· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Desambra, 2010

Israely: Tanin'ny Afo sy ny Ranomandry

  16 Desambra 2010

Toetrandro ririnina henjana tokoa no namely ny faritra isan'ny lehibe indrindra tao Israely tamin'ity herinandro ity (Avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 15 Desambra 2010), narahana tafio-drivotra nahery vaika, orana ary tafiotran-dranomandry, nitera-pahavoazana nanerana ny firenena manontolo. Tany Avartra, rakotra ranomandry matevina izay tsy mbola hita teto amin'ny firenena tao anatin'ny 20 taona ny tendrombohitra Hermon. Izany dia andro vitsy taorian'ny nandravàn'ny doro ala ny faritry ny tanànan'i Carmel, izay niteraka famoizana aina 43 sy fahasimban-javatra vinavinaina ho hatramin'ny 100 na 120 tapitrika sekely.