· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Novambra, 2012

Manohana An'i Palestina i Pakistana

  28 Novambra 2012

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady. Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra...

Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

  27 Novambra 2012

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Naneho hevitra tamin'io fisintahany io ireo Israeliana mpiserasera anaty aterineto.

Bus Nipoaka Afovoan'i Tel Aviv Ora vitsivitsy Mialoha ny Fampiatoan'Ady

  22 Novambra 2012

Ora vitsivitsy mialoha ny fanambarana ny fampiatoan'ady eo amin'i Isiraely sy ny Hamas, nisy bus iray nipoaka teo afovoan'i Tel Aviv tokotokony ho mitataovovonana androany [21 novambra] , izay nandratra olona 17. Ny Hamas no nilaza ho tompon'andraikitra amin'ny fipoahana, izay lazain'ny maro ho fikasana handavaka ny fifampiresahana hampitsaharana ny...

Isiraely: Ny Fiainana Anaty Fidobodoboky ny Balafomanga

  21 Novambra 2012

Mampiasa ny tambajotra sosialy ny Isiraeliana hanangona-kevitra sy hizara ny fiainany nandritra ny [dimy] andro vitsivitsy nizakana ny daroka balafomangan'ny Hamas niraraka sahala amin'ny orana any amin'ny faritra atsimo sy afovoan'i Isiraely. Raha miezaka misera mavitrika ao amin'ny Twitter ny tafi-piarovana isiraeliana ifehezana ny hafatra sy hahazoana fanohanana an-tserasera, maro...

Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?

  21 Novambra 2012

Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro nisian'ny herisetra. Tao Gaza, Hoy i Ismaeil Mohaisen nitatitra: @IsmaeilFadel: VAOVAO FARANY: hanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny lehiben'ny...

Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay

  21 Novambra 2012

Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2008, nandritra ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza izay namoizan'ain'olona mahery ny 1400 (olo-tsotra avokoa ny 700 mahery), nampiasa ny tambajotra sosialy ny olona manerantany mba haneho hevitra mikasika ny fanafihana sy ny politika ambadik'izany.  Twitter, izay mbola sehatra fampiasan'ireo tanora, no toerana niadian-kevitra, raha toa kosa ka...

Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana

  20 Novambra 2012

Nanentana ireo Isiraeliana an-jatony ny vondrona Facebook omaly mba ho tonga hanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Tel Aviv, Habima. Niantso ireo vahoaka ny vondrona mba “Hanohitra ny ady noho ny fifidianana! Handà ny ho faty na hovonoina noho ny antony ara-politika.” Nanomboka tamin'ny 14 Novambra teo ny fifampitifirana teo amin'i Hamas sy...

Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

  19 Novambra 2012

Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo.