· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Marsa, 2012

Avy Amin'ny Iraniana Ho An'ny Israeliana: “Namanareo Izahay”

  21 Marsa 2012

Ilay pejy Facebook fanentanana avy amin'ny Israeliana miteny amin'ireo Iraniana hoe "Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo" dia nahazo valiny avy amin-dry zareo Iraniana amina endrika fifandraisana fifanentanana ao amin'ny Facebook izay miteny amin-dry zareo Israeliana hoe, "Namanareo izahay."

Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran

  18 Marsa 2012

Tahaka ny nofinofy izany hoe hafatra mifono fitiavana avy amin'ireo Israeliana ho an'ny Iraniana izany, tanatin'ireo taona maro nifandrahonan'ny governemanta Iraniana sy Israeliana tsy nisy fiatoana. Saingy mahita ohatra amin'izany isika ao amaty fanentanana iray vaovao ao amin'ny Facebook.

Fanafihana ao Gaza, Malaza Ny #TerroristIsrael Ao Amin'ny Twitter

  13 Marsa 2012

Nanaparitaka vaovao tsy an-kiato mikasika ny  #GazaUnderAttack tao amin'ny Twitter ny Palestiniana sy mpitolona Palestiniana hatramin'ny 9 Martsa 2012, noho ny fanafihana miseho ao Gaza izay niteraka fahafatesana  Palestiniana 23 sy maratra maherin'ny 100, ka maratra mafy ny sasany amin'izany. Tamin'ny 11 Martsa, mpitolona tsy afaka mivoaka ny trano nampiasa tenifototra vaovao antsoina hoe #TerroristIsrael mba...

Palestina: Voatafika Indray i Gaza

  13 Marsa 2012

Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.