tantaran'ny vahoaka Jiosy aho, nefa mieritreritra aho fa  maro ireo Jiosy nandositra aty Israely noho ny  “fitondràna sovietika” , ny famoretana, sns.  Ary ankehitriny dia misy ve olona any amin'ny tanindrazany miteny zavatra tahaka izany?
Vao haingana teo, Nandre momba an'i Rosia tamin-javatra tahakahaka izao aho: mandainga foana ianareo mpanao gazety , fa ambarao anay hoe maninona ny U.S. [no mahazo manao izay tiany hatao] atsy Iraka sy Afghanistan, fa maninona i Rosia [no afaka manao ny ataony] any Georgie sy Chechenie - raha  izahay kosa tsy mba mahazo ? Reko foana  Ity “Fa maninona i Rosia no mahazo” ity  any amin'ny karazan-toerana rehetra, fa tsy aty ihany akory.
Manontany matetika ireo miaramila sy ireo olon-tsotra: “Fa maninona ianareo no mandainga? Fa nahoana no dia sary ratsy no entinareo maneho an'i Israely? Fa inona no nataonay anareo? Fa maninona no tsy milàza ny marina ianareo?” Andriamanitra o, tena tsy hitako izay havaly amin'ny fotoana tahaka ireny, satria maheno zavatra toy ireny foana izahay.
Any Gaza, izany koa no notenenina ahy. Fa maninona no mamono anay ry zareo? Fa maninona no tsy miresaka momba an'io ianareo? […]
Na izany aza, any Osetia, mandratra manokana izany. Nanao izay rehetra azonay natao izahay. Sary am-polony isan'andro - tomany, fatin'olona, trano rava, tsikera mitohy… tsy maro ny mpanao gazety manao toy izany. Ary na eo aza izany rehetra izany, mbola maheno fitenenana foana aho fa taim-boraka izahay.
Nody izahay ary nanomboka niteny ireo namako fa tsy manao tsara ny asako aho. Toa sarotra ny mahazo ny zavatra nataonay tany rehefa mieritreritra ny olon-drehetra fa i Rosia no nanomboka an'io voalohany. Fa maninona no tsy nasehonay hoe toy ny inona ny haratsian'i Georgia.
Taorian'izay, tany Gori aho ary nitsambikinan'ny olona indray izahay sady niteny ry zareo hoe: Fa maninona no mandainga ianareo? Fa maninona no tsy asehonareo hoe ahoana ny fidonan' izany aminay? Fa maninona no tsy teneninareo ny halozàn'i Rosia? Tarika vehivavy iray no nampiseho ahy ny faritry ny fipoahan'ny “missile”. Nangatahan'izy ireo ny hakàko sary azy io. Tsy nahalanjalanja intsony aho ka loa-bolana fa tsy mbola nahita ny tany Tskhinval izy ireo ary tsy fantany hoe toy inona any amin'izao fotoana.  Heveriko fa azonao sary an-tsaina ny hoe inona sy manao ahoana no navalin-dry zareo ahy. Soa ihany fa nisy miaramila teo akaiky teo.
Misy tokoa angamba asa ahazoana teny mahery isak'izay mahatsiaro nefa mbola misy ihany ny olona manohy mampiasa ireny fandraharahàna ireny. Mpitsabo, manam-pahefana, mpampianatra, mpanao pôlitika, mpanao gazety. Ary misy rariny ihany amin'ny fanomezana teny henjana, mazava loatra, nefa mazàva ihany koa fa amin'ny asa toy ireny dia misy foana tranga mahatonga anao mora foana ho any amin'ny hadisoana Ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hanao hadisoana daholo ny rehetra. Nefa tsy manamarina anay izany, angamba. […]
19 Janoary 2009:
Saika maty izahay androany. Ankehitriny dia mànana fahatsapàna hafahafa aho. Mieritreritra hoe segondra kely fotsiny dia vita matavy… Matetika, matimaty foana ny mpanao gazety. Tsy hitanay akory hoe misy toeram-pitiliana miafina ary tsy nijanona izahay raha tsy efa ny fipikan'ny fanalàna ny  aro loza (cran de surété) sy ny vava basy efa mitodika amin'ny lohanay  metatra vitsy monja avy eo. Hafahafa, fa amin'ny fotoana sahàla amin'ireny, ny hany hitanao dia ny maso[n'ilay olona efa vonona hitifitra]. Ny amiko aloha tsy fantatro, fa ilay mpiara-miasa amiko […] dia lasa fotsy sahala amin'ny lamba tao anatin'ny iray segondra. Any Georgie, novonoina tamin'ny fomba tsy dia mazava  ilay mpaka sary iray ao amin'ny TASS [Aleksandr Klimchuk] - namaly izy hoe ‘Gamarjoba' ['manao ahoana' amin'ny teny Georgien] […] tamin'ny arahaban'ireo avy any Ossetie. Ary amiko, ohatran'ny tsy nisy n'inon'inona tena niseho, fa 10 minitra avy eo izay vao nangovitra anaty toy ny avy nisotro kafe folo kaopy aho.
ato sy ato ireo sarin'ny fisintahan'ny tafika Israelianina nalain'i Kostyukov.