· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

  31 Desambra 2008

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

  30 Desambra 2008

Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter. Efa miditra amin'ny...

Palestina: Ny andro nahalatsahan-drà be indrindra hatramin'ny 1967

  29 Desambra 2008

Dia nanomboka toy ny andro “mahazatra” ihany ny tao Gaza. Fa tamin'ny folakandro, na izany aza, mazava be fa ny 27 Desambra dia ho tsarovana manokana ho ilay andro nahalatsahan-drà be indrindra tamin'ny fifandonan'i Palestina sy Israely hatramin'ny taona 1967. Na dia ny Hamas aza no tena lasibatra nokendren'ny tafika...

Israely : Ampiomanana hiady

  29 Desambra 2008

Ny 27 desambra, taorian'ny fifanolanana izay tsy nitsaha-nihamafy hatrany taorian'ny fahataperan'ny 6 volana nifanarahana hametrahana fiadiana teo amin'i Israely sy Hamas dia nanafika an'habakabaka an'i Gaza ny tafika Israeliana (FDI). Mankasitraka izany fihetsiky ny tafika izany ny ankamaroan'ny (tontolom-bolongana) Israeliana ary efa miomana sahady fa ho mafy ny ady sady...

Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza

  27 Desambra 2008

Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika. Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe...

Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz

  21 Desambra 2008

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy...

Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny orana

  13 Desambra 2008

Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.

Isiraely: Fomba fijery ny fampinonoan-dreny amin'ny riba jiosy

  11 Desambra 2008

Ao amin'ny “ Fampinonoan-dreny sy ny Jodaisma: Nahoana ny renin'i Mosesy no tsy nametraka tavoahangy (biberao) tao amin'ny lakanjozoro ,” Hannah Katsman ao amin'ny Green Prophet no manazava ny mahazava-dehibe ny fampinonoan-dreny teo amin'ny lalàna jiosy sy ny nentin-drazany raha oharina amin'ny fiaraha-monina any Isiraely amin'izao fotoana izao. Maya Norton